Nanakana Ny Fampitam-baovao Tsy Miankina I Azerbaijan (Ary Miaiky Izany)
Tany am-piandohan'ity volana ity nandrava ny fahazarana amin'ny fiainana andavanandro ny Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Serasera ary ny Teknolojia ao Azerbaijan tamin'ny fanatanterahana ny didim-pitsarana manakana ireo sehatra fampahalalam-baovao manan-danja tsy miankina , anisan'izany ny tranonkala amin'ny aterineto miisa telo sy fahitalavitra amin'ny zanabolana miisa roa.
Tsy milaza akory izany fa hoe tsy nanakana tranonkala ny Minisitera talohan'izay fa saingy tsy mbola niaiky izany fotsiny izy ireo. Nandà ny tatitra mikasika ny fanakanana ny manampahefana tahaka ny tany amin'ny fanjakana mpanao didy jadona hafa tao amin'ny firaisana sovietika teo aloha toa an'i Kazakhstan [mg] sy i Tajikistan [mg].
Voakasiky ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin'ny 12 May ny azadliq.info, ny sampan-draharahan'ny Onjam-peo Free Europe Radio Liberty Azerbaijani ; ny zoro fampitam-baovaon'ny mpanohitra ao berlin Meydan.TV ; ary ny fantsona fahitalavitra amin'ny zanabolana Turan TV sy Azerbaijani Saadi (Ora Azerbaijan ).
5 websites in #Azerbaijan have been blocked officially.
— Rovshan Mammadli (@MammadliRovshan) 12 мая 2017 г.
Tranonkala miisa 5 tao #Azerbaijan no voasakana ofisialy.
UPDATE: Azerbaijan: Opposition and independent news websites blocked https://t.co/QyEoeVbD3H#mediafreedom#ECPMF#mapmf
— Index on Censorship (@IndexCensorship) 11 мая 2017 г.
VAOVAO:Azerbaijan:nosakanana ny tranonkalam-baovaon'ny mpanohitra sy ny tranonkalam-baovao tsy mainkina
Azerbaijan blocked 5 leading news websites as part of crackdown on independent voices https://t.co/rNsRMZ9vFf@RSF_EECA@IRFS_Azerbaijanpic.twitter.com/lgOGaezO85
— IFEX (@IFEX) 4 мая 2017 г.
Nanakana tranonkalam-baovao lohany miisa 5 i Azerbaijan izay ao anatin'ny famoretana ny fampitam-baovao tsy miankina.
Nilaza ny mpampanoa lalànam-panjakana fa “mampidi-doza” ny filaminam-pirenena ao Azerbaijan ireo tranonkala ireo, ary niampanga azy ireo ho mizara votoaty mampiroborobo ny herisetra, ny fankahalana, ny ekstremisma, ary manitsakitsaka ny fiainana manokana sy mifono fanendrikendrehana izany.
Saingy tsy mifanaraka amin'izany famaritana izany ny lahatsoratra vao haingana navoakan'ny Onjam-peo Azadliq . Manasongadina ny tantara momba ny tahan'ny famonoan-tena , ny hetsi-panoheram-bahoaka , ary ny raharaham-barotra ataon'ilay filoha lefitry ny Orina mpanasoa tsy miankina iray Mehriban Aliyeva ao Azerbaijan ny pejin'ny tranonkala amin'izao fotoana izao, ary nanatsikafona ny fanambarana vaovao momba ny fanodikodinam-bola izay ataon'ny havan'ny filoha sy ireo olona manodidina azy.
Ankoatra izany ,tsy manakana ireo loharanom-baovao fotsiny ihany ny didim-pitsarana. Azo ampiasaina hanenjehana ireo mpiasan'ny seha-baovao noho ny fanakorontanana ny filaminana mitovy amin'izany ihany koa izy ity ary antony hanakanana azy ireo .
Ny sehatra fampitam-baovaon'ny mpanohitra abzas.net no tranonkala lasibatry ny manampahefana vao haingana iray hafa. Tamin'ny volana Aprily, nilaza tamin'ny Meydan.TV i Ulvi Hasanli, toniandahatsoratra fa nahatsikaritra olana tamin'ny fidirana aminy ny toniandahatsoratry ny tranonkala sy ny mpamaky nanomboka tamin'ny volana Martsa tamin'ity taona ity .
Nanomboka taoriana kelin'ny nampidiran'ny parlemanta ao Azerbaijan ny fanitsiana ny lalàna momba ny “Serasera, ny Fanomezam-baovao sy ny Fiarovana ny Fampahalalam-baovao” sy ny lalànan'ny fifandraisandavitra ny olana tamin'ny fidirana .
