Tantara mikasika ny Anglisy tamin'ny Desambra, 2013
Androm-Pandreseana: Montsan'i Bangladesh Ny Zava-bita Tsara Indrindra Eran-tany Amin'ny Saina Sy Hiram-pirenena Lanjain'olona
27.117 ireo mpirotraka an-tsitrapo nijoro niloloha takelaka mena sy maitso hanome endrika ny sainam-pirenen'i Bangladesh . Maherin'ny 300.000 ireo olona niaraka nihira ny hiram-pirenena
GV Face: Tapaka Ny Faribolam-Baovao. Afaka Hitsabo An'Izay Ve Ny Fanaovan-Gazety Famahana Olana ?
Ahoana moa raha mahatonga antsika ho olom-pirenena mavitrika kokoa ny vaovao, mba hanana akony amin'izao tontolo izao?
Esorina Any Amponjan'i Rosia Hamenoana Ny Seza Ao Amin'ny Sochi 2014
Rosiana bilaogera maro no mino fa mitàna toerana lehibe ao anatin'ny famotsoran-keloka nisy tamin'ny herinandro lasa ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Andro Ririnina Sochi hatao amin'ny taona hoavy ka nanafahana ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny "Arctic Sunrise" Greenpeace sy ireo mpiangaly gadona rock malaza Pussy Riot , ary hatramin'ny famelan-tsazy nomena an'i Mikhail Khodorkovsky
SARIPIKA: Rotaka Voalohany tao Singapore Tao Anatin'ny 40 Taona
Manasongadina ny fifandirana eo amin'ny mponina ao an-toerana sy ireo mpiasa vahiny tsy mitsaha-mitombo ny rotaka voalohany tao Singapour tao anatin'izay 40 taona izay.
Hampigadra Mandrapahafatiny Ireo Olona Mitovy Fananahana Mifankatia Ny Volavolan-dalànan'i Ogandà Manohitra Ny Fifankatiavan'Olon-droa Mitovy Fananahana
Hampigadra ny olona tsy mitatitra ny fisian'ireo olona mitovy nefa mifankatia any amin'ny manam-pahefana ihany koa io volavolan-dalàna io.
Afaka Nibitsika Ihany Pussy Riot Nony Farany!
Efa mampanonjanonja sahady ny tontolon'ny fitorahana bilaogy kiritika ry Maria Alekhina sy Nadezhda Tolokonnikova.
Fahafatesan'I Nelson Mandela : ‘Nandao Antsika Ny Vatany Fa Ny Fanahiny Kosa Haharitra Mandrakizay ‘
"Ao anatin'ny politika, ny firazanana, ny fahalalahana ary ny hery i Mandela, ary nataony izay rehetra fantany fa tsy maintsy ataony "
Bangladesh : Herisetra Ara-Politika, ‘Firy ny Maty Vao ho Afa-Po Ry Zareo ?’
Nahafaty olona maro sy mbola mampatahotra ny hafa handeha hamonjy ny asany ny andianà herisetra maka endrika politika natao tamin'ny fiara fitateram-bahoaka sy fiara vaventy any Bengladesh.
Ny Avy Ao Karaiba No Mety Ho Zava-Dehiben'ny Sehatry Ny Mozika Manaraka Eo
Miaraka amin'ny fandresena azon'ireo mpaka-tsehatra toa an'i Tessanne Chin sy Bunji Garlin tsy ela akory izay, hita mipongatra ho toy ny zavatra goavana hanaraka eo ny mozika avy ao Karaiba
Nahazo Fanekena Ofisialy Ho Toy Ny Fanasokajiana Hafa Ny Hijras ao Bangladesh
Nivoaka ihany koa ny fanambaran'ny fanjakana, taoriana kelin'ny fanambaran'ny Alemàna fa hanome sokajy fahatelo hafa any amin'ny kopiam-pahaterahana izy ireo.