Antso hisian'ny hetsika amin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny mpifindra monina: Atsaharo ny asa an-terivozona, avereno indray ny masoivohon'ny mpiasa

Asakanton'i Mariam A., fampiasàna nahazoana alàlana.

Nabaribarin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin'ny baolina kitra natao tany Qatar indray ireo tena zavamisy momba ny zavatra sy fepetra iainan'ireo mpiasa mpifindra monina ; nipongatra ireo tantaram-pamonoana, fandratràna sy fepetran'asa mampidi-doza niainan'ireo izay nandray anjara tamin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa nentina nankalaza ilay hetsika.

Novinavinain'ny gazety britanika The Guardian ho nisy 6.500 ireo mpiasa mpifindra monina no maty tato anatin'ny folo taona farany, nanomboka tamin'ny nanolorana ny fiadiana ny ho tompondaka erantany. Ity tatitra ity dia misarika ny saina indrindra indrindra ho amin'ireo olana goavana mifamatotra amin'ny fanararaotana ireo mpiasa mpifindra monina, ataon'ireo mpampiasa, na fanjakana izany, na ny tsy miankina ihany koa.

Na izany aza, ny tsindrimpeo napetraka tamin'ireo mpiasa nandray anjara tamin'ny asa fanorenana dia nahatonga ny tsy fahitàna teny amin'ny fanehoankevitry ny vahoaka ny vondrona iray hafa manana ny lanjany : ireo mpiasa an-trano mpifindra monina. Ireo mpiasa avy any atsimo sy atsimo-atsinanan'i Azia ary Afrika no mandrafitra ny efa ho 17% amin'ireo mpifindra monina miisa 41,4 tapitrisa ao amin'ireo firenena any amin'ny Gôlfa, ny ankamaroany dia eo amin'ny sehatry ny asa an-trano no mahita asa. Qatar  fotsiny no efa ahitàna 1,8 tapitrisa amin'ireny mpiasa ireny.

Ny Andro Erantany ho an'ny Mpifindramonina dia fotoana iray mety hanaovana fangatahana handravàna ireny olana ara-drafitra ijoroan'ny fanararaotana atao amin'ny mpiasa ireny no sady hisarihana ny saina ho amin'ny famerenana indray ny masoivohon-dry zareo.

Ny rafitra Kafala dia rafitra fitantanana ny fifindramonina mifototra amin'ireo fepetra fampanaovana asa an-terivozona, izay mandrindra ny fifanarahana asan'ireo mpifindra monina any amin'ny ampahany lehibe indrindra amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, afa-tsy Iràka. Ampifamatorin'ilay rafitra ny asa sy ny fepetra fifindrana monina ho an'ireo mpiasa, ary ny fahalalahan'ireo mpiasa hivezivezy, izay mampiely ny asa an-terivozona sy mamotika ny asan'ny masoivohon'ireo mpiasa.

Ny Kafala no ohatra lafatra indrindra itarafana ny rafitra fanomezana fahazoandàlana feno fanararaotana sy teritery  izay mitantana ny asa vonjimaika na mifamatotra amina toejavatra hafa, mahatonga ny fisiana toedraharaha tahaka ny fanondranana an-tsokosoko (famarotana) ireo mpifindramonina.

Notondroin'ny Global Alliance Against Traffic in Women (GAATW) – fikambanana erantany miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny vehivavy – ireo endrika fanararaotana sy fepetran'asa an-terivozona avelan'ny fisian'ilay rafitra feno fanararaotana sy teritery hahazo vahana any amin'ireo firenena toa an'i Etazonia, ohatra.

Eo ambanin'ilay rafitra Kafala, azo roahana ireo mpiasa mandao ny asany tsy nahazo alàlana vita soratra avy amin'ny mpampiasa azy ireo. Mijanona ho miankina tanteraka amin'ireo mpampiasa azy ihany koa ireo mpiasa raha hanavao ny fahazoandàlany, izay manafoana ny zony hamaritra izay toerana tiany hiainana na hiasàna. Midika izany fa kely ny fahafahan'ireo mpiasa hihetsika mba hahitàna safidy hafa hialàny amin'ny karama na fepetran'asa tsy mendrika. Fanampin'izany, matetika ireo mpiasa no iharan'ny halatra karama, ny tsy fandoavana karama ary ny fanaovana asa tafahoatra tsy ahazoana fialantsasatra isan-kerinandro na ireo fotoana fiatoana mahazatra mandritry ny andro.

Anatina toejavatra marobe, eo am-pahatongavana dia giazan'ireo mpampiasa ny antontan-taratasy mombamomba ny tena, toy ny pasipaoro, ary feperany ny fahafahana mampiasa telefaona ka mampikatso ny fifandraisana tamin'ny fianakaviana, izay mangeja mafy tokoa ny fahaleovantenan'ireo mpiasa. Amin'ny toetoetry ny asany ataon-dry zareo any an-tokantranon'ireo mpampiasa azy dia ireo mpiasa an-trano no tena marefo.

