Maneran-tany: Zarao Amin'izao Tontolo Izao ny Fiainanao Ny 11-11-11

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fivoarana manerana izao tontolo izao 2011.

Inona no hataonao amin'ny 11 Novambra 2011? Zarao amin'izao tontolo izao izany amin'ny alalan'ny 11Eleven Project [Tetikasa 11iraika ambin'ny folo] ary manampia amin'ny fanatontosana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo!

Ilazao zavatra momba ny fiainanao sy ny tontolo manodidina anao izahay. Zava-dehibe ho anay ny tantaranao, ka mandraisa anjara amin'ny 11.11.2011 ary potsero ny bokotra “handrakitra”. Aorian'ny 11.11.2011 – ho angatahana handefa amin'ny aterineto ny sarinao ianao, lahatsary na horonam-peo, izay havadikay ho tetikasa telo manokana – raki-tsary, fanangonana mozikan'izao tontolo izao ary lahatsary fanadihadiana. Ny vola voaandona amin'izany tetikasa telo izany dia hanaovana asa soa amin'ny fanampiana ny olombelona hanatontosa ireo Tanjona valon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo.

11-11-11 Creative Minds Unite - 3 months to go! Video by 11Eleven Project on Youtube

11-11-11 Firaisan'ny Saina Mpamorona – 3 volana be izao! Lahatsary nataon'ny tetikasa 11Eleven ao amin'ny Youtube

Manomboka amin'ny 11 Aogositra dia afaka misoratra anarana ianao ary mandray anjara amin'ny fandraketana ampahany amin'ny fiainanao amin'ny 11 Novambra,  na amin'ny alalan'ny lahatsary izany, na sary na mozika. Afaka misoratra anarana ho Masoivoho koa ianao, mampita ny hafatra any amin'ny tanàna misy anao ary manamarina fa nandraay anjara tamin'ny tetikasa ny fiaraha-monina misy anao.

Araho ny Tetikasa 11Eleven ao amin'ny Facebook sy Twitter hahazoanao fanampim-baovao momba ny fivoaran'ny tetikasa raha tianao. Dia amin'ny 11 Novambra 2011, (11/11/11) raiso ny solosainao, finday, kamera na fandraketam-peo ary manaova fanadihadiana momba ny zava-dehibe indrindra nitranga tamin'ny andronao amin'ny tenim-pirenena tianao. Aorian'ny 11 Novambra, alefaso ny lahatsary, sary na mozika ary hamboarin'ny Tetikasa 11Eleven izany ho sarimihetsika; ny 21 Septambra 2012, halefa mandritra ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fandriampahalemana ankalazain'ny Firenena Mikambana izany.

Global Voices dia miara-miasa amin'ny Tetikasa 11Eleven amin'ny fampahafantarana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho an'nyFampivoarana ny Taonarivo (MDGs). Amin'ny volana Novambra, ny 11/11/11 hasainay ny olom-pirenena eran'izao tontolo izao hanampy hanamboatra ny sary mampiseho ny olombelona amin'ny alalan'ny: sary, lahatsary, raki-peo, ary lahatsoratra blaogy momba io andro io. Tsy voatery ho misy fifandraisany amin'ny MDG izany, ny zava-dehibe dia ny fanehoan'izany ANAO. Azonao atao ny mamaky bebe kokoa momba ireo olana valo goavana momba ny fampivoarana sy ireo fepetra hamahàna izany hatramin'ny 2015, ato amin'ny Pejin'ny Tatitray manokana.

Manentana ny rehetra ihany koa izahay hitoraka blaogy momba ny “Tiako ho toetran'izao tontolo izao afaka 100 taona”  mifandraika amin'ny MDGs. Manomeza rohy mankany amin'ny pejinay Tanjona ho Fampivoarana ny Taona Arivo, ka hataonay anatin'ny lisitra ato koa ny lahatsoratrao. Ka miaraha aminay amin'ny fankalazàna ny maha-olombelona amin'ny 11/11/11.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fivoarana manerana izao tontolo izao 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.