Nanasongadina ny fanafihana nomerika fanampiny natao tamin'ireo mpanao gazety, mpikatroka sy mpiaro ny zon'olombelona ao Azerbaijan ny tatitra tamin'ny antsipirihany izay navoakan'ny Amnesty International:
We documented a series of spearphishing attempts using a custom malware agent that has targeted critics of the Azerbaijani government over at least thirteen months. The recent samples of the malware are consistent with independent reports of an increase in the compromise of social media accounts of activists. The victims and targets identified, as well as the political theme of bait documents, indicate that the campaign is largely targeting human rights activists, journalists, and dissidents. This campaign also aligns with findings by VirtualRoad.org in their report, “News Media Websites Attacked from Governmental Infrastructure in Azerbaijan”, which links some of the same network address blocks with “break-in attempts” and “denial of service attacks” against several independent media websites
Nahita andianà andrana fanjonoana lahatahiry amin'ny alàlan'ny fampiasana ny rindran-tsompatra mahazatra izay mikendry ireo mpitsikera ny governemanta Azerbaijani izahay efa ho telo ambin'ny folo volana izay fara fahakeliny. Mifanaraka amin'ny tatitra tsy miankina momba ny firoboroboan'ny fifanarahana eo amin'ny kaontin'ny mpikatroka ao amin'ny media sosialy ny santionany vao haingana tamin'ny rindran-tsompatra. Mampiseho ireo lasibatra sy ireo zavatra kendrena , ary ny lohahevitra ara-politika misy ny tahirin-kevitra fandrika fa mikendry ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety, sy ny mpanohitra ny fanentanana amin'ny ankapobeny . Ity fanentanana ity ihany koa dia mitandahatra amin'ny fahitan'ny tatitra nataon'ny VirtualRoad.org , “Tranonkalam-baovao Lasibatry ny Fotodrafitrasan'ny Governemanta ao Azerbaijan”, izay mampifandray ireo bolongana tambajotra mitovy sasany amin'ny “ezaka fanapahana” sy ny “fanafihana fandàvana tolotra” atao amin'ny tranonkala fampitam-baovao tsy miankina maro.
Tato anatin'ny andro vitsivitsy, nitatitra olana momba ny fahazoana antso iraisampirenena amin'ny alalan'ny Skype sy ny WhatsApp ireo mpisera ao Azerbaijan.
Nə whatsappla danışmaq olur, nə skypela. Bunlar da bloklandı?
— Tural Aghayev (@turaltaghayev) 13 мая 2017 г.
Tsy afaka miresaka amin'ny WhatsApp, na Skype mihitsy. Moa nosakanana ihany koa ve izany?
Nisy ny olana tamin'ny fahazoana antso iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny Whatsapp sy Skype tato anatin'ny andro vitsivitsy. Toy ny tsy manam-bola i Aliyevs, lany vola ny mpandraharahany ara-pinday .
Efa 5 andro izao no tsy afaka manao antso amin'ny Whatsapp. Toa tsy maintsy nanao izany izy ireo noho ny antony ara-piarovana, kanefa mbola afaka atao mora foana ny manao antso amin'ny alàlan'ny famelan-kafatry ny Facebook. Mety nanadino ny momba ity iray ity angamba izy ireo.
Eny, tahaka izany hatrany nandritra ny dimy andro. Tsy afaka miresaka rehefa mahazo antso iraisampirenena iray. Izany no zavatra iray efa navelantsika ary nalain'izy ireo ihany koa. Enga anie Andriamanitra hanafay azy ireo. Tsy mieritreritra afatsy ny hanapim-bava sy handrahona ny olona izy ireo .
Nanolotra vahaolana haingana mba hialana amin'ny fanakanana i Hebib Muntezir, iray amin'ireo mpanorina ny Meydan TV izay efa voasakana tamin'ny fomba ofisialy ankehitriny :
Azo ialana amin'ny alalan'ny fampiasana VPNs ny olana tsy maharitra [hatreto] amin'ny fidirana amin'ny Skype sy ny WhatsApp .
Tsara homarihina fa mampiantrano ny Lalaon'ny Firaisankina Islamika i Azerbaijan amin'izao fotoana izao, hetsika iraisampirenena izay nanomboka tamin'ny 12 May, andro izay nandidian'ny fitsarana ny fanakanana ny tranonkala ary hitohy mandra-pahatongan'ny 22 May. Manana endrika lalao Olaimpika ny fifaninanana izay misokatra ho an'ny firenena Miozolomana rehetra, ary atleta miisa 3000 avy amin'ny firenena miisa 50 no nandray anjara tamin'ity taona ity.
Nisioka tamim-pireharehana ny Komity Nasionalin'ny Lalao Olaimpika Azerbaijan hoe:
Our ceremony tonight is a universal story of a peace rooted in the culture and traditions of #Azerbaijan🇦🇿pic.twitter.com/jwNpK08wix
— NOC Azerbaijan (@NOCAzerbaijan) May 12, 2017
Tantara manerantany mandala ny fandriampahalemana miorim-paka amin'ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon'i Azerbaijan ny lanonantsika androany alina.
Ny famoretana ny fitsikerana amin'ny asa fanaovan-gazety sy ny sivana amin'ny aterineto: ireo no tena fomban-drazana matanjaka indrindra ao Azerbaijan ankehitriny .
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...