Mitombo ny fahasorenan'ny vahoaka ao Thailandy noho ny krizin'ny fahalotoan'ny rivotra ao Chiang Mai

Chiang Mai forest fire

Pikantsarin'ny lahatsary mampiseho ireo tompon'andraikitra miezaka mifehy ny doro ala any Chiang Mai, Thailandy. Loharano: Lahatsary YouTube an'ny NBT WORLD. Fampiasana ara-drariny

Nanomboka tamin'ny faran'ny volana martsa 2024, nitombo tamin'ny haavo mampanahy mandra-pahatongany ho lasa kalitaon'ny rivotra ratsy indrindra manerantany ny habetsaky ny vovoka PM 2.5 ao Chiang Mai, Thailandy. PM2.5 no fandrefesana singa madinika sy famantarana ny fahalotoana mahery vaika amin'ny rivotra. Nitaraina ny mponina noho ny valinteny mihisatra avy amin'ny fitondram-panjakana manoloana ny krizy.

Ny ambaratonga AQI. Pikantsary tamin'ny Youtube.

Nomen'ny manampahefana tsiny ny doro ala sy ny (tavy) hanaovana fambolena sy fiompiana eny amin’ny manodidina noho ny fiverimberenan'ny zavo-tsetroka. Ratsy indrindra ny zavotsetroka tamin'ity taona ity, nandrakotra ny lanitry ny Chiang Mai sy ny tanàna teo akaiky teo izay ahitana mari-pamantarana ny kalitaon'ny rivotra mihoatra ny 200 amin'ny toerana sasany. Mampiseho ny haavon'ny fahalotoan'ny rivotra ny tarehimarika mifototra amin'ny Tondro momba ny Kalitaon'ny Rivotra Manerantany – World Air Quality Index (AQI), ary heverina ho tsy mahasalama ny zavatra rehetra mihoatra ny 100 – indrindra ho an'ireo vondron'olona marefo toy ireo manana olana ara-pahasalamana na taovam-pisefoana.

Mandritra izany fotoana izany, nanizingizina ireo tompon’andraikitra ao an-toerana fa misy antony maro mahatonga ny fahalotoan’ny rivotra satria nampitandrina ny vahoaka izy ireo mba tsy hanome tsiny ny tantsaha any an-toerana izay efa am-polony taona maro no nanao tavy nefa tsy manimba ny ala.

Nahita toerana 500 be olona anjakan'ny fahalotoan'ny rivotra ny tompon'andraikitra tamin'ny volana Aprily ary toerana 6000 mahery be olona any amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina amin'i Thailandy, Laos sy Myanmar. Araka ny tati-baovao, olona maherin'ny 30.000 ao Chiang Mai no nahazo fitsaboana tao amin'ny hopitaly eo an-toerana noho ny aretina mifandray amin'ny fahalotoan'ny rivotra PM 2.5 nandritra ny telovolana voalohan'ny taona. Na dia eo aza ny fironana manelingelina, nisalasala ny governemanta hanambara ny fanjakana ho latsaka an-katerena noho ny mety ho fiantraikany lehibe amin'ny fizahantany any an-toerana.

Nanosika ny Tambajotran'ny Vahoaka Tavaratra hitory ny sampan-draharaham-panjakana izany. Narahin’ny Tambajotran’ny Fitorian'ny Vahoaka noho ny Vovoka izany, izay namoaka fanambaran’olon-tsotra mametraka ny tanàna ho ao anatin’ny sokajy faritra maloto rivotra mba “hanery ny governemanta sy ny sampan-draharaham-panjakana voakasika handray fepetra mahomby kokoa amin’ny famahana ity olana ity”.

In the name of the people of Chiang Mai, we hereby declare that Chiang Mai is now an air pollution zone, in order to raise awareness regarding the severity of the PM 2.5 situation.

Despite the severe air pollution situation, the government and responsible agencies have not utilized their legal powers to show or declare that Chiang Mai is in an air pollution crisis. Basic precautions such as warnings, distribution of protective equipment to the public, and efficient operations against forest fires have not been adequately implemented.

