Zeorzia, miady hevitra momba ny lalàna mifehy ny masoivoho vahiny. Lazain'ny mpitsikera fa ohatra iray mampidi-doza

Sary an'ny  Climate Reality Project. Fampiasana maimaimpoana ampiasàna lisansa Unsplash .

Miomana hiady hevitra mikasika ny volavolan-dalàna “momba ny fangaraharàn'ny dindon'ny masoivoho vahiny” ny parlemantera Zeorziàna, mitovy amin'ilay lalàna Rosiana tamin'ny 2012 mikasika ny “masoivoho vahiny“, izay nampiasaina hamotehana ny tsy mitovy hevitra sy ny mpanohitra. Ao Rosia, araka ny voalazan'ny OVD Info, tetikasa fampahalalam-baovao Rosiana mahaleotena mikasika ny zon'olombelona, olona 637 no voakilasy ho “masoivoho”, izay mety hametra ny fahafahana hahazo famatsiambola nasiônaly sy iraisam-pirenena, manamora ny hahafahan'ny Fanjakana manasazy ireo mpitsikera, manome fahefana malalaka ny fanjakana hanenjika na iza na iza manao hetsika voafaritra malalaka ho “manohitra ny tombontsoam-pirenena ao amin'ny federasiôna Rosiàna”, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy amin'izany.

Ilay volavolan-dalàna dia natolotry ny vondrona parlemantera iray fantatra amin'ny fomba ofisialy fa avy amin'ny antoko Georgian Dream eo amin'ny fitondrana, izay niala ny laharan'ny antoko tamin'ny taona lasa ary nanangana ny antoko pôlitikany manokana atao hoe People's Power (Herim-Bahoaka) tamin'ny Aogositra 2022. Io antoko io araka izany no nanolotra ilay volavolan-dalàna izay, raha toa ekena dia, “hanery ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana vatsian'ny avy any ivelany vola hisoratra anarana amin'ny maha-mpiasa mpandetika hevitra miasa miaraka amin'ny vahiny”, hoy ny Eurasianet.

Taorian'ny tsikombakomba no iheverana ny fotokevitry ny antoko Herim-Bahoaka hatramin'ny niorenany – notaritina tao anatin'ny adin'i Okraina i Zeorzia ho tafiditra ao anatin'ny drafitra iray maty paika noketrehina niaraka tamin'ny fanampian'ny Vondrona Eoropeana, ny Hetsika Nasiônaly Mitambatra an'ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena Zeorziàna. Ilay teorian'ny tsikombakomba dia navoaka tamin'ny fotoana izay niatrehan'ny antoko Georgian Dream eo amin'ny fitondrana ny  “fanamby lehibe indrindra amin'ny fitondrany tao anatin'ny folo taona” noho ny tsy nahavitàny “nahazo ny sata maha-kandidà ho ao anatin'ny UE”, hoy ny tatitry ny OC Media. Tamin'ny Martsa 2022, nangataka tamin'ny fomba ofisialy i Zeorzia ny mba ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, taorian'ny fananiham-bohitra tao Okraina nataon'i Rosia – iray andro taorian'ny nanaovan‘i Okraina ny fisoratana ofisialiny. Tamin'izany fotoana izany, ny fifindra-monina dia nofaritana ho sahala amin'ny fiverenan-dalana nataon'ny Antoko Georgian Dream izay eo amin'ny fitondrana, izay nanitrikitrika tany aloha fa tsy hanafaingana ny tetiandrony napetrany tany am-boalohany ho an'ilay fangatahana ho mpikambana amin'ny taona 2024.  Nanamafy ireo manam-pahaizana fa io fiovàna io dia natosik'ireo andiana hetsipanoherana nitranga tao amin'ny firenena sy ny faneren'ny mpanohitra.

Latsaka anatin'ny krizy politika i Zeorzia hatramin'ny volana Oktobra 2020, rehefa nanohitra ny valim-pifidianana parlemantera nandresen'ny antokon'ny mpitondra, Georgian Dream, ireo vondrona mpanohitra. Araka izany, raha fahiny olo-manga Eoropeana amin'ny fampiatiana, dia nampihisatra ny fomba fijeriny ny fizarazarana ara-politika anatiny ao amin'ilay firenena.

Nanomboka tamin'ny 2020, niatrika fihenan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy fanafihana marobe natao tamin'ny fiarahamonim-pirenena ny firenena, anisan'izany ny daroka natao tamin'ireo mpanao gazety sy ny fiharatsiana amin'ny ankapobeny manjo ny demokrasiany.

