(Marihina fa tamin'ny 3 martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Dikàn-dahatsoratra fohifohy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy sasantsasany amin'ny teny Arabo ity manaraka ity.
Tamin'ity herinandro ity, faly i johacom nahita sariitatra maromaro nataon'ny mpanao sariitatra Arabo izay maneho ireo Manampahefana Mpitondra Arabo . Hoy izy:

Ny mpitondra Libyana Muammar al-Qaddafi mijoro teo anoloan'ny zohy iray , mifatotra rojo vy sy misy fahitalavitra mandefa ny nahazo an'i Saddam Hussein. Hoy i Qaddafi hoe: “Raha ny tena fanirianay, dia ho foanana ny WMD”.
Nanohy ny lahatsoratra etsy ambony miaraka amin'ny iray hafa avy eo i johacom izay manome ny lisitr'ireo tranonkala mpanao sariitatra Arabo rehetra hitany. Lisitra feno, ny tiako hambara.
Avy any amin'ny Helodrano, nitatitra i Sadafat fa ny olom-pirenena Emirà Arabo Mitambatra dia manohitra ny Tsenaben'ny Sakafo, izay mamela ny alikaola sy ny divay hovarotana ao aminy:
Nilaza i Emy fa ny Printsy Waleed Bin Talal (iray amin'ireo lehilahy manankarena indrindra manerantany), no manohana ny famokarana ny sarimihetsika Saodiana voalohany. Hoy izy:
يعقد شبان سعوديون يتوقون الى السينما في بلد ليس به دور للعرض ومجرد ارهاصات لصناعة سينما العزم على ادخال المملكة المحافظة الى عالم الفن السابع.وستشارك سبعة افلام سعودية في مهرجان سينمائي في العاصمة الاماراتية ابوظبي في مارس/اذار في أقوى ظهور للسينما السعودية الوليدة في أي مهرجان.
Hentitra amin'ny fahavononana hanosika ny Fanjakana mpandala ny mahazatra any amin'ny tontolon'ny Zavakanto Fahafito ny tanora Saodiana mpankafy sarimihetsika ao amin'ny firenena iray izay tsy manana toerana fijerena sarimihetsika sy marika indostirian'ny sarimihetsika majinika.
Sarimihetsika Saodiana fito no handray anjara amin'ny fetiben'ny sarimihetsika izay hotontosaina amin'ity volana Martsa ity ao Abu Dhabi-Emirà Arabo Mitambatra , amin'ny endrika goavana indrindra ho fahaterahan'ny sarimihetsika Saodiana vaovao.
Eo amin'ny lafiny hatsaran-tarehy , nilaza i Fuad Al Farhan fa tao amin'ny fivorian'ny lisea dia notaterina fa ny 90 isanjaton'ny vehivavy Saodiana dia tsy afa-po amin'ny endriny sy ny bikany ary ny 37 isanjaton'izy ireo no inoana fa mety manao fandidiana plastika.
Nofeheziny avy eo hoe:
Nifantoka tamin'ireo bilaogera Arabo vitsivitsy ireo boky. Holazaina indray i Fuad Al Farhan izay nitsidika ny iray tamin'ireo trano fivarotam-boky lehibe indrindra ao Jeddah, nanamarika izy fa tena vitsy an'isa ny olom-pirenena Saodiana miasa ao amin'ity toeram-pivarotana vaovao ity raha ampitahaina amin'ny fivarotam-boky Saodiana malaza hafa.
Amin'ny lafiny iray, naneho hevitra momba ny fifandonana sy ny fihenjanana izay nanimba ny sehatra momba ny Fanasivanana ny Fampitam-baovao i Abu-Joori, izay natao ivelan'ny Tsenaben'ny Boky Iraisampirenena Al Riyadh. Nofaritany ny fifandonana teo amin'ireo liberaly sy ireo mpanandratra ara-pivavahana ary nilaza izy hoe:
Ny farany fa tsy ny kely indrindra momba ny boky, miandrandra ny Tsenaben'ny Boky ao Oman i Zeyad Al Saidi sy ireo bilaogera hafa avy any Oman . Hoy izy: