Iran: Ny Zavakanto Hiarovana Hetsi-panoherana

(Marihina fa tamin'ny 25 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy, mariho ihany koa fa vao nahavita fifidianana indray ny tao Iran ary voafidy indray Ato Rouhani, ny hetsika ato amin'ity lahatsoratra ity kosa indray dia ho fanoherana ny nahanian'Atoa Ahmadinejad tamin'izany fotoana izany)

Namolavola sary sy sariitatra mba hanaingona ny zavakanto ho an'ny hetsi-panoherana Iraniana mitohy izay nanomboka taorian'ny valin'ny fifidianana  filoham-pirenena ny 12 Jona ireo  bilaogera sady olom-pirenena mpanakanto an-tserasera   .

Koa satria nitohy ny fihetsiketsehana manohana ny fanafoanana ny valim-pifidianana, dia nitohy toy izany ihany koa ny famoretana nataon'ny governemanta tamin'ireo olom-pirenena mpanao fihetsiketsehana. Mandritra izany fotoana izany, naheno vaovao momba  ny teny filamatra sy ny niharam-boina tamin'ny hetsi-panoherana izao tontolo izao noho ny mediam-bahoaka.

Lego Fish,  bilaogera, mpanaingo mpanao haibika sy mpanao sariitatra, manolotra anao:

artpo31

VoteFor Iran,  tranonkala any Holandy izay sady mamoaka  mediam-bahoaka no fampitam-baovao mahazatra momba ny krizy Iraniana, manolotra anao:

artpo4

Mampiseho an'i Neda, ilay zatovovavy iray voatifitra sy maty tao anaty hetsi-panoherana, tahaka ny anjely taorian'ny fahafatesana i Nik Ahang Kosár, mpitarika ny mpanao sariitatra sady bilaogera an-tserasera, raha nilaza ilay mpamono olona tao anatin'ity sariitatra ity hoe: ‘Fahadisoanao izany! ‘.

car_2009_24june

Ity misy famoronana ho an'i Neda tao amin'ny Facebook-n'i Aslan :

artpo21

Sary izay voalaza fa nozarain'ny olom-pirenena teny an-dalamben'Iran ihany koa ity ohatra farany eto ambany ity, ary milaza hoe “Tsara Andriamanitra  – Ratsy ny lainga,  ratsy ny basilava, ary ratsy ny bala “.

artp1

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.