“Na aiza na aiza jerenao dia ratsy avokoa ny tabilao : fitantanana ratsy atao amin'ny fifidianana, fampidirana ny politika amin'ny sehatry ny fitsaràna, tsy fahombiazan'ireo tomponandraikitra mba hanakana ny herisetra atao amin'ireo mpanao gazety sy ireo mpikarakara ny Gay Pride tao Tbilisi, ny ampamoaka mikasika ny fanarahamaso natao an'ireo diplomaty Eorôpeàna”, hoy ny nosoratan'i Tom de Waal, Senior Fellow ao amin'ny Carnegie Europe sady mpanara-maso efa hatry ny ela an'i Eorôpa sy Kaokazy.

Saingy vao maika niharatsy ny toe-draharaha, raha vao injay, tamin'ny Jolay 2022, ny Georgian Dream ka nirotsaka tao anatin'ny “ady tsy mbola nisy toa izany” teo amin'ny Zeorzia sy ireo Tandrefana mpiaradia taminy rehefa nanomboka nanameloka an'ireo diplomaty Amerikana sy Eoropeana tao amin'ny fireneny ny Georgian Dream. Avy amin'ireo fiampangàna fitsabahana anaty rafitra fitsaràna Zeorziàna mankamin'ireo fiampangàna ireo mpiara-miombon'antoka ho itàna anjara toerana ratsy tamin'ny drafitra fidiran'ny firenena ho ao anaty Vondrona Eoropeana, niteraka disadisa sy fiampangàna tany Bruxelles sy tany Washington ny fifamaliana.

Dimitri Khundadze, mpikambana taloha tao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, no nanosoka hevitra hoe i Etazonia dia voarohirohy ao anatin'ireo fifanakalozana ara-bola vahiny tsy dia mazava loatra nataon'i Bidzina Ivanishvili, Praiminisitra taloha, ilay mpanorina ny antoko Georgian Dream eo amin'ny fitondrana, miaraka amin'ny fikasàna “hanery an'i Ivanishvili hiverina indray amin'ny politika ” ary koa mba “hampidirana ny firenena ho ao anaty [ny] ady ao [Okraina]”, hoy ny OC Media nitatitra tamin'ny fotoan'andro.

Ivanishvili no endrika malazan'ny politika Zeorziana. Nanangona ny hareny talohan'ny vanim-potoana Poutine tao Rosia izy ary nanagana ny antoko  Gerogian Dream tamin'ny 2012. Na dia nambaran'i Ivanishvili  ampahibemaso aza ny fanapahan-keviny handao ny politika tamin'ny taona 2021, dia mino ny sasany fa mbola izy no mibaiko avy any ambadika ny sehatra any.

Taorian'ny fanapahankevitra maimaika noraisin'i Zeorzia hangataka ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, dia nahemotra ny filatsahan'ilay firenena ho kandidà noho ny filazàna fa tsy maintsy mahafeno ny lisitra takiana mialoha ilay firenena vao azo heverina ho kandidà. Tamin'io volana io ihany, nandany famahana olana iray ny Parlemantera Eoropeana “mikasika ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny haino aman-jery sy ny fiarovana ireo mpanao gazety ao Zeorzia”. Niantso an'ireo tomponandraikitra Zeorziana ilay antontan-taratasy hanome sazy manokana ho an'i Ivanishvili “noho ny andraikiny tamin'ny fiharatsian'ny fizotry ny pôlitika ao Zeorzia”. Nalaky be ny fiampangana avy amin'ireo tomponandraikitra Zeorziàna.

Ny Praiminisitra Irakli Garibashvili, tao anaty taratasy iray nalefany ho an'ny filohan'ny Vaomiera Eoropeana, Ursula von der Leyen, dia nitsikera ilay fanapahan-kevitra ary nanoratra fa natao “hanaratsiana ny rafi-pitondràna misy ankehitriny ao Zeorzia izany”.

