Mbola Bahanan'i Tajikistan Hatrany ilay Tambajotra Sosialy Rosiana Malaza

Screenshot of the main page of Odnoklassniki. The Russian social network has been blocked for the last week in Tajikistan.

Dikasarin'ny pejy fandraisan'ny Odnoklassniki. Voabahana tao Tajikistan nandritra iny herinandro lasa iny ilay tambajotra sosialy Rosiana.

Mafy tànana amin'ny fameperana ny Aterineto any aminy ireo manampahefana Tajik, amin'ny fibahanana matetika ireo tranonkala mamoaka votoaty misy fanakianana. Mizaka ny toy izany koa ny media sosialy — samy im-betsaka voabahana, na ny YouTube,na ny Facebook, tato anatin'ny taona vitsy. Ny 9 Jolay, voasakana indray ny YouTube, ary mbola mitohy hatramin'izao. Saingy vao haingana, iray amin'ireo tambajotra sosialy malaza ao amin'ny firenena, ny Odnoklassniki, no sambany mba voasakana.

Tambajotra Rosiana ny Odnoklassniki, ary teratany maherin'ny 300.000 avy ao Tajikistan no nisoratra anarana ao. (Mba ho fampitahàna, 60.000 monja manerana ny fanjakana any Azia Afovoany no misoratra ao amin'ny Facebook). Ampiasain'ny Tajiks marobe ny Odnoklassniki mba hifandraisany amin'ireo fianakaviany nandeha niasa nitady ravinahitra any Rosia. Ny 18 Jolay, hitan'ny sasany tamin'ireo mpampiasa ilay tambajotra fa nobahanana ny fahafahana miditra amin'izy io. Taty aoriana kely, nanamafy ny sasany tamin'ireo mpanome tolotra Aterineto fa nobahanan-dry zareo ny fidirana aminy, saingy tsy nolazainy ny antony.

Asomiddin Atoev, lehiben'ny fikambanan'ireo mpanome tolotra aterineto any Tajikistan, nilaza tamin'ny mpanao gazety fa bahanan'ireo mpanome tolotra ny tranonkala rehefa naharaisany didy avy amin'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fifandraisana, ary hoe amin'izao androntsika izao, dia maka ny endrika am-bava ireny didy ireny. Kanefa, ireo solontenan'ny mpanome tolotra, tarihan’ingahy Beg Sabur mangidy hoditra, mandà ho tsy tafiditra amin'ilay resaka fanakànana

Raha mbola tsy mazava hatreto ireo anton'ny fanakanana, mino kosa ireo manampahaizana sy mpisera amin'ny aterineto fa misy ifandraisany amin'ny hetsik'ireo mpanohitra izany, ary azo eritreretina ho ireo Silamo hiringiriny.  i Mahmuddzhon Ismail mpampiasa Odnoklassniki, nilaza tamin'ny Radio Ozodi, sampan'ny Radio Free Europe amin'ny fiteny Tajik hoe :

Ҷавонони тоҷик, ки дар Сурия ҳастанд, наворҳои худро дар ин ҷо нашр мекарданд. Тамоми гурӯҳҳои ифротӣ бо забони тоҷики фикру ақидаҳои худро дар «Одноклассники» нашр мекунанд. Аз вақте, ки Ютюб баста шуд, дигар ҳама аз ин ҷо истифода мекарданд. Ин ҷавонони ифротӣ бисёр ҳарфҳои нохуб мегуфтанд, ки фикр мекунам, ки ба дигар ҷавонон бетаъсир набуд. Тахмин мекунам, ки ба ҳамин хотир ин шабака маҳдуд шудааст.

Alefan'ireo bandikelin'i Tajikistan miady any Siria ao ny lahatsarin-dry zareo. Mampiasa io tambajotra io daholo ny vondrona “extremistes” rehetra mba hanapariahana ny fotokeviny amin'ny fiteny Tajik. Vantany vao nobahanana ny Youtbe, nifindra nankany amin'ny Odnoklassniki ry zareo. Heveriko fa tena nanefy ny sain'ny tanora ry zareo ireo. io raha ny finoako no antony nanakànana ilay tranonkala.

Fahiny, betsaka ny fanapahankevitra noraisin'ny governemanta Tajik, noho ny fitiavantenany, mba hanakànana tambajotra maro sy tranonkala fizaràna lahatsary, isan'ireny ny lahatenin‘ny filoha Emomali Rahmon nandritry ny fampakarambadin'ny zanany lahy, izay nitarika ny fibahanana ny Youtube, sy ny tsilo tsy mety afaka manjo ny Platforma, vondrona iray manana mpanjohy 15.000 ao amin'ny Facebook izay manakiana ny governemanta sy manandratra ireo mpitarika ny mpanohitra.

