Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Maneho Hevitra Momba Ny Vono Olona tao Virginia Tech Ny Tontolon'ny Bilaogy Maraokana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Andro vitsivitsy lasa izay, nitodika tany amin'ny vono olona tao Virginia Tech ny mason'izao tontolo izao; nanamarika ny tontolon'ny bilaogy Maraokana amin'ny fiezahana ataon'ny Fox New amin'ny fampifandraisana ny Islam amin'ilay lehilahy nitam-basy tao Virginia Tech.

Bo18, bilaogera am-pielezana Maraokana, nilaza hoe: “Mety nahatsikaritra izany ianao. Namorona rohy tsy misy dikany teo amin'ny Silamo sy tifitra variraraka ny Fox News.”

Ny Fox News, ao amin'ny lahatsoratra voalaza etsy etsy aloha, dia milaza fa “nanakona ny teny hoe” ISMAIL AX “tao anatin'ny sandriny iray i [Cho Seung-Hui], izay mety ho filazana ny tantara Islamika momba ny sorona nataon'i Abrahama voalaza anaty baiboly.”

Tezitra ireo bilaogera sasany fa tsy nisy ny fifantohana tamin'ny fanampiana ireo fianakaviana niharam-boina sy ny oniversite mba handroso. Milaza i Myrtus ao amin'ny bilaoginy hoe, “… afaka mifantoka amin'ny fizotran'ny fanasitranana ve isika azafady?” Hoy izy avy eo: “Tsy misy dikany ireo tombatombana ratsy rehetra sy ny fanomezana tsiny ho an'ireo tompon'andraikitry ny anjerimanontolo, ho an'i Amerika, ho an'ny polisy, ary lasa lavitra hatrany amin'ny fampifandraisana ny vono olona amin'ny Silamo raha hilaza ny kely indrindra!.”

Tsy gaga tamin'ny zava-nitranga ity ny bilaogera hafa antsoina hoe Eatbees, nilaza izy fa “Tsy mahagaga ahy intsony ireo mpamono olona any Amerika, satria zava-misy ara-kolontsaina mipoitra hatrany. Tsy misy afaka mandà fa manana kolontsain'ny herisetra isika, manana tanana mihoso-drà amin'ireo mpivahiny masina nankany Fallujah. “

Mamintina azy tsara ilay bilaogera Laila Lalami : “Mitady antony tsy misy dikany tamin'ny fihetsik'i Cho ny olona, raha ny fanazavana tsotra – mandra-pahazavan'ny hetsika mahatsiravina toy izany – izay voalaza fa tovolahy marary saina i Cho, ka tokony tsy nahazo basy mihitsy. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.