14 Septambra 2017

Tantara tamin'ny 14 Septambra 2017

Maro Amin'ireo Fanadihadiana Maro No Manasongadina Ny Global Voices

  14 Septambra 2017

Namoaka fanadihadiana fohy mahafinaritra, mitondra ny lohateny hoe "Maro Amin'ny Maro - Fampitam-baovaom-bahoaka sy ny Tontolon'ny Bilaogy" i Martin Lucas sy ny Ivontoerana ho an'ny Media Sosialy. Manolotra ny fanazavana fohy momba ny ezaka vaovao izay mampifandray ny famahanana bilaogy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny horonantsary maharitra roa ambinifolo minitra. Nasongadina niaraka tamin'ireo ezaka mampientanentana tahaka ny Radio Open Source an'i Chris Lydon sy ny POV Borders an'ny PBS ny Global Voices. 

Fihomehezana Lehibe Tao Venezoela

  14 Septambra 2017

Hanatontosa fifidianana mahatsikaiky indrindra eo amin'ny tantaran'ny firenena ny Venezoeliana. Nanambara tamin'ity herinandro ity ilay mpihira Benjamin Rausseo, fantatra amin'ny anarana hoe Er 'Conde del Guacharo (Count of Guacharo), fa hirotsaka hofidiana filoha izy.