Tantara mikasika ny Oman tamin'ny Marsa, 2011
Lahatsary: Sarintany Fitadidiana Fotoana Maneho Ireo Hetsika sy Fitroarana Amin'ny Ankapobeny
John Caelan avy amin'ny vohikala The Swamp Post dia namorona lahatsary roa somary nafainganina fandeha maneho an-tsarintany ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 18 Desambra ka hatramin'ny 7 Martsa 2011, izay ahitàna ny fihetsiketsehana sy ny fitroarana mihànaka manerana ny firenen-tsamihafa.
Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy
Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.
Oman: Mitohy ny fihetsiketsehana ao Sohar
Nahatratra ny faritr'i Oman ny onjan'ny fikomiana Arabo ka Omanis anjatony no nidina an-dalambe mba hitaky fanovana sy ny fanafoanana ny kolikoly ao amin'ny faritra maro ao amin'ity firenena entina...