· Janoary, 2013

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2013

Però: Voatsiratsira Indray I Wendy Sulca, Olo-malaza Amin'ny YouTube

  12 Janoary 2013

“Miarahaba an'i Armando Esteban Quito [midika vinaninany hoe “manambatra dabilio”]… sy Jorge Nitales [jor-fitaovam-pananahana]… oroka be ho an'i Elsa Capunta [fandranitana pesilihazo]… mpankafy voalohany anareo avy aty Narnia izahay…”. Toy izany no fomba niarahaban'ilay mpanakanto Peroviana Wendy Sulca ireo lazaina fa mpankafy azy tamin'ny fiandohan'ity volana ity tao amin'ny Tweetcam-ny [es], izay toa tsy...

Miaro Tena Amin'ireo Fiampangàn'i Esperanza Aguirre Ny Kiobàna

  12 Janoary 2013

Nilaza ny filohan'ny antokom-bahoaka (Partido Popular-PP) ao Madrid, Esperanza Aguirre, fa tsy nankato "fitsaràna tao Kioba izy, na endrika ahoana na ahoana." Nantsoiny hoe "fampijaliana" ny fotoana lanin'i Ángel Carromero, Sekretera lefitry ny Sampana Tanora ao amin'ny Antokom-bahoaka tany am-ponja, taorian'ny nanamelohana higadra tao La Havane noho ny "famonoana olona tsy niniana," tanaty lozam-pifamoivoizana izay nahafaty an'ireo Kiobana mpanohitra, Oswaldo Payá sy Harold Cepero. Mihetsika ny tontlon'ny bilaogy Kiobàna.

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

  11 Janoary 2013

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.

Espaina: Mpisioka Twitter Nampanantsoina Tany Amin'ny Komisarià Fa Nanonona an'i Antonio Gramsci

  10 Janoary 2013

[Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra amin'ity lahatsoratra ity, raha tsy misy ny fiovana.] Voantso teny amin'ny borigadin'ny polisy misahana ny heloka ara-teknolojika ilay mpiserasera, sady mpikatroka ny hetsika @almu_en_lucha  mba hanazava mikasika ireo votoatin-tsioka sasany nalefany. Nambarany izany alohan'ny nandehanany tany : @almu_en_lucha : Andeha hanome fanazavana mikasika ny sasany...

Tsaitsaikan'ny Nenti-paharazana, Nandray Ny Taona Vaovao i Kiobà

  09 Janoary 2013

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Nanamarika ny taona 2012 ny fitsidihan'ny Papa Benoît XVI tao Kiobà, ny fahasimbana nateraky ny tafio-drivotra Sandy, ny fametrahana lalàna mampiady hevitra momba ny fampiasan'ny vahoaka ny mozika, anisan'ireo zava-niseho nanamarika ihany koa ny tontolon'ny bilaogy tao amin'ny...

Espaina: Taona Vaovao, Fanamby Vaovao, Rafitra Vaovao

  07 Janoary 2013

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity.] « Tratry ny taona 2013 ! Taona hanavaozantsika ny rafitra». Tamin'ny alin'ny faran'ny taona, izany no sioka voalohany nalefan'i Partido X, Partido del Futuro [« Parti X, Antoko Vaovao»], antoko politika vaovao izay niditra tamin'ny aterineto espaniola tamin'ny fomba manaitra sy...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es