Nigorodana tao amin'ny media sosialin'i Taiwan ny faikam-baovao taorian'ny fitsidihan'i Pelosi Mpitondratenin'ny Antenimieran'i Etazonia

Tondroin'ny rindrambaiko mpandidy sary fa nasiana fanamboamboarana ny sary navoakan'ny PLA (tafi-bahoakam-panafahana). Sary avy amin'ny Taiwan Fact-check center.

Nanenika ny tambajotram-baovaon'i Taiwan ny faikam-baovao nialoha-nandritra-taorian'ny fitsidihan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena Nancy Pelosi tao Taiwan [mg].

Nandrahona [mg]  i Shina handray “fepetra an-keriny” misy “fiantraikany lalina” talohan'ny nanamafisan'i Pelosi ny diany, milaza fa manitsakitsaka ny fotokevitry ny Shina Tokana izao fitsidihana izao, politikan'i Shina milaza fa anisan'i Shina i Taiwan fa tsy fanjakana mahaleo tena. Nikambana tamin'ny Politikan'i Shina Tokana i Etazonia taorian'ny nisoloan'i Repoblika Entim-bahoakan'i Shina (PRC) ny toeran'i Repoblikan'i Shina (ROC) amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana azy tamin'ny taona 1971. Na izany aza, dia nitazona fifandraisana matanjaka “tsy ofisialy” hatrany amin'ny nosy i Etazonia, mampiasa fomba fijery manjavozavo ara-stratejika amin'ny fifandraisana rehetra amin'i Taiwan. Maro no mihevitra fa mametraka marika mivaingana kokoa amin'ny fanohanan'i Etazonia an'i Taiwan izao fitsidihan'i Pelosi izao.

Hatramin'ny namangiany, niraondraona tanteraka ny propagandy Shinoa manely ny fitantarana mpomba an'i Beijing.

Taorian'ny nandaozan'i Pelosi an'i Taiwan sy nanohizany ny diany nankany Korea sy Japana, dia nanomboka nanao fanazaran-tena miaramila amin'ny fandefasana balafomanga tena izy manodidina an'i Taiwan ny vondrona ara-miaramilan'i Shina, ny Tafi-Bahoakam-Panafahana (PLA).

Araka ny nolazain'ny Minisiteran'ny Fiarovana ao Japana, mitotaly sivy ny balafomanga natifitr'i Shina tamin'ny 4 aogositra. Balafomanga efatra no nalefa avy any amin'ny faritanin'i Fujian ao Shina mankany amin'ny faritra ara-toekarenan'i Japana manokana nanavatsava ny faritr'habakakabak'i Taiwan. Taorian'ny fandefasana ireo balafomanga ireo dia notohizan'ny PLA hatramin'ny 8 aogositra ny sidina ara-miaramila sy ny sarinady an-tsambo tao amin'ny andilan'i Taiwan.

Ankilan'ny fandrahonana ara-tafika, miaina ady ara-pampahalalam-baovao amin'ny alàlan'ny media sosialy koa ny vahoaka Taiwaney.

Maro no nanamarika fa enti-maneho izay vitany amin'ny fanafihana ara-balafomanga ny fanazarana ara-tafiky ny PLA ary ahafahany nametraka tokoa sakana iraisana manao ho lasibatra an'i Taiwan. Nilaza, ohatra, ny mpanolo-tsaina tsy miankina iray misahana ny fiarovam-pirenena, David Chen, fa anisan'ny fanomanana ara-miaramila ho vonona hanafika sy handresy ny fanazaran-tena ara-miaramila an'i Shina ary handresy tsy hiady. Ny tetika toy izany no mahatafiditra ny “operation domain cognitive na bemidina (hetsika ara-miaramila) mandona ny herin-tsaina”.

Araka ny nasongadin'ireo mpanara-maso ny haino vaky jery, anisan'izany ny China Digital Times sy ny China Media Project, kendren'ny governemanta Shinoa ny hanely sy ny hamolavola ny fomba fitantarana ny dian'i Pelosi tany Taiwan amin'ny fomba mahazatra sy amin'ny alàlan'ny media sosialy ikendrena mpanjohy manerana ny glaoby. Ankilan'ny fanamafisam-peo mampivoarahontsana sy ny fampitan-tsioka ireo fitantarana mankahala Etazonia sy mpomba an'i Shina Tokana, tahaka ny fanamarihan'i Roger Waters, mpiara-manorina an'i Pink Floyd, tsy te-hahalala ny tantaran'i Shina sy i Taiwan ao amin'ny Firenena Mikambana, dia azo inoana fa tafiditra ao anatin'ny “bemidina (hetsika ara-miaramila) mandona ny herin-tsaina” ny firohotan'ny vaovao sandoka ao amin'ny media sosialy ao Taiwan.

Nokendrena indrindra hanevatevana an'i Pelosi ireo vaovao sandoka nivezivezy tao Taiwan nialoha-nandritra-taorian'ny fitsidihan'i Pelosi, araka ny hita taratra tamin'ny tatitra fanamarinana zava-misy nosoratan'ny fikambanana roa voamarina ho IFCN ao Taiwan, ny Taiwan Fact-Check Center (TFC) sy MyGoPen, ho fanehoan-kery ara-miaramilan'i Shina amin'ny sarinady, anambaniana ny satan'i Taiwan.

