· Marsa, 2010

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Marsa, 2010

Ejipta: Hosakanana ve ny Skype!?

  15 Marsa 2010

Mandeha ny resaka fa hoe hosakanan'ny governemanta Ejiptiana ny Skype. Maneho hevitra momba izay vaovao tsy voamarina izay ny mpitoraka blaogy maro ao anatin'ity lahatsoratra ity.

Hiaro ny zon'ireo fahavalonao ara-politika ve ianao? (momba ny sivana Alzeriana)

GV Mpisolovava  12 Marsa 2010

Ho lahatsoratro voalohany eto amin'ny  Global Voices Advocacy, te-hametraka adihevitra aho mikasika olana iray nitambesatra ela tamiko hatramin'ny nivoahan'ny vaovao milaza voalohany ny fahatapahan'ny vohikala politika teto Alzeria. Izany hoe, hatraiza no fetra azon'ny tsirairay aleha ho fiarovana ny zon'olombelona, ary ny tena lehibe indrindra amin'izany dia ny fahalalahana miteny,...

Pologne: Notorian'ny mpianatra ny minisitry ny fampianarana teo aloha

  08 Marsa 2010

Nanapan-kevitra ny hitory ny Minisitry ny Fampianarana taloha Ryszard Legutko ireo mpianatry ny lisea roa A noho ny niantsoany azy ireo ho ‘zaza naranina (be sitrapo)’. Nanao fanangonan-tsonia , natolony ny talen'ny sekoly, tamin'ny herintaona ny mpianatra roa avy ao Wroclaw, Zuzanna sy Tomasz. Nolavin'ny tale izany. Niadiana hevitra ny...

Philippines: “Fifanaraham-panambadiana azo havaozina”

  06 Marsa 2010

Vondrona politika iray ao Philippines no maniry hampiditra volavolan-dalàna mametraka ny fetram-pifanaraham-panambadiana iray ho manankery mandritry ny folo taona. Araka ny nanampoizana azy dia niteraka fanehoan-kevitra mivaivay eo anivon'ny fitorahana blaogy ity tolo-dalàna tokana an-tany ity.

Pologne: Ady amin'ny homamiadana amin'ny aterineto

Zazavavy kely miramirana 5 taona i Lenka ary i Paula kosa dia mpianatra momba ny haiendrika anatiny ("design interieur") manatona ny faha-20 taonany. Tsy mieritreritra ianao hoe mety hanana zavatra iraisana izy roa ireo nefa dia misy izany. Samy manana homamiadana izy ireo ary samy manana blaogy hiresahan'izy ireo ny fiadiany amin'ity aretina ity

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg