Hitsidika an'i Taiwan ve ny Mpitondratenin'ny Antenimieran'i Etazonia Nancy Pelosi, na dia tery handrahona aza i Shina?

Sary avy amin'i Oiwan Lam

Nandrahona an'i Etazonia tamin'ny “fepetra henjana” sy “fiantraikany lalina” i Shina tamin'ny 19 Jolay taorian'ny tatitra nataon'ny Financial Times amin'ny fitsidihan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena Nancy Pelosi any Taiwan tamin'ny volana Aogositra. Tamin'ny taona 1997 no fotoana farany nitrangan'ny fitsidihana toy izany, dia nisy adihevitra mafana teo amin'ny media sosialy eran-tany mba hamaritana raha hitsidika ny nosy tokoa i Pelosi na tsia, raha naneho hevitra ny filoha amerikana Joe Biden fa tsy nanohana ny fikasana ataon-dramatoa ny miaramilan'i Etazonia.

Hitsidika sa tsia: olana ara-politika

Araka ny voalazan'i Derek J.Grossman, mpandinika ambony ara-piarovana ao amin'ny RAND Corporation, dia nametraka ny antoko rehetra tao anaty toe-javatra sarotra ny kinasam-pitsidihana:

Mametraka ny ankolafy rehetra amin'ny toerana sarotra ny fitsidihan'i Pelosi any Taiwan. Tsy maintsy nihetsika i Shina na ho very fahatokisana. Tsy hanaja an'i Etazonia i Taiwan raha mandà ny fitsidihana na atahorana hamaly faty ny PRC raha mitranga izany. Mitadyfihenjanana i Etazonia raha miroso ny fitsidihana, saingy toa miforitra amin'ny fitakian'ny PRC raha tsy izany.😩

Na dia nanoro hevitra aza ny sasany amin'ny tsy ihantsiana an'i Shina, dia mahazo fanohanana matanjaka avy amin'ny Kongresy Amerikana ny dian'i Pelosi any Taiwan. nanasongadina ny fiasan'ny politika ao an-toerana ilay mpanao gazety amerikana Michael Tracey:

Hahagaga anao ve ny mahafantatra fa nahazo tehaka mafy i Nancy Pelosi tamin'ny fivorian'ny American First Policy Institute izay tohanan'i Trump? Satria izay indrindra no nitranga, rehefa nanambara ny fanohanany ny diany ho any Taiwan i Newt Gingrich. “Midera an'i Nancy aho,”

Nanararaotra nanolotra fitsidihana miaraka amin'i Pelosi ny sekreteram-panjakana Etazonia teo aloha Mike Pompeo:

.@SpeakerPelosi. Nancy, handeha hiaraka aminao aho. Voarara ao Shina aho, fa tsy Taiwan tia fahafahana. Rehefa any mihaona!

Pelosi dia Nikasa hijanona tao Taipei i Pelosi tamin'ny volana avrily nandritra ny fitsidihany any Azia. Saingy nahemotra ny diany taorian'ny fitiliana azy ho tratran'ny COVID-19.

Ny tranga any Okraina sy i Taiwan

Nipoitra nandritra ny fitsidihan'ny filoha lefitry ny Parlemanta Eoropeana Nicola Beer tany Taiwan ny vaovaon'ny fitsidihany ho avy any Taiwan, izay fihetsika ara-diplaomatika ho setrin'ny fandrahonana ara-tafika ataon'i Shina amin'ny “hanambatra an'i Taiwan amin-kery” ao anatin'ny fananiham-bohitra Rosiana an'i Okraina:

Tsy maintsy manohana ny demaokrasian'i #Taiwan i #Eoropa, hoy ny mpanao lalàna ambony ao amin'ny Vondrona Eoropeana Nicola Beer tamin'ny talata teo am-piandohan'ny dia tany amin'ny nosy, nilaza ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina sy ny famoretana nataon'i Shina tao Hong Kong.

Nosoritsoritan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ao Taiwan ny fitsidihana ho fitsidihana ofisialy voalohany nataon'ny mpikambana ambony ao amin'ny andry mpanao lalàna ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Rehefa nihaona tamin'ny filoha Taiwan Tsai Ing-wen i Nicola Beer dia nanantitrantitra fa “ny vahoaka Taiwaney ihany no afaka manapa-kevitra ny amin'ny hoavin'ny Taiwaney.

Novelesin‘i Shina ho fanitsakitsahana ny politikan'ny Shina Tokana ny fitsidihana sy ny fanamarihan'i Beer.

Taorian'ny faharesena tamin'ny ady an-trano Shinoa (1927–1949), nandositra nankany Taiwan ny Kuomintang, antokon'ny fitondrana tao amin'ny Repoblikan'i Shina (ROC), ary nanangana ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina ao amin’ny tanibe (PRC) ny Antoko Komonista ao Shina (CPC). Tamin'ny taona 1971, nosoloin'ny PRC ny toeran'ny ROC ao amin'ny Firenena Mikambana, ary i Taiwan dia lasa fanjakana mizaka tena tsy manana fankatoavana ara-diplaomatika ofisialy eo ambanin'ny “Fotokevitra Shina Tokana”.

