Chili: Ny takaitra navelan'ny horohorontanin'ny taona 1960 tany Valdivia

Dimampolo taona lasa izay no nisian'ny horohorotany lehibe indrindra voasoratra an-tantara, nanozongozona ny tanànan'i Valdivia any Chili. Ny 22 May 1960, tany akaikin'ny tanànan'i Cañete no nisy ny ivon'ilay horohorontany mirefy 9.5 hamafy. Na izany aza dia Valdivia no toerana tena voa mafy ka 40%-n'ny tranobeny no rava ary namela tsy manan-kialofana manodidina ny 20000 teo ho eo izany.

Mbola kely loatra ny maro tamin'ny mpampiasa haino aman-jerin'olom-pirenena ka tsy niaina ny horohorontanin'ny taona 1960, nefa ny sasany tahaka an'i Mauro Barrientos (@maurobarrientos) dia niresaka tamin'ny olona tany dimampolo taona lasa izay:

Mi awela dijo este terremoto ni se compara al del terremoto de valdivia en 1960

Niteny ny renibeko fa tsy afaka mampitaha iny horohorontany iny (2010) tamin'ny nisy tany Valdivia tamin'ny 1960 isika

Na izany na tsy izany, niraikitra tao an-dohan'ny maro manerana ny firenena ny takaitra navelan'iny horohorontany iny teo amin'ny tantaran'i Chili. Manoratra Yondaime Andres (@EomerElessar):

a toodos se les aparece el fantasma del 60 por eso el temor

Matahotra ny olona satria toa matoatoan'ny (horohorontanin'ny 19)60 ity (horohorontany ity).

Avy any amin'ny tanànan'i Valdivia, Betsabé Sandoval (@_Nahra) dia namoaka karazan-tsarin'ny fotoana samihafa tao amin'ny Twitpic momba ny fahasimbàna nateraky ny horohorontanin'ny 1960, anisan'izany ity sary mampiseho ny fahasimbàn'ny Katedralin'ny Valdivia Cathedral ity. Raha atambatra, nampiakatra sary 10 samihafa izy.

Photo of Valdivia post-quake uploaded by _NahraSarin'i Valdivia taorian'ny horohorontany, nampiakarin'i _Nahra

Maro ny Mpampiasa Twitter monina any an-tanànan'i Valdivia amin'izao fotoana izao. Naneho ny heviny amin'ny fivoaran'ny horohorontanin'ny 2010 sy ny akon'izany teo amin'ireo mpiara-monina aminy izy ireo nandritra ny andro. Manoratra momba ny toetry ny tanàna amin'izao fotoana ilay mpampiasa Twitter @tapeks :

Se ve el temor en la gente, todos andan intranquilos y las calles se ven desoladas, se ve tan raro #Valdivia

Tsikaritra eny amin'ny vahoaka ny tahotra, hendratrendratra ampandehanana ny tsirairay, mampalahelo ny sisin-dàlana, tsy mahazatra no hita

Tamin'ny takarivan'ny alina voalohany taorian'ny horohorontany, i Evelyn Arriagada (@evelynarriaga) sy i Daniela Contreras (@dcontrerasl) dia samy nahatsikaritra fa somary mangingina ny manodidina, nefa samy mamonjy fandriana amin-tahotra kely ny tsirairay.

Na eo aza izany, tsy ny fahasimbàna nateraky ny horohorontany tamin'ny 1960 ihany no mijanona an'eritreritry ny maro, fa ny fihetsiky ny vahoaka Chiliana 50 taona lasa izay koa. Manoratra i Pancho Ballesteros (@Pancho_B) :

Si hace 50 años nuestra patria se puso de pie despues de lo de Valdivia, hoy es el momento de volver a hacerlo…

Raha tafarintsika ny firenentsika taorian'ny (horohorontany) tany Valdivia 50 lasa izay, fotoana izao tokony hanaovana izany indray…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.