Tantara tamin'ny 26 Mey 2017
Ny Zavakanto Shiliana Amin'ny Alàlan'ny Bilaogy
Nahita ny fomba hampidirana ny asany ao Shily sy any amin'ny tsena vaovao tamin'ny alàlan'ny bilaogy ireo mpanakanto Shiliana. Bilaogy iray manana ny fifantenana ny mpanakanto Shiliana maoderina ny Bitacora del Artista (ES)...
Zeorzia: Ny Fahamaroam-Piterahana Masina!
Nitombo 20 isan-jato ny taham-piterahana ao Zeorzia ary nahazo tombontsoa tamin'izany ny Eglizy Ortodoksa ao amin'ny firenena. Ny fampanantenana nataon'ny mpitarika fiangonana Zeorziana amin'ny fanaovana batisa ireo zaza vao teraka no tompon'andraikitry ny fahagagana tamin'ity baby boom nilaina fatratra tao amin'ny firenena Kristianina iray ity. Toa nahagaga ireo bilaogera izany
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Ejypta: Lehilahy Bilaogera Ejypsiana Manafatra “Hymen” Tsy Voajanahary
Marobe ireo fanehoan-kevitra momba ny hymen virijiny tsy voajanahary - nividy iray tamin'izany ilay lehilahy bilaogera Ejypsiana Mohamed Al Rahhal. Mitantara antsika ny tantara i Marwa Rakha
Diaspora* sy ny Rindrambaiko Malalaka Hafa Hita Amin'ny Teny Occitan, Noho Ny Asan'ireo Mpandika Teny An-tsitrapo
Tsy tiako rehefa manapa-kevitra ny olona fa ny fiteny iray dia manan-danja kokoa noho ny hafa. Raha ny hevitro, mitovy toy ny manaraka ny fiteny rehetra.
Iran: Ny Zavakanto Hiarovana Hetsi-panoherana
Namolavola sary sy sariitatra mba hanaingona ny zavakanto ho an'ny hetsi-panoherana Iraniana mitohy izay nanomboka taorian'ny valin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jona ireo bilaogera sady olom-pirenena mpanakanto an-tserasera
Egypta: Nisy Vidiny Ihany Ny Tolon'ny Mpanatontosa Sarimihetsika
Afaka hijery ny sarimihetsik'i Ibrahim El Batout Ein Shams [Ar] (Mason'ny Masoandro) ho toy ny sarimihetsika Egyptiana ihany ny farany ireo mpijery sarimihetsika Egyptiana amin'ny faran'ity volana ity taorian'ny tantaran'ny sivana.lava. Mitondra ho antsika ny tantara i Nermeen Edrees.
Ny Bilaogy ‘Untranslatable / Tsy Mety Adika’, Mikosoka ireo Voambolana Tokan'ireo Fiteny Madinika
Fantatrao ve ny dikan'ny hoe "vakasteglok" avy amin'ny fiteny Mwotlap? Ary manao ahoana ny momba ny "kwadi" avy amin'ny fiteny Hunsrik ?
Ny Fomba Namolavolan'ny Sary Ny Fitantaràntsika Ny Ady Tany Vietnama
Resadresaka momba ny ady sy ny fampielezankevitra niarahana tamin'ny iray amin'ireo mpakasary malaza indrindra erantany tamin'ny Adin'i Vietnam
Kambodza : Azo Atao ny Manao Fihetsiketsehana, Saingy Ao Anatin'ny Zaridainan'ny Fahafahana Irery Ihany
[amin'ny teny anglisy ireo rohy] Vaovao tsara: efa azon'ireo Kambodziana atao amin'izao ny mikarakara fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana tsy arahin'ny tahotra ho voakorontan'ny polisy amin'ny fomba feno herisetra. Vaovao ratsy:...