Tantara tamin'ny 19 Jolay 2017
Tunisphere: 20 Martsa, Mayana sy Arabo
Ny 20 Martsa raha ny marina no andro ankalazan'ireo mpiray tanindrazana amiko ny fetim-pirenenay (20/03/1956).
Ejypta: Hetsi-bahoaka Avotsory Kareem Sy Izay Nosoratan'i Kareem
(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity) Nisy ny antso ho amin'ny famoriam-bahoaka fanindroany mba hanery ny governemanta Ejypsiana hamotsotra ilay bilaogera nogadraina Abdulkareem Nabeel Sulaiman, 22...
Bolivia: Mpanaramaso ny Fahitalavitra Boliviana
Marobe ireo manana diplaoma momba ny asa fanaovan-gazety izay miady mafy mba hahita asa ao amin'ny haino aman-jery, indrindra amin'ny fahitalavitra. Fotoana izao hialàna amin'ny tsy fahampian'ny olona ary mampiditra olona vaovao manana hevitra marobe sy fiofanana tsara.
Ejypta: Mpikatroka Sy Bilaogera Voasambotra Ary Navotsotra Tany Amin'ny Tany Foana
Navoakan'i Ejypta androany ireo bilaogera sy mpikatroka hafa voasambotra tamin'ny fihetsiketsehana manohitra an'i Mubarak notontosaina tao amin'ny tany efitra tao Kairo, araka ny filazan'ireo bilaogera.
Maldiva: Teknika Fampijaliana Any am-Paradisa
[...] Raha mifidy toerana iray fialantsasatra TSY hita ao anatin'ity lisitra ity ianareo dia ho afaka hisitraka sy hankafy tanteraka ny fialantsasatrareo – tsy misy iasàna saina.[...]
Brezila: Ny Sarin'ny Ririnina Narahina Orambe Mivatravatra
Nandalovan'ny tafio-drivotra mafy ny fanjakana Breziliana maro. Olona miisa fito no maty tany amin'ny fanjakana Santa Catarina sy Rio Grande do Sul, atsimon'i Brezila, raha efatra kosa no maty tao amin'ireo tranobongo tao Sao Paulo. Nalaina tamin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny sary eto ambany.
Mihinana Gnocchi Isaky Ny Faha 29-n'ny Volana !
Tonga tany Amerika Latina niaraka tamin'ny mpifindra monina italiana ilay fomban-drazana mbola mitohy amin'ny fihinanana gnocchi isaky ny faha 29-n'ny volana . Fomba fahandro avy amin'ny bilaogera .
Congo (RDC): Maritrano Ao Bukavu Sy Ny Fomba Hiatrehana Ny Fiainana Ao Kinshasa
Mankalaza ny lovam-bakoka ao Bukavu , tamin'ny vaninm-potoana farany nisian'ny lamaodin'ny " Art Deco " izay matetika antsoina hoe "streamline moderne" (fampisehoana maoderina mivantana) ny bilaogy Kivu Express. Manolotra sary maromaro amin'ireo tranobe ao an-tanàndehibe izay naorina tany amin'ny taompolo 50 ny bilaogy.
Bilaogy Ampiasàna Lahatsary & Kambodza
[...] Lafo ny fifandraisana an-telefaona ary raha manam-bintana ry zareo dia afaka mifanakalo imailaka. Fa ny bilaogy ampiasàna lahatsary no toy ny fifankahitàna tava kokoa ary fomba iray goavana hifandraisana indray amin'ny kolontsainao [...]
Asehon'ny Sariitatra Ny Zava-tsarotra Atrehan'ny Tontolon'ny Fampitam-baovao Ao Myanmar

Sariitatra maromaro navoakan'ny The Irrawaddy tao anatin'ny efa-taona, nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2017 izay mampiseho ny dingana lehibe sy ny zava-tsarotra niainan'ny fampitam-baovao tao amin'ny firenena.