Hijras, teny iray ao Azia Atsimo hanasokajiana ho Vehivavy ireo olona teraka mitondra ny fananahana lehilahy na sady lahy no vavy kanefa miseho ho vehivavy, no hekena manomboka izao fa sokajin'olona vaovao ao Bangladesh, izany dia ahafahan'izy ireo manasokajy ny tenany ho hijra any anatin'ireo taratasy ofisialy isan-karazany toy ny Pasipaoro.
Nanambara izany fanapahan-kevitry ny Governemanta izany ny Praiministra ao amin'ny firenena ny 11 Novambra 2013 teo, niaraka tamin'ny fanambaran'i Alemàna fa hanomboka hanome Sokajy fahatelo ao amin'ny Kopiam-pahaterahana ihany koa izy ireo.
Mahatratra 10.000 farafahakeliny amin'izao ny hijras monina ao amin'ny firenena. Fandresena ho an'ireo hijras iny fanapahan-kevitra nivoaka iny, karazàna sokajy fahatelo hafa izay manasokajy olona iray ho sady tsy lahy no tsy vavy, manerana ny firenena. Izy ireny dia olona iharan'ny tsy fanajàna ny zony avy amin'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny, toy ny fanerena azy ireny hiara-hiaina anaty vondrom-piarahamonina misintaka. Nangataka fanekena ofisialy ho toy ny Sokajy fahatelo ireo fikambanana Hijra.
Maro ireo mpisera anaty aterneto no nihoby izany fanapahan-kevitra izany.
Hazrat Binoy Bhodroe (@hazratb9bhodroe) dia nanamafy tao amin'ny Twitter fa dingana lehibe iny fanapahan-kevitry ny Governemanta iny :
হিজড়াদের রাষ্ট্রের লৈংগিক স্বীকৃতি বিরাট অর্জন, গ এহেড বাংলাদেশ 🙂
— hazrat binoy bhodroe (@hazratb9bhodroe) November 11, 2013
Nahazo ny fankatoavan'ny fanjakana ny Hijras. Tena fahombiazana goavana izany. Mandrosoa hatrany ry Bangladesh
Sabrina Haque (@sab918) dia nanantena fa hitsahatra hatreo izany ny fanavakavahana :
Awesome. #Bangladesh is expanding #equality and the definition of #gender for its populace http://t.co/qaAmImxQsP #progress #hijras
— Sabrina Haque (@sab918) November 11, 2013
Tsara. #Bangladesh dia mampivelatra ny #fitoviana sy ny famaritana ny #sokajy ho an'ny vahoakany http://t.co/qaAmImxQsP #fandrosoana #hijras
— Sabrina Haque (@sab918) 11 Novambra 2013
Smita Gaith (@smitagaith) nandefa bitsika hoe :
Wow, that's huge! RT @sepiamutiny: #Hijras now legally a separate #gender in #Bangladesh http://t.co/wjUBaZnR80
— Smita Gaith (@smitagaith) November 11, 2013
Kay, goavana zany! RT @sepiamutiny: #Hijras izao dia #sokajy mitokana any #Bangladesh http://t.co/wjUBaZnR80
— Smita Gaith (@smitagaith) 11 Novambra 2013
Blaque Mamba (@Snoozfest) dia nanamarika fa :
The West needs to take notes from #Bangladesh. #Hijras now a separate #gender in Bangladesh | #Dhaka Tribune http://t.co/SH8NIf8DpI“
— Blaque Mamba (@Snoozfest) November 11, 2013
Mila maka lesona amin'i #Bangladesh ireo Tandrefana. #Hijras izao dia #sokajy mitokana any Bangladesh | #Dhaka Tribune http://t.co/SH8NIf8DpI“
— Blaque Mamba (@Snoozfest) 11 Novambra 2013
ireen sultana (@ireen_sl) koa dia nankasitraka ilay fiovàna :
একদম শেষ সময়ে হলেও এমন একটি পদক্ষেপকে চূড়ান্ত রূপ দেয়ার জন্য সরকারকে আন্তরিক সাধুবাদ। হিজড়াদের ‘লিঙ্গ… http://t.co/0SfYP9GEJT
— ireen sultana (@ireen_sl) November 11, 2013
Miarahaba ny Governemanta amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny, anatin'izao fotoana farany izao ( hitondran'izy ireo izao ).