Ny volavolan-dalàna vaovao natolotry ny Parlementera dia mampiseho fa tsy vitan'ny hoe maka tahaka fotsiny an'i Kremlin i Zeorzia amin'ireo tetikadiny mandiso vaovao, fa ihany koa ny fanaovany lalàna, satria tea manaitra ireo fitoviana misy eo amin'ny volavolan-dalàna natolotr'i Zeorzia sy ny lalàna Rosiana mikasika ireo mpiasa vahiny. Takian'ilay volavolan-dalàna amin'ireo haino aman-jery Zeorziana rehetra mandray famatsiambola avy any ivelany mihoatra ny 20% ny ty maintsy hisoratana anarana amin'ny maha-“masoivoho vahiny” no sady hanao tatitra momba ny fidiram-bolany isan-taona. Araka ny voalazan'ny OC Media, dia “azo inoana fa hampiharina ihany koa amin'ny ankabeazan'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana miasa ao Zeorzia ilay lalàna”. Ny volavolan-dalàna Rosiàna, izay efa nandalo fanovàna maromaro nanomboka tamin'ny 2012, dia manery ihany koa an'ireo sehatra fampahalalam-baovao mandray famatsiambola avy any ivelany mba hampahafantatra ny tetibolany isan-taona. Amin'ny endriny farany indrindra, “itarin'ilay lalànny famaritana ny hoe olon'ny avy any ivelany ho amina teboka iray izay saika ny olona na sampan-draharaha rehetra, tsy miankina amin'ny zom-pireneny na ny toerana misy azy, izay mirotsaka amin'ny fikatrohana sivily na koa maneho ny heviny mikasika ny politika na ny fitondrantenan'ireo mpiasam-panjakana Rosiana dia mety ho voahosotra ho olon'ny avy any ivelany, raha mbola hamafisin'ireo “manampahefana fa eo ambanin'ny “fitarihana avy any ivelany” izy ireny. Manilika ihany koa izy io an'ireo “olon'ny avy any ivelany” manan-danja amin'ny fiainan'ny fiarahamonina”, hoy ny Human Rights Watch nanoratra ho tohin'ireo fanovàna lalàna vao haingana indrindra izay nanomboka nihatra tamin'ny Desambra 2022.

Tahaka ny lalàna ao Rosia ihany, izay mametraka sazy henjana ho an'izay tsy nisoratra anarana amin'ny maha “olon'ny avy any ivelany” azy, ilay volavolan-dalàna napetraky ny parlemantera Zeorziàna dia mihevitra ihany koa sazy henjana.

Ny antoko eo amin'ny fitondrana ao Zeorzia anefa dia tsy mahita fitoviana mihitsy. Araka ny voalazan‘i Irakli Kobakhidze,  filohan'ny antoko Georgian Dream eo amin'ny fitondrana, ilay volavolan-dalàna dia “mifanaraka tanteraka” amin'ny fenitry ny zon'olombelona “mifanohitra amin'ireo mitovitovy aminay nataon'ny Amerikana [US Foreign Agents Registration Act] sy ny Rosiana.”  Tsy nanaiky izany ny Departemantam-panjakana Amerikana. Nandritra ny lahateny natao tamin'ny 15 Febroary, ny mpitondra tenin'ny Ned Price, nanambara fa “ireo fanambaràna milaza fa mifototra amin'ny FARA ny volavolan-dalàna Zeorziàna dia diso tokoa”.

Ilay volavolan-dalàna natolotra dia tonga volana vitsivitsy monja taorian'ny nangatahan'ny Vondrona Eoropeana tamin'i Zeorzia ny hanafainganany ireo fanavaozana mifanaraka amin'ny lisitry ny fepetra napetraky ny Vondrona Eoropeana. Araka ny tatitry ny RFERL, “ [tamin'ny Septambra], nilaza i Josep Borrell, lehiben'ny politikan'ny raharaham-bahiny ao amin'ny Vondrona Eoropeana fa mila manafaingana ny fanavaozana eo amin'ny sehatra toy ny fanjakana tàn-dalàna, ny fahaleovantenan'ny fitsarana, ary ny fahalalahan'ny haino aman-jery i Zeorzia alohan'ny hanomezana azy ny satan'ny kandidà ho mpikambana ao amin’ny Vondrona Eorôpeàna.”

Nandritra iny taona lasa iny, ny antoko Georgian Dream dia nitaty tsikera imasom-bahoaka noho ny fijoroany mangatsiatsiaka manoloana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina. Niatrika tsikera imasom-bahoaka ny governemanta eo amin'ny fitondrana taorian'ilay fananihambohitra noho ny tsy namoahany fanambaràna na tsikera mafy. Nisafidy ny tsy hanasazy an'i Rosia ihany koa ny firenena, raha toa kosa ny Praiminisitra Zeorziàna Irakli Gharibashvili tonga hatramin'ny fitsikerana ny famatsiana fitaovam-piadiana ho an'i Okraina. Hatramin'ny fananiham-bohitr'i Rosia ao Okraina, i Zeorzia dia nanjary “làlana mety tsara ho fampitàna fitaovana eo amin'i Rosia sy ny tontolo ivelany”. Nihamafy ny fifamatorana tamin'ny Janoary 2023, rehefa naneho fanantenana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sergei Lavrov, fa hiverina tsy ho ela ny sidina mampitohy ny firenena roa tonta, fanirina izay tsy ela dia naverina noraisin'ny antoko Georgian Dream eo amin'ny fitondrana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.