Amin'ny anaran'ny vahoakan'i Chiang Mai, manambara etoana izahay fa faritra maloto rivotra i Chiang Mai ankehitriny, mba hanairana ny saina momba ny hamafin'ny toe-javamisy PM 2.5.

Na dia eo aza ny toe-javatra henjana amin'ny fahalotoan'ny rivotra, tsy nampiasa ny fahefany ara-dalàna ny governemanta sy ny sampan-draharaha tompon'andraikitra mba haneho na hanambara fa ao anatin'ny krizin'ny fahalotoan'ny rivotra i Chiang Mai. Tsy mbola nampiharina araka ny tokony ho izy ny fitandremana fototra toy ny fampitandremana, ny fizarana fitaovam-piarovana ho an'ny daholobe ary ny hetsika mahomby amin'ny doro ala.

Nampahatsiahy ny governemanta mba handray fepetra maika i Jittakorn Olanratmanee, vadinà mpampianatry ny anjerimanontolo iray maty noho ny homamiadan'ny havokavoka.

I would like to convey to the government that we have been facing this issue for a long time. However, since it has not directly impacted us significantly, we have not given it much importance. But one day, if someone in our family or we ourselves get lung cancer, we will immediately realise how severe the impact of PM2.5 is.

Te hampita hafatra amin’ny fanjakana aho fa efa ela no niatrehantsika ity olana ity. Na izany aza, satria tsy nisy fiantraikany mivantana taminay izany, dia tsy nanome lanja loatra izany izahay. Saingy indray andro any, raha misy olona iray ao amin'ny fianakavianay na ny tenantsika voan'ny homamiadan'ny havokavoka, dia ho tsapantsika avy hatrany ny halehiben'ny fiantraikan'ny PM2.5.

Nisy mpanao gazety ambony iray azo sary naneho ny fahasosorany tamin’ireo tompon’andraikitra nandritra ny fivoriana ampahibemaso.

[Fanavaozana] Nahazo dera ny mpanao gazety zokiolona iray noho ny fiampangana ny fikasan'ny manampahefana hanamaivana ny hamafin'ny krizin'ny fahalotoan'ny rivotra ao Chiang Mai nandritra ny fihaonany tamin'ny governoran'i Chiang Mai, ary noho ny fandrisihana azy ireo ho mangarahara sy mahitsy kokoa rehefa manome vaovao…

Asehon'ity sariitatra ity ny voalaza ho tsy firaharahan'ny praiminisitra am-perinasa manoloana ny krizin'ny fahalotoan'ny rivotra.

Tsara izany ( ny tiako tenenina hoe: “singa tsara” )…

Ny fitohizam-pitomboan'ny haavon'ny PM 2.5 no nanosika ny tompon'andraikitra ao Chiang Mai hamoaka torolàlana manome alalana ny fandaminana ny fiasàna any an-trano ao an-tanàna mandritra ny telo andro manomboka ny 9-11 aprily. Nanoro hevitra ihany koa ny fikambanan'ny fitantanan-draharaha Eo an-toerana (LAOs) mba hanendry efitrano madio telo farafahakeliny isaky ny LAO any amin'ireo vondrom-piarahamonina misy mponina marobe ahitana vondron'olona marefo.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny haino aman-jery, nanamarika ny governoran'ny faritany fa tena nihatsara ny kalitaon'ny rivotra tamin'ity taona ity saingy nanamafy fa ilàna hetsika maharitra.

The air quality has improved a lot from last year, as well as compared to the past, but we will work harder so our air will be of a high quality level, together with clear blue skies during dry seasons to come.

Nihatsara be ny kalitaon’ny rivotra raha oharina tamin’ny taon-dasa, raha oharina tamin’ny teo aloha, saingy hiezaka mafy kokoa izahay mba ho avo lenta ny rivotra eto amintsika, ahitana lanitra manga mazava mandritra ny vanim-potoanan’ny maintany ho avy.

Mpitarika mpanohitra teo aloha no nanakiana ireo tompon'andraikitra izay niandry 50 andro talohan'ny fametrahana fepetra maika toy ny politika miasa any an-trano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.