Bilaogera Afgàna Tezitra Tamin'ny Andian-tantara Tamin'ny Fahitalavitra Iraniana

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2007 ity adika eto ity)

Nitaraina momba ny tantara mitohy Iraniana ao amin'ny Channel 3, Char Khoone, izay mampiseho mpilalao Afgàna ho masiaka be ny masoivoho Afgàna ao Iran. Naneho hevitra momba izany vaovao izany ireo Afgàna maro ka hatramin'ny bilaogera Iraniana.

Dialogue 3, bilaogera Afgàna, nilaza hoe:

Since the beginning of the summer Iranian TV has aired a series named Char Khonneh every night. Sehat Sroush , the series’ director does not have any filmmaking experience. At the beginning, this series did not have a large audience, but then the director created a new characters in order to make people laugh. Some of these characters are Afghans and their names are Shanbeh (means Saturday) and Charshanbeh (means Wendesday).

Hatramin'ny fiandohan'ny fahavaratra, nandefa tantara mitohy antsoina hoe Char Khonneh isan-kariva ny fahitalavitra Iraniana. Tsy manana traikefa amin'ny famokarana sarimihetsika i Sehat Sroush, talen'ny tantara mitohy. Tany am-piandohana, tsy dia nahazo mpijery ity tantara mitohy ity, saingy namorona mpilalao vaovao ny tale mba hahatonga ny olona hihomehy. Ny sasany amin'ireo mpilalao ireo dia Afghana ary Shanbeh (midika hoe Asabotsy) sy Charshanbeh (midika hoe Alarobia) ny anaran'izy ireo.

Nilaza ireo bilaogera fa manevateva ny olona Afghana amin'ny esoeso ara-kolontsaina ny fahitalavitra Iraniana. Nilaza ohatra tahaka ny Afgàna miantso ny zanak'izy ireo amin'ny anarana andron'ny herinandro ny Dialogue 3, miteraka fifankahalana eo amin'ny samy firenena Miozolomana fa tsy firaisankina, ary manondro ny tetikasan'ny manampahefana Iraniana izay nanome anarana izany toy ny taonan'ny “Firaisankina eo amin'ny samy Miozolomana”.

Nilaza [Fa] ny Heratblog fa mirehareha ho voalohany nanohitra ity tantara mitohy ity izy. Nanjary lohahevitra mafana teo amin'i Iran sy Afghanistan ity olana ity. Mankasitraka ireo Iraniana nanohitra ity tantara mitohy ity ihany koa ilay bilaogera. Nilaza izy fa miresaka amin'ny lantom-peo tsy hitanao ao Afghanistan i Shanbeh, mpilalao Afghana amin'ny fandaharana izay manao hafetsena be dia be. Nilaza koa ilay bilaogera fa ny valinteny sahaza ho an'ny TV Iraniana dia ny mizara ny filma 300, izay manevateva ny Iraniana, ary mandefa izany ao amin'ny fantsona rehetra miisa 13 ao Afghanistan.

Nilaza [Fa] kosa ilay mpanao Gazety Afghana fa tsy zava-baovao ny fanevatevana ny Afghana amin'ny fampahalalam-baovao Iraniana, saingy niharatsy kokoa izany hatramin'ny nanombohan'ny governemanta Iraniana  nandroaka faobe ireo Afghana mpitsoa-ponenana. Nilaza ilay bilaogera fa mampiseho ny tsy fahaiza-miasan'ny TV Iraniana izany, izay tsy ahafahan'ny olona tena tia famoronana maneho ny heviny, ary vitsy kokoa izany olona manan-talenta manatontosa fandaharana maniratsira foko hafa izany.

Datum of Freedom, bilaogera Iraniana iray koa nilaza [Fa] hoe: “Tsy fantatro ny antony mahatonga an'i Shanbeh miteny amin'ny lantom-peo Afghana, tsara kokoa raha niteny Persianina izy satria ny toetra lalaoviny mpanararaotra dia Iraniana fa tsy Afghana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.