· Oktobra, 2008

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Oktobra, 2008

Jamaika:Fisaonam-pirenena

  05 Oktobra 2008

Iray volana sy tapany lasa izay dia firenena ravo sy tretrika i Jamaika raha nankalaza ny fandresena azon’ireo mahery fo Olaimpikany. Tamin’ity herinandro ity, dia firenena iray fanina no nisaona tamin’ny nahitàna ny vatana tsy nisy lohan’ilay tovovavy kely Ananda Dean novinavinaina ho eo amin’ny 11 taona eo efa ho...

Japàna : Fampiratiana Rôbô

  03 Oktobra 2008

Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tectacle sarin'ireo Rôbô vaovao sy tranainy izay ampiratiana mandritra ny CEATEC 2008, any Chiba, any Japàna.  

Senegaly : Fahasamihafana mikasika ny Ramadana

  03 Oktobra 2008

Ria Bacon no mizara mikasika ny fivavahana Silamo sy ny fahasamihafana mikasika ny Ramadana Senegaly : Thus for some, Ramadan ended yesterday; for most it was today, declared a national holiday by the Government. One final confusion: the festival to mark the end of Ramadan is called Korité in Senegal,...

Dominika : Fahaleovantena

  03 Oktobra 2008

Dominica Weekly no manapariaka sarin'ny fety fanokafana ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny fahaleovantenan'ny nosy Dominika.

Iran : Ny talenta manokana mba “tsy hifandraisan-tànana” amin'ireo vehivavy

  02 Oktobra 2008

Faryadbiseda mpiblaogy Iraniana no nanapariaka sary maromaro ahitana ny fihaonan'ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad sy vehivavy mpamangy. Mandà ny handray ny tànan'ireo vehivavy mamangy azy ireo ny filoha Iraniana rehefa mifampiarahaba. Satria toa hoe raràn'ny foto-pinoany ivavahany sy ireo Iraniana maro ny hifandray tànana amin'ny vehivavy.

Egypta : Izay tontolon'ny fitovitoviana endrika

  02 Oktobra 2008

Whisper of Madness [bitsibitsiky ny hadalàna] izay monina any Egypta dia misarika ny mpamaky handinika ny fitovitoviana endrika mahazendana misy eo amin'ny sarin'ireo olo-malaza sasantsasany manerana izao tontolo izao [Yasser Arafat, George Bush, Benoit XVI, …].

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg