Fialan'ny tafika Amerikana any Niger: iza tokoa moa i Boubacar Touré, politisiana ao Nizera

Base militaire américaine au Niger

Sarin'ny toby miaramila Amerikana any Niger; Pikantsarin'ny YouTube de Radio France Internationale (RFI).

Mbola manamarika ny fiainana andavanandron'ny firenena ny fiantraikan'ny fanonganam-panjakana nitranga tany Niger tamin'ny 26 Jolay 2023. Taorian’ny fialàn'ny tafika Frantsay tamin’ny volana desambra 2023, anjaran’ny miaramilan'i Etazonia indray no nangoron'entana araka ny fangatahan’ny miaramila eo amin’ny fitondrana.

Tamin'ny 16 martsa 2024, nomelohin'ny fahefana tao Niamey tao anaty fanambaràna iray ny fifanarahana fiarahamiasa ara-tafika nosoniavina tamin'ny taona 2012 teo amin'ny fireneny sy i Etazonia. Teny am-bava tsotra fotsiny izay napetrak'i Washington samirery tamin'i Niamey izany araka ny filazan'ny manampahefana ao Niger.

Taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny volana jolay 2023, nitsangana ny Filankevi-pirenena ho fanavotana ny tanindrazana  (CNSP) tarihin’ny kolonely Abdourahamane Tchiani. Nambaran'io andrim-panjakana io ankehitriny fa tsy ara-dalàna ny fisian'ny tafika amerikana ao amin'ny tanin'i Nizera ka notinaky ny fialàna madio sy tsotra izao ao amin'ny toby amerikana ao an-tanànan'i ‘Agadez, any avaratry ny firenena.

Mariky ny fivoaran'endrika ara-jeopolitika ao amin'ny kaontinanta ity kihon-dalana eo amin'ny fifandraisan'i Niamey sy Washington ity. Hita tamin'ny 12 Aprily 2024 tokoa ny Fahatongavan’ireo miaramila Rosiana mpampiofana avy amin'ny Africa Corps ao Niger handray anjara fampiofanana ireo miaramilan'i Nizera amin'ny fampiasana teknolojiam-baovao ho an'ny tafika. Ny Africa Corps napetraka eo ambany fifehezan'ny governemanta Rosiana no misolo ny vondrona mitam-piadiana tsy miankina Wagner, foana hatramin'ny nahafatesan'ny mpitarika azy Yévguéni Prigojine.

Mampiseho ny fiantsonan'ny fiaramanidina Rosiana iray mampidina entana ity horonan-tsary avy amin'ny Tv5monde ity:

Ao anatin'ity tontolon'ady mangatsiaka vaovao ity, nanomboka niresaka tamin'i Niger i Etazonia tamin'ny 23 Aprily 2024 mikasika ny fanesorana tanteraka ny tafiny ahitana miaramila arivo.

Mba hahatakarana bebe kokoa izany fiovana ara-jeopolitika izany, nifandray tamin'i Boubacar Touré, lehilahy mpanao politika Nizeriana, sekretera jeneralin'ny Sendikan'ny Herim-bahoaka sy Demaokratika (Sawaba UDFP-SAWABA) sady filoha teo aloha ny tanora mpitarika ao Niger tamin'ny alalan'ny Whatsapp ny Global Voices. Nohazavainy ny ao ambadik'ity fisarahana ity sy ny tsapan'ny mponina amin'izao vanim-potoanana taorian'ny fanonganam-panjakana izao.

Jean Sovon (JS) : Taorian’i Frantsa, anjaran’i Etazonia ny niala tao Niger. Ahoana no hanazavanao izany fisarahana izany izay miteraka elanelana eo amin'i Washington sy Niamey ankehitriny?

Boubacar Touré (BT) : Je voudrais rappeler pour la compréhension de tous que depuis les évènements du 26 juillet 2023 qui ont vu l’avènement du Conseil national pour la sauvegarde de la patrie (CNSP) au pouvoir au Niger, la relation entre le Niger et les USA n’a pas obéit à la même posture que celle d’avec la France. En ce sens que les États-Unis ont attendu plus d’un mois avant de qualifier les événements de coup d’état.  Ensuite plusieurs rencontres d’échanges de haut niveau se sont déroulées pour accorder les points de vue.  Mais l’insistance des Américains à dicter des limites au Niger dans le choix de ses partenaires au détriment de sa souveraineté a fini par produire le communiqué du 16 mars demandant le départ des troupes américaines du Niger. Ce même communiqué à révélé l’absence de base juridique à cette présence américaine au Niger, et donc son illégalité.

Ce n’est donc pas une rupture mais la décision d’un état souverain de mettre fin à une présence illégale et non profitable selon le même communiqué, chose qui ne peut créer un fossé entre les deux états.

Boubacar Touré (BT): Tiako ny mampahatsiahy mba ho takatry ny rehetra fa hatramin'ny zava-nitranga tamin'ny 26 Jolay 2023 izay nahitana ny fitsanganan'ny Filankevi-pirenena ho Fiarovana ny Tanindrazana  (CNSP) teo amin'ny fitondrana tany Niger, tsy mitovy amin'ny fifandraisan'i Niger amin'i Frantsa ny fifandraisan'i Niger amin'i Etazonia. Satria niandry iray volana mahery i Etazonia vao nanambara ny toe-draharaha ho fanonganam-panjakana. Maro avy eo ireo fifanakalozan-kevitra amin'ny sehatra ambony fampitoviana tadin-dokanga. Saingy niafara tamin'ny famoahana fanambaràna tamin'ny 16 martsa nitaky ny hialan'ny tafika amerikana ao Niger ny fizirizirian'ny Amerikana hametra safidy amin'i Niger amin'izay ho mpiara-miombon'antoka aminy ka manohintohina ny fiandrianam-pireneny. Navoakan'io fanambaràna io ny tsy fisian'ny fototra ara-pitsarana amin'ny  fijoroana Amerikana ao Niger, izany hoe ny tsy maha ara-dalàna azy.

Tsy misy noho izany, araka ny fanambaràna, ny fisarahana fa fanapahan-kevitry ny fanjakana iray manana ny fiandrianany hampitsahatra ny fijoroana tsy ara-dalàna sy tsy mahasoa, tsy hanampy trotraka ny elanelana eo amin’ny fanjakana roa tonta.

Boubacar Touré

Sarin'i Boubacar Touré; Sary Olouwa, nahazoana alalana

JS: Ahoana no fiheveran'ny daholobe ny fanapahan-kevitra toy izany?

BT : L’opinion publique nigérienne a bien évidemment accueilli cela comme une victoire sur l’impérialisme américain. Depuis 2012 que ces forces se sont installées chez nous, sous le prétexte de la lutte contre le terrorisme, le peuple est toujours resté perplexe et à dénoncer maintes fois l’inutilité de cette présence massive. On se rappelle des différentes manifestations et déclarations des organisations de la société civile et même des partis politiques de l’opposition pour fustiger l’installation des bases militaires étrangères. Les nouvelles autorités en mettant fin à cette présence illégale ont répondu à une demande populaire de toujours.

BT: Mazava ho azy fa noraisin'ny vahoakan'i Nizera ho ny fandresena manoloana ny imperialisma Amerikana izany. Hatramin’ny taona 2012 no nivoanjoan'ireo tafika ireo teto, amin'ny lazaina fa ady amin'ny fampihorohoroana, sanganehana hatrany ny vahoaka ary nanameloka imbetsaka fa tsy ilaina izao fijoroana (miaramila vahiny) betsaka izao. Tsaroana ireo fihetsiketsehana sy fanambaràna isan-karazany nataon’ny fikambanan’ireo fiarahamonim-pirenena eny fa na hatramin'ny antoko politika avy amin'ny fanoherana aza mba hanakiana ny fametrahana toby miaramila vahiny. Namaly ny fitakiam-bahoaka efa hatry ny ela (noho izany) ireo manampahefana vaovao, tamin'ny fampitsaharana ity fijoroana tsy ara-dalàna ity.

Roa andro taorian'ny nahatongavan'ny tafika Rosiana, tamin'ny 14 Aprily 2024, nisy ampahany tamin'ny mponina nitondra ny fanohanany ho an'ny miaramila tamin'ny alalan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fisian'ny tafika amerikana. Araka ny asehon'ity tatitra an-dahatsary  avy amin'ny media Africanews ity:

Vakio: Resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao politika, Boubacar Touré momba ny fanonganam-panjakana nanjera ny filoha Bazoum

JS: Noroahina ny Tandrefana ho tombotsoan'ny Rosiana ao Mali sy Burkina Faso, mpikambana ao amin'ny Fiaraha-mientan'ny Firenen'i Sahel (AES). Afaka manatsoaka hevitra ve isika fa manaraka ny fifanarahana avy amin'ny AES i Niger?

BT : Consigne ? Non ! l’Alliance des États du Sahel (AES) est une alliance voulue, pensée et créée par des états jaloux de leur souveraineté et désirant sortir des classiques des organisations régionales existantes avec une volonté à terme de se constituer en fédération.

Je nous appelle donc à regarder ce bouleversement géostratégique dans un autre angle que celui du mépris qui veut que ça soit le changement d’un maître pour un autre, comme si nos états sont condamnés à toujours être au service d’un maître.

Quand plus d’une décennie après l’installation des militaires occidentaux avec tous les moyens technologiques dont ils peuvent disposer, l’insécurité qui était alors cantonnée au nord du Mali finit par gagner le reste du pays et même s’installer dans les pays voisins, nos États étaient en droit de faire le constat de l’échec de cette collaboration et de vouloir essayer d’autres. C’est cela qui fonde le rapprochement avec la Russie qui produit déjà des résultats comme la libération de Kidal au Mali entre autres.

Le Niger est préoccupé à défendre son territoire et disposé à coopérer avec tous les pays du monde dans le respect de sa dignité et de sa liberté. Pour le moment la Russie a démontré sa disponibilité à accompagner le Niger sur ce chemin en lui offrant les moyens techniques et de la formation. Le Niger ne se fait pas prier pour saisir l’opportunité d’un partenariat sincère.

BT: Fifanarahana? Tsia! firaisankina nirìna, nosainina ary novolavolain'ireo fanjakana sarotiny amin'ny fiandrianam-pireneny ny Alliance des États du Sahel (AES) ary maniry ny hiala amin'ny fahazaran'ireo fikambanana isam-paritra mijoro ary manana faniriana maharitra hanangana federasiona.

Koa miantso antsika aho mba hijery ity fikorontanana ara-jeostratejika ity amin’ny lafiny hafa fa tsy amin’ny fanambaniana hoe maniry ny hiova tompo hafa, toy ny hoe tsy maintsy hanompo tompo iray hatrany ny fanjakantsika.

Folo taona mahery taorian'ny fametrahana ny miaramila tandrefana manana ny fitaovana ara-teknolojia rehetra eo am-pelatanany, nahazo fielezana tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena, ary niorina mihitsy any amin'ny firenena manodidina aza ny tsy fandriampahalemana izay nifatratra tany avaratr'i Mali teo aloha, nanan-jo ny Fanjakana hanamarika ny tsy fahombiazan'ity fiarahamiasa ity ary te hanandrana zavatra hafa. Izany no fototry ny fifanatonana amin'i Rosia izay efa nahitana vokatra toy ny fanafahana an'i Kidal ao Mali sy ny hafa.

Sahirana amin'ny fiarovana ny faritaniny i Niger ary vonona ny hiara-hiasa amin'ny firenena rehetra maneran-tany ao anatin'ny fanajana ny fahamendrehany sy ny fahafahany. Amin'izao fotoana izao, naneho ny fahafahany hanohana an'i Niger amin'ity lalana ity i Rosia amin'ny fanomezana azy ireo loharano ara-teknika sy fiofanana. Tsy hianahana i Niger hanararaotra ny fiaraha-miasa tsy misy fitaka.

JS: Inona avy ireo tranga maharitraritra amin'ny fiovana stratejika toy izany ao amin'ny faritra? Miverina amin'ny Ady Mangatsiaka ve izany? Sa fananganana vondrona vaovao?

BT : Les luttes de positionnement des puissances mondiales ne nous intéressent pas, n’intéressent pas les États du Sahel. ,C'est plutôt la survie de nos États et la sécurisation de nos populations qui préoccupent et guident les décisions de nos autorités.

Certainement dans les semaines à venir de façon opportuniste, l’ennemi tentera des actions de désespoir pensant surfer sur un vide mais je peux vous garantir que nos forces répondront énergiquement de façon à émousser leur ardeur.

A court terme nous entrevoyons un basculement du rapport de force sur le terrain au profit de nos forces grâce aux nouvelles acquisitions aériennes et terrestres, une montée en puissance favorisée par une meilleure marge de manœuvre opérationnelle et un rétablissement de la sécurité de façon progressive dans la zone.

BT: Tsy mahaliana anay Fanjakana Sahel ny ady toerana ifanaovan'ireo firenena matanjaka eran-tany. Ny fahaveloman'ny firenenay sy ny fiarovana ny vahoakanay no manahirana sy mitarika ny fanapahan-kevitry ny manampahefana ao aminay.

Azo antoka fa amin'ireo herinandro hoavy hanararaotany, hanandrana hanao hetsika famoizam-po ny fahavalo, hihevitra fa mivezivezy ao amin'ny banga izy ireo, saingy manome antoka anareo aho fa hamaly amim-pahavitrihana ny tafikay mba hanakanana ny hafanam-pony.

Ao anatin'ny fotoana fohy isika hahita ny fivadihan'ny fifandanjan-kery eny ifotony ho tombontsoan'ny herinay noho ny fahazoana fitaovana an'habakabaka sy an-tanety vaovao, fitomboan-kery atosiky ny fahafaha-manao zavatra sy famerenana tsikelikely amin'ny laoniny ny filaminana ao amin'ny faritra.

Manaporofo ny fiovàna stratejika ao amin'ny faritr'i Sahel ny fialàn'ny Amerikanina any Niger izay efa iharan'ny fanerena any Tchad. Izany ve no fiafaran'ny vanim-potoana lavabe nanjakazakan'ny tandrefana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.