Manoloana ny kolontsain'ny tsimatimanota manodidina ny fanararaotana tahaka izany sy ny fanenjehana ho nanao heloka bevava atao an'ireo mpiasa « mandositra » ny tranon'ireo mpampiasa azy, dia tsy manana tamberin'andraikitra mihitsy na kely aza ireo mpampiasa.

Ny fanadihadiana iray teny ifotony notontosain'ny Egna Legna, fikambanana iray ivondronan'ireo mpiasa mpila ravinahitra, izay ny foibeny dia ao Libanona, dia nahita fa ny 68% amin'ireo mpiasa efa ho arivo nofantenana avy amin'ireo mpiasa an-trano ao amin'ilay firenena no farafaharatsiny nisedra toedraharaha niainana fanorisorenana ara-nofo. Ireo mpampiasa no ankamaroany (70% amin'ireo tranga voatatitra), fa misy ihany koa ireo namana sy olona ao anatin'ny ankohonan'ilay mpampiasa (40%).

Sakanana ireo mpiasa tsy ho afaka hanatona fitsaràna, amin'izy ireny dia misy vitsivitsy ireo mpiasa izay namaly ilay fanadihadiana no efa nanatona ireo mpampihatra lalàna kanefa dia noroahana na nilazàna mba hitandrina na handositra mihitsy. Ny fanararaotana mihoa-pampana, nefa zara raha ahitàny fanohanana avy amin'ireo manampahefana eo an-toerana, fanampin'ny fanokanana azy tsy hifandray amin'ireo fianakaviana, dia misy fiantraikany henjana amin'ny fahasalamana ara-tsain'ireo mpiasa : olona marobe tamin'ireo nohadihadiana no nihevitra ny handratra tena na hamono tena.

Zavamisy iray hafa manaitra ny finoanoampoana sy ny fanararaotana atao an'ireo mainty hoditra mpifindramonina. ireo mpiasa mpila ravinahitra avy amin'ny faritra afrikàna no mitatitra amintsika hoe mizaka endrika herisetra isankarazany ry zareo, ara-batana, amin'ny fitenenana ary ara-pananahana, ary tsy tapaka izany raha mitaha amin'ireo mpiasa avy amin'ny firenena hafa.

Mitàna anjara toerana amin'ny fitomboan'ny faharefoan'ireo mpiasa ihany koa ny rafitra fifindramonina any amin'ny firenena niaviany. Ao Etiopia, ohatra, voaràra ny fandefasana mpiasa an-trano ho any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, na dia mbola manohy manangona sy mampiantrano azy ireny amin'ny fomba tsy ara-dalàna aza ireo mpandefa mpiasa. Voatery miditra amin'ny fakàna fahazoandalana hitsidika, araka izany, ireo mpiasa  te-hiditra any amin'ireo firenena ao amin'ny Gôlfa, ary mijanona ela kokoa noho izay fe-potoam-piasany voalaza ;  izay mametraka azy ireo hiharan'ny fanararaotana goavana ataon'ireo mpanangona mpiasa, mpampiasa ary ireo manampahefana ao an-toerana.

Manamarika ny GAATW fa ny fametrahana ireo pôlitika mamepetra ny fahafaha-mivezivezin'ireo vehivavy ho toy ny fanamarinana entina mampihena ny fanondranana olona, dia manosika ireo mpiasa hitodika any amin'ny làlan'ny tsy ara-dalàna mba hifindràna monina. Ho an'ireo vehivavy mpila ravinahitra, ny fifindramonina dia afaka manome tsy fiankinan-doha, satria ny safidim-pivelomana noraisin-dry zareo tany amin'ny firenena niaviany dia mety ho voafetra vokatr'ireo fenitra ankapobeny sy singa hafa. Ilaintsika ny fisiana rafitra mpiaro ny mpiasa, mihoatra lavitra noho ireo rafitra izay mikendry ny hampitsahatra ny fifindramonina mihitsy.

Qatar no lasa firenena voalohany nanisy fanovàna ny rafitra Kafala tamin'ny 2020, ka tanjona tamin'izany ny hampihenana ny fangejàna tanteraka ananan'ireo mpampiasa amin'ny fepetra apetraky ny lalàna amin'ireo mpiasa mpila ravinahitra ao amin'ny firenena. Alohan'ny hifindràny asa na hialàny amin'ny asany, tsy voatery intsony hahazo sertifikà famotsorana avy amin'ny mpampiasa azy ireo mpiasa ao Qatar, raha mbola mitoetra kosa izany ho an'ireo any amin'ny firenena hafa.

Ireo fanavaozana dia nametraka ihany koa ny karama farany ambany ho an'ireo mpiasa rehetra, izay mametraka an'i Qatar ho lasa firenena faharoa ao amin'ny Gôlfa, aorian'i Kôety, manana fepetra momba ny karama farany ambany. Tamin'ny 2017, lany tao amin'ny firenena ihany koa ny lalàna iray mifehy ireo mpiasa an-trano, miaraka amin'ireo andàlana momba ny fifanarahana asa, ny ora fiasàna ary ny fisotroan-dronono.

Kanefa, araka ny nanipihan'ny Federasiôna Iraisampirenen'ireo Mpiasa an-Trano azy, mbola tsy manjary ny fampiharana ireny lalàna sy fanavaozana ireny : mihoatra ny antsasak'ireo fangatahana hiova asa no mbola midona amina fandàvana. Nandefa antso tamin'ny governemantan'i Qatar  ilay sendikà mba hiasàny miaraka amin'ireo vondrona mpiasa mpila ravinahitra hahafahana mampihatra ireny fanavaozana ireny.

Ny fikambanan'ny mpiasa no iray amin'ireo fitaovana fototra ho entina manapaka ireo tsingerin'ny fanararaotana sy ny fampisarahana amin'ny fianakaviana. Ireo sendikà sy ireo fikambanana tsy ara-dalàna misy ireo mpiasa dia nahavita nanamafy ny toerany raha ny rafitra Kafala kosa mandà izay rehetra mety ho fananganana fikambanana. Mbola tsy vitan'ireo sendikà ny misoratra sy mahazo ireo zo hifampiresahana miaraka na eo aza ny fahatsiarovan-tsaina eny anivon'ny samy mpiasa sy ireo fanomezana ny tolotra fototra tena ilainy, toy ny fisoloana tena ara-dalàna sy ny fiatrehana ny krizy. Any amin'ny ankamaroan'ireo firenena ao amin'ny GCC sy ny rafitra marobe momba ny lalàna manerana izao tontolo izao, voahilika tsotra izao tsy ao anatin'ny rafitry ny lalàna momba ny asa sy ny fiarovana sôsialy ireo mpiasa an-trano.

Misy ireo làlana sy fitaovana mazava hamerenana ny masoivoho sy ny fahamendrehan'ireo mpiasa.

Voalohany indrindra, ny fanavaozana sy ny fanafoanana ny rafitra Kafala dia ilaina mba hamahàna ny fepetra fifindramonina ao anatin'ny fepetra momba ny asa. Tsy maintsy ampidirina ao anatin'ny rafitry ny lalàna nasiônaly ireo mpiasa an-trano, miaraka amin'ny fiarovana sahaza hahazoana ny karama farany ambany, ny ora ary ireo fepetra iasàna sy ny fiarovana sôsialy.

Ireo mpiasa an-trano dia tsy maintsy ihany koa atao hita ao anatin'ny lalàna nasiônaly momba ny sotasota ara-nofo, toy ilay lalàna 205 ao Libanona, izay vao nankatoavina tsy ela akory mba hiarovana ny mpiasa amin'ny herisetra any amin'ny toeram-piasàna, saingy izany tsy manome antoka fanampiny hiantohana ny fiarovana ireo mpiasa an-trano.

Ny dingana faharoa amin'ilay fanavaozana dia tokony hifantoka amin'ny fifindramonina any amin'ireo firenana niaviana, ao anatin'izany ny fanesorana ireo fandraràna feno fanavakavahana amin'ny resaka fifindràna monina, ireo fandaharanasa fampiatiana natao ho an'ireo mpiasa miverina mody sy ny fanaovana sonia ny fifanarahana iombonana mba hiarovana ny zon'ireo mpiasa.

Ireo fitakiana hafa azo raisina dia ny fanampiana ireo mpiasa iharan'ny fanararaotana, mandalo amin'ireo masoivoho eo an-toerana any amin'ny firenena niaviana, sy ny fidirana amin'ny fitsaràna amin'ny alàlan'ireo manamboninahitry ny pôlisy nofanina momba ny resaka lalànan'ny asa .

Zavadehibe ny fankatoavana ireo fenitra iraisampirenena momba ny fifindramonina, isan'izany ny  fifanarahana tamin'ny 2014 momba ny asa an-terivozona tamin'ny 1930 sy ny Fifanarahana 189 momba  ireo mpiasa an-trano ary ny 190 momba ny fanafoanana ny herisetra sy ny fanorisorenana.

Ambonin'ny zavatra rehetra dia takian'ireny fanavaozana ireny ny fialàna amin'ireo rafitry ny fifindramonina mikendry ny hanasazy fotsiny ireo mpiasa mandositra ireo fepetra ara-toekarena manimba, ka lasa mamonjy ireo rafitra mampiroborobo ny làlana azony antoka ho amin'ny fifindramonina tsara antoka sy mamerina ny asan'ny masoivohon'ny mpiasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.