Tantara tamin'ny 20 Jona 2017
Iran: Tetikasa Cheetah sy Sabalan Mahafinaritra
Misarika ny masontsika amin'ny sary mahafinaritra misy ny tenndrombohitra Sabalan ao avaratra-andrefan'i Iran ilay bilaogera malaza mpaka sary Mohammad Darvish. Fomba tsara hanombohana ny herinandro sy manohy mandrakotra ny feon'izao tontolo izao.
Fitantarana Manokana: Fandriampahalemana Afovoany Atsinanana 2007
Nibahana tamin'ny lohatenim-baovao iraisampirenena nandritra ny dimampolo taona mahery ny Resaka Afovoany Atsinanana. Anjaran'ireo mpiserasera ao amin'ny faritra ankehitriny ny mampiseho ny fomba fijerin'izy ireo ny zava-mitranga mikasika ny fiainan'izy ireo, ny fiarovana sy ny fitonian'ny firenena izay onenan'izy ireo.
Costa Rica: Ny Fahatongavan'i Shina
Inona no dikan'ity fifandraisana ara-politika sy ara-barotra vaovao ity? Nahoana i Costa Rica no niala tamin'ny fifandraisana ara-politika 60 taona tamin'i Taiwan mba hanomboka fifandraisana vaovao amin'ny goavan'ny varotra ao Aziatika, Shina?
Jordania: Lehilahy, Vehivavy ary Ankizy Vita amin'ny Ranomandry
Mafana ny fifaninanana eo amin'ireo bilaogera Jordaniana izay mifaninana ho voalohany amin'ny fanamboarana ranomandry lehilahy sy vehivavy ka nahatonga ny bilaogera iray hiantso fampitsaharana. Amin'ny Aterineto mihisatra manerana ny Afovoany Atsinanana dia tsy mahagaga ho an'ny bilaogera ao Jordania ny mizara ny famoronany any an-kafa.
Egypta: Niforona Ny Vondrona Manohitra Fitokonana Ao Amin'ny Facebook
Mba hiodinana amin'ny sivana, niantehitra mafy tamin'ny fitaovan-tserasera ireo mpikatroka ao amin'ny tontolo Arabo handefasana hafatra, ary namaritra ilay antsoiny hoe ny barofon'ny fanjakana amin'ny olon-tsotra. Naparitaka tao amin'ny vondrona Facebook ny teny momba ny fitokonana tamin'ny herinandron'ny 6 Aprily tao Egypta izay nahasarika mpikambana mihoatra ny 71.200 hatreto ...
Hanao Ahoana ny Fifandraisan'i Etazonia sy Aostralia Taorian'ny Esonteny Nataon'i Malcolm Turnbull an “ilay Donald”?
Ilay zokiolona amin'ny fanaovana gazety ara-politika Aostraliana, Laurie Oakes, no loharano niporitsahan'ilay rakipeo misy ilay fanesonesoan'ny PM Malcolm Turnbull ny filoha amerikana Donald Trump, nandritra ny fandihizana antenantenan'ny ririnina fanao ao Canberra
Londra, Karaiba: Lokon'ny Karnavaly Ao Notting Hill
Fetibe tsy ivohan'ny Banky volana Aogositra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, izay midika ho andro mibaliaka masoandro, mahafinaritra eny an-kalamanjana - sy Karnavaly Notting Hill, karnavaly lehibe indrindra amin'ny endrika Karaibeana any Eoropa ary iray amin'ireo fetiben'ny fahavaratra lehibe indrindra na aiza na aiza.
Sary sy Lahatsary Mampiseho Ny Fandringanana Goavana Tao Marawi Faritra Miady Any Filipina
"Mitomany aho noho ireo olon-tsotra rehetra novonoina tsy nananana antra , mitomany noho ireo tranon'ny vahoakako rava," hoy ny Ben'ny Tanàna ao Marawi nanoratra .
Mirehitra i Gresy
Efa rentsika rehetra amin'ny vaovao amin'izao fotoana izao fa nirehitra i Gresy. Tonga tao amin'ny tanàna fahiny Olympia ny afo, toerana nahaterahan'ny Olaimpika sy misy ny Mozea Olaimpika, izay mampiantrano ireo angona vakoka fahagola (arkeolojika) lehibe indrindra ao Gresy.
Bilaogera Afgàna Tezitra Tamin'ny Andian-tantara Tamin'ny Fahitalavitra Iraniana
Nitaraina momba ny tantara mitohy Iraniana ao amin'ny Channel 3, Char Khoone, izay mampiseho mpilalao Afgàna ho masiaka be ny masoivoho Afghàna ao Iran. Naneho hevitra momba izany vaovao izany ireo Afgàna maro ary koa ireo bilaogera Iraniana.