Tantara mikasika ny Oman tamin'ny Mey, 2017
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Bahrain, Omàna: Ny Fiainan'ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra
Ireo mpiasa mpila ravinahitra, ny ankamaroany avy any Azia Atsimo, no mandrafitra ny ampahany betsaka amin'ny vahoaka any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa. Ato anatin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny fiainan'ireo olona roa izay tonga hiasa tany amin'ny Gôlfa.
Bahanan'ireo Manampahefana Omani ny Fidirana amin'ny Gazetiboky Mowatin Ety Anaty Aterineto

Ny Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, ary ora maromaro taorian'ny niverenany namoaka lahatsoratra, no nofinidin'ireo manampahefana Omani hibahanana ilay gazetiboky tsy miankina.