Nefa hatramin'ny teo aloha kely teo, tsy nojerena ho toy ny mpitondra tenin'ny mpanohitra ny Odnoklassniki. Iray mpampiasa azy i Mihalich, nandray ilay fibahànana tamin'alahelo :

В чём [Зло Одноклассников]?? В общении с друзьями по всему миру,возможность смотреть фото друзей и т.д, в этом зло)))))??? Всё правильно,нужно как и раньше ходить на почту отправлять телеграмму и ждать ответ или письмо месяц))))))) И далой скайп!!!! На фиг это лёгкое общение,вернёмся к голубиной почте!!!!!

Inona [no fahotàna nataon'ny Odnoklassniki]?? Ny mifandray amin'ireo namana manerana izao tontolo izao, ny fahafahana mijery ny sarin'ireo namana, sy ny sisa – fahotàna va re zany)))))??? Izay izany, tsy maintsy mandeha manatona biraon'ny paositra ianao, toy ny tany aloha, mandefa telegrama dia miandry iray volana vao maharay valiny))))))) Dia adaboka koa ny Skype! Ho amin'ny inona izany no hilàntsika an'io fifandraisana mora io e? Ndao rangahy hiverina amin'ny fanirahana voromailala a !!!!!

Ny hafa, toa an'i Bekor, misaintsaina momba ity efa toa lasa fomba fanao ankehitriny amin'ny fanakànana tranonkala ao Tajikistan ity, sy ny hoe inona no lazain'ny fomban-drazana momba ny governemanta:

Маразм крепчает. Как только что случится- интернет блокировать. Страна под пятой идиотизма

Miha-matanjaka ny hadalàna. Raha vao misy zavatra mitranga, ny aterineto no voabahana. Eo ambany vahohon'ny hagaigena ny firenena

Mivazivazy ratsy i Dilovar :

В Таджикистане в 2015 году заблокируют и отключат всех людей

Hosamborin-dry zareo daholo ny olona rehetra aty Tajikistan amin'ny 2015

Mino ny sasany amin'ny mpisera amin'ny aterineto, toa an'i Islom, fa tetikady iray tsy misy dikany ilay fanakànana:

можно зайти на одноклассники через обходные пути, почти 75% населения знают как. Нету смысла закрыт сайт через провайдеров.

Afaka miasa tsy voan'ilay sakana ianao ary mitsidika ny Odnoklassniki, ary mahafantatra ny fomba fanaovana azy io ny 75% amin'ny olona [mampiasa aterineto]. Tsy misy dikany ny fanakànana tranonkala ataon'ireo mpanome tolotra.

Mandritra izany fotoana izany, ampitahain'i Sergey_I amin'ny alikaola ny Odnoklassniki :

одноклассники – это зло. Но это как алкоголь, сигареты и прочее, вредные привычки

Ratsy ny Odnoklassniki, tahaka ny alikaola, sigara sy ireo fomba ratsy mahazatra rehetra.

Jagonhir avy ao Dushanbe, mitaraina toy ny maro hafa, momba ireo vaovao “manafintohina” azon'ny rehetra jerena ao amin'ny Odnoklassniki:

очень хорошо что закрыли доступ к сайту оно отнимает очень много времени и там очень много пошлого

Tena tsara mihitsy ny nibahanan-dry zareo ny fidirana amin'ilay tranonkala, sady tena fandaniam-potoana no feno zava-betaveta ao.

Fa mandeha lavidavitra kokoa ny sasany ka manoratra fa loza mitatao ho an'ny daholobe ny Odnoklassniki ary kasinga mitondra ho amin'ny ftakiam-piovàna / revolisiona :

Очень хорошо что вы закрыли эти сайты через них люди портятся и наши дети ,экстремисты пользуясь этим служат всяким иностраным провакаторам чтобы они имели у нас своих агентов вербуя через интернет ресурсы ,мне как жителю родного таджикистана не нужны всякие сатанинские арабские революции

Tena tsara mihitsy ny nibahanan-dry zareo an'ireo tranonkala ireo, manao tsinontsinona ny vahoaka sy ny ankizintsika ireo, ampiasain'ireo “extremista” izy ireny mba ho amin'ny tombontsoan'ireo vahiny mpampiady izay manana ny olony eny anivontsika eny, nokaramainy tamin'ny alàlan'ny aterineto. Tsy ilaiko, amin'ny maha-olom-pirenen'ity Tajikistan malalako ity ahy, ny revolisionan-devolin'ny Arabo

Mankasitraka ihany koa ny fahatongavan'ilay sakana ara-potoana ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto, satria Ramadany, volana masina ho an'ny Silamo amin'izao fotoana izao :

Это разумный поступок тем более во время священного месяца Рамазан. Лучше всего думать о безопасности наших детей и родных.

Tena hetsika tamim-pisainana manokana iny, indrindra fa mandritry ny volana masin'ny Ramadany. Tena aleo lavitra misaina ny filaminan'ny fianakaviana sy ny zanatsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.