Nisy maromaro ireo tantaram-baovao noforonina nivezivezy tao amin'ny media sosialy tamin'ny endrika fanehoan-kevitra an-dahatsary sy an-tsarin'i Nancy Pelosi talohan'ny nahatongavany tao Taiwan. Ireo tantara noforonina ireo, araka ny tatitry ny fitsirihana ny zava-misy nataon'i MyGoPen, dia nilaza fa nanintsana azy tamin'ny asany noho ny fampiasam-bolan'ny vadiny Paul Pelosi tamin'ny tsenam-bola ny miaramila amerikana. Iray amin'ireo loharanom-baovao noforonina ny fantsona YouTube (efa niaisotra amin'izao fotoana) iray miresaka raharaha miaramila sy politika, izay voafaritry ny manampahefana Taiwaney ho mifandray tendro amin'ny Antoko Komonista Shinoa (CCP).

Momba ny fahasalaman'i Nancy Pelosi sy ny fiarovana azy manokana indray ny tantara noforonina iray hafa. Tatitra iray noforonina nivoaka tamin'ny 30 Jolay tao amin'ny Weibo no nilaza fa naiditra hopitaly i Pelosi rehefa tonga tany Japana. Diso izany satria nanomboka ny diany i Pelosi tamin'ny 1 Aogositra ary tonga tany Japana tamin'ny 4 Aogositra. Tsy narary na nampidirina hopitaly mihitsy izy.

Tamin'ny 2 Aogositra, kaonty Twitter hosoka Japan Yahoo! (@Yqhoo_news) no nilaza fa voatifitra tao amin'ny andilan'i Taiwan ny fiaramanidin'i Pelosi. Araka ny fanadihadian'ny TFC, manana mpanjohy latsaky ny 50 ity kaonty Twitter naato amin'izao fotoana izao ity ary noforonina tamin'ny volana marsa. Na izany aza, naranty indray tany amin'ny sehatra media sosialy hafa ao Taiwan ny filazana noforomporoniny.

Sary sy horonan-tsary sandoka maro no nivezivezy mba ho aderadera ny tanjaka ara-miaramilan'i Shina amin'ny sarinady. Lahatsarin-mpanazaran-tafika any Taiwan tamin'ny taona 2020 no nalaina sy navezivezy tamin'ireo kaonty maro tao amin'ny Twitter sy Facebook ho porofon'ny hetsika ara-miaramilan'i Shina tany akaikin'ny Nosy Matsu ao Taiwan. Ny andian-tsary iray hafa indray nalaina tamin'ny fanazaran-tena ara-tafika tany Korea Avaratra tamin'ny taona 2017 mba hanehoana ny hery ara-miaramilan'i Shina nandritra ny fanazaran-tena koa.

Nahitana sary hosoka maro ihany koa ny loharanom-baovao ofisialin'i Shina. Voaporofo ny andian-tsarin'ny Eastern Theatre Command an'ny PLA fa nasiam-panamboamboarana. Tian'ny andian-tsary hotondroina fa niditra tao amin'ny fari-dranon'i Taiwan ny PLA. Na izany aza, araka ny tatitry ny fitsirihana ny fahamarinan'ny zava-misy ao amin'ny TFC, dia hitan'ny manam-pahaizana momba ny sary fa tsy mifanaraka ny habe, ny halavan'ny fantoka (focal) ary ny toe-bikan'ny zavatra ao amin'ny sary. Nanondro ny rindrambaiko mpanamarin-tsary fa be loatra ny fanamboamboarana natao tamin'iray amin'ireo sary.

Ankoatra ny famoromporonan-javatra, niely lavitra ny fanehoan-kevitra sandoka hanelezana ny fitantarana ara-politikan'i Beijing. Ohatra, Lee Sy-Duan, mpanao gazety Taiwaney iray malaza no nolazaina ho nanoratra ny fanehoan-kevitra niely be izay nidera ny fivoaran'i Shina haingana ary nanoritsoritra an'i Taiwan ho tsy matotra politika. Rehefa nipoitra ny fanehoan-kevitra tamin'ny taona 2021, dia nolavin'i Lee ny filazana fa izy no nanoratra ilay piesy, saingy nandritra ny dian'i Pelosi dia nipoitra indray tao amin'ny sehatra media sosialy Shinoa izany izay milaza an'i Lee indray ho nanoratra azy. Nivoaka voalohany tao amin'ny tranokalam-baovao anjotra, Storm Media, ny fanehoan-kevitra ary mitondra ny anarana Wang Chih-Hsiung, izay milaza ny tenany ho mpampianatra ao amin'ny Oniversiten'i Chicago.

Fanehoan-kevitra sandoka iray hafa, nolazaina fa nataon'ny Profesora Hwang Shaw-Hwa, no nilaza fa manandrana nampiasa ny CHIPS sy ny Lalàna momba ny Siansa i Etazonia hanerena ny indostrian'ny semiconductor any Taiwan hifindra any Etazonia. Nolavin‘i Hwang ny filazana fa izy no nanoratra an'io.

Nahasarika ny sain'ny manampahaizana manokana momba ny fiarovana ny firohotan'ny vaovao faikany ao Taiwan. Naneho hevitra ny seha-baovao ara-piarovana sy miaramilan'i Etazonia @DefenseOne fa natao hanimbana ny fifandraisan'i Etazonia amin'i Taiwan ny bemidina ara-torohay:

Raha nifantoka tamin'ny fitsidihan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena Nancy Pelosi tany Taiwan ny sain'ny iraisampirenena, dia nampiasa tranokalam-baovao sandoka sy kaonty media sosialy sandoka ny fanentanana fanelezam-baovao shinoa iniana disoana mba hanimbana ny fifandraisan'i Etazonia sy i Taiwan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.