Hatramin'ny nandresen'i Tsai Ing-wen, kandidan'ny Antoko Demaokratika Liam-pandrosoana manohana an'i Taiwan mahaleotena (DPP), tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2015, dia nihamafy ny fifanolanana teo amin'i Shina sy i Taiwan. Maro no mino fa miandry fotoana fotsiny dia “hampiray aminy an’i” Taiwan amin’ny alalan’ny herin’ny tafika i Shina satria notabatabain'ny nasionalista anjotra ny hevitra sy ny fahitan'ny Filoha Shinoa Xi Jinping ny fikambanana amin’i Taiwan ho ampahany manan-danja amin’ny tondrozotran'ny fanavaozana an’i Shina.

Fanazaran-tena ara-piarovana any Taiwan ao anatin'ny fandrahonana miaramila

Raha oharina amin'ny Beer, ny fihetsik'i Pelosi dia avo lenta kokoa sy saimbôlika kokoa. Raha miroso amin'ny diany izy dia io no ho fitsidihana voalohany ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Amerikana tany Taiwan tao anatin'ny 25 taona.

Araka ny efa nampoizina, nandrahona “fepetra henjana” sy “vokany lehibe” i Beijing raha hanao ny fitsidihana izy. Nanombana i Hu Xijin, mpaneho hevitra nasionalista malaza ao amin'ny Global Times tantanin'ny fanjakana fa mety hiteraka hetsika ara-miaramila ny dia:

Raha tena sahy hitsidika an'i Taiwan izy dia ho zava-dozabe izany. Izy no ho fahavalo mampisaraka an'i Shina. Hisedra fitsidihana mampidi-doza izy. Hitàna andraikitra ara-tantara ihany koa izy amin'ny mety hisian'ny ady ara-tafika ao amin'ny andilan-dranomasin'i Taiwan.

Nahasarika akony maro tao amin'ny Weibo ny kabarim-pilankisa nasionalista. Maro amin'ireo Shinoa mpiserasera ao amin'ny tanibe no mihantsy an'i Pelosi hanao ny diany ary niantso ny governemanta Shinoa mba haneho ny heriny ara-tafika.

Nisy mpandinika vitsivitsy nitsinjo hetsika henjana ataon'i Xi Jinping noho ny firotsahany hihazakazaka ho amin'ny fe-potoana fahatelo tsy mbola nitranga mihitsy teo aloha amin'ny Kongresy Nasionaly faha-20 an'ny Antoko Komonista ao Shina. Nihena ny fanohanana an'i Xi Jinping noho ny valan'aretina COVID-19 sy ny politikan'i Xi zero-COVID izay nanimba ny toekaren'ny firenena. Mety ho fihaikana ny fahefany amin'ny maha-mpitarika nasionalista azy ny dian'i Nancy Pelosi.

Na izany aza, Taiwaney maro no tsy mandray ny fandrahonan'i Beijing ho zava-dehibe satria niaina tao anatin'ny fandrahonana an'i Beijing nandritra ny taona maro izy ireo. Ao amin'ny PTT forum malaza indrindra ao Taiwan, miendrika fanesoana ny fanehoan-kevitra momba ny fanamarihan'i Joe Biden hoe “tsy hevitra tsara”.

Brian Hioe, the blogger from News Bloom Mag also see China’s military attack as “unrealistic”: Brian Hioe, bilaogera ao amin'ny News Bloom Mag mahita ny fanafihaan'i Shina ara-tafika ho “tsy mipetraka amin'ny tany”:

Tena matotra? Hoy izy: “Hay, heveriko fa mihevitra ny miaramila fa tsy hevitra tsara izany amin'izao fotoana izao. Saingy tsy haiko hoe inona moa izany izao. ”

Manome fitokisana be loatra amin'ny fiheverana tsy mitombina fa hanafika an'i Taiwan i Shina ao anatin'ny fotoana fohy – anisan'izany ny fitsidihan'i Pelosi.

Naneho ny fanohanany ny fitsidihan'i Pelosi ny governemanta Taiwaney, ka nanao fanazaran-tena ara-piarovana tamin'ity herinandro ity mba hanoherana ny tsindrin'i Shina:

Manatontosa ny fanazaran-tena ara-piarovana lehibe indrindra fanao isan-taona i Taiwan amin'ity herinandro ity mba hanamafisana ny fiomanana amin'ny ady eo anivon'ny fitomboan'ny fandrahonana ara-miaramila mitombo avy any Shina.

Any Taipei, vao naneno ny kiririoka dia takiana ny mponina hamonjy fialofana.

Andro faha-2 niarahan'ny #HanKuang38th #ROCNavy sy ny #ROCAF niasa tamin'ireo bemidina hanoherana ny vanja milevina, ny fiarovana an'habakabaka, ny fiarahana an-tsambo mpisitrika mpiady ary ny hetsika fanoherana eny an'habakabaka.Natao ny fanazaran-tena hitadiavana izay tokony hohatsaraina mba hananan'ny Tafik'i ROC fahafahana hiaro ny tanindrazantsika.

Satria hotanterahina amin'ny faran'ity herinandro ity ny fihaonana an-tampony virtoaly eo amin'i Joe Biden sy ny filoha sinoa Xi Jinping, dia manantena fiovana amin'ny minitra farany amin'ny fikasan'i Pelosi ny sasany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.