Bahreïn : kintan'ny fanatanjahantena vaovao, Ruqaya Al Ghasra

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2008)

Fahenina izy nandritra ny fifanintsanana ary efa vita ny nofinofiny ho tonga vehivavy Arabo voalohany avy ao amin'ny Helodranao handray anjara amin'ny lalao famaranana Olaimpika fa saingy azo antoka fa nahasarika ny sain'ny mpisera aterineto ilay mpanao hazakazaka avy ao Bahreïn Ruqaya Al Ghasra.

Sarotra ny fanombohana ka nahatonga ny fihitsanany tamin'ny hazakazaka 200 metatra, izy izay nitondra ny sainan'i Bhareïn nandritra ny lanonam-panokafana, fa saingy zava-dehibe kokoa ho an'ny vehivavy Arabo sy Miozolomana an'aliny sy ireo lehilahy manerantany noho ny medaly volamena ny fandraisany anjara niaraka tamin'ny hijab.

Nanao izao fanambarana manaraka izao i Maytha, tao amin'ny bilaogy Kabobfest rehefa tafakatra tamin'ny fifanitsanana voalohany i Ruqaya Al Ghasra, miakanjo hatrany an-doha ka hatrany am-paladia:

Je sais que ce n'est qu'une victoire aux éliminatoires, sans importance, mais ce moment va avoir une grand impact sur les Bahreïni, les Arabes, les femmes et les hommes musulmans, sans distinction, elle a déjà servi et va servir à ouvrir une occasion de dialogue dans cette région, et également chez nous.

Fantatro fa fandresena fotsiny ihany amin'ny lalao fifanintsanana izao, tsy zava-dehibe, fa saingy hisy fiatraikany lehibe amin'ny Bahraini, Arabo, vehivavy sy lehilahy Miozolomana, tsy an-kanavaka ity fotoana ity, efa nanokatra izy teo aloha ary mbola hanokatra fotoana hanaovana fifanakalozan-kevitra amin'ity faritra ity sy any an-tanindrazana ihany koa.

Mbola nanohy i Maytha hoe:

Je vais vous dire pourquoi j'adore regarder les Jeux Olympiques dans des lieux publics quand des athlètes arabes participent. Cela me donne l'occasion d'ajouter de la complexité à la vision limitée qu'ont les téléspectateurs de la réalité sociale, politique et culturelle du Moyen-Orient.

Holazaiko aminao ny antony hitiavako mijery Lalao Olaimpika any amin'ny toerana ho an'ny daholobe rehefa mandray anjara ny atleta Arabo. Vao mainka manasarotra ny fahatakarana voafetra ananan'ny mpijery ny zava-misy eo amin'ny lafiny sosialy, politika ary kolontsaina ao Afovoany Atsinanana izany.

Ho an'ny A Moro in America, bilaogin'ny Maraokana iray monina any Etazonia, porofo ny fahombiazan'i Ruqaya fa afaka mampifanaraka ny zava-misy amin'ny fiainana maoderina sy ny fomba amam-panao ny tanora. Nitsikera an'i Maraoka izy aloha noho ny fanilihana ilay Maraokana Rashid Ramzi, izay nahazo ny medaly volamena tokana ho an'i Bahrain nandritra ny lalao olaimpika tamin'ny hazakazaka 1500 metatra.

Deux coureurs de Bahreïn se sont démarqués des autres aujourd'hui par leurs brillantes prestations à Pékin.  Rashid Ramzi , né au Maroc, et expulsé de l'équipe nationale du Maroc après sa blessure, a fait d'une pierre deux coups. Il a remercié l'état de  Bahreïn, la nation qui a pris en charge ses soins médicaux, lui a offert un emploi au Ministère de la Défense, et a remboursé de leurs dépenses les officiels de l'athlétisme marocain qui l'ont jeté dehors et cessé de lui verser son salaire de 50 dollars par mois.

La seconde star de Bahreïn est Roqaya al-Ghassra, qui n'a pas seulement attiré l'attention par son “hijhood” (contraction de hijab et hood, capuche) , dessiné par le créateur libanais-australien Zaniti – qui avait déjà lancé le bikini “Burqini” – mais qui s'est aussi qualifiée pour les demi-finales du 200 mètres. Si cette petite sucess-story peut enseigner quelque chose aux nations arabes, c'est peut-être qu'une politique d'immigration sélective peut apporter de grands talents ([Ramzi]. Et que l'innovation et la créativité sont de grands atouts pour concilier tradition et vie moderne chez les jeunes Arabes  [Hijhood, Al-Ghassra].

Mpihazakazaka roa avy any Bahrain no niavaka tamin'ny hafa androany tamin'ny fampisehoana mahafinaritra tao Beijing. Rashid Ramzi, teraka tany Maraoka, ary nesorina tamin'ny ekipam-pirenena Maraokana taorian'ny ratra nahazo azy dia nahatratra zava-bita roa indray mipoaka. Nisaotra ny fanjakan'i Bahrain izy, firenena nandoa ny saran'ny fitsaboana azy, nanolotra asa ho azy tao amin'ny Ministeran'ny Fiarovana, ary nanonitra ireo tompon'andraikitra mpikarakara ny atletisma Maraokana izay nandroaka azy sy tsy nandoa intsony ny  karamany 50$ isam-bolana.

I Roqaya al-Ghassra no kintana faharoa avy any Bahrain, izay tsy vitan'ny hoe nahasarika ny saina fotsiny ihany noho ny fitafiana “hijhood”, noforonin'ilay Libaney-Aostraliana Zaniti – izay efa namorona ny bikini “Burqini” ihany koa- fa sady tafakatra dingana manasa-dalana tamin'ny 200 metatra. Mety hisarika olona manatalenta ([Ramzi] ny politikan'ny fifindra-monina voafantina raha nahazo fianarana avy amin'ity fahombiazana ity ny firenena Arabo. Ary zava-dehibe ny fanavaozana sy ny famoronana izany hampifanarahana ny fomban-drazana sy ny fiainana maoderina eo amin'ireo tanora Arabo [Hijhood, Al -Ghassra].

Nanokana lahatsoratra ho an'i Ruqaya Al Ghasra eto ny bilaogy Modest and Beautiful, bilaogin-tsary natokana ho an'ireo vehivavy manao fitafiana malaza hijab.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.