Tantara tamin'ny 24 Mey 2017
Kôlômbia: Ny Famindràna Toerana Ny Mponin'i Ituango
Tery eo anelanelan'ireo mpiady anaty akata sy ireo vodrrona mitampidiana ivelan'ny tafika, voatery nandao ny taniny ary nikaroka fialofna atany an-tanàndehibe ireo olona miaina any amin'ny manodidina ilay tanàna kôlômbiana, ao Ituango. Ireo bilaogera no manoritsoritra ny toedraharaha.
Algérie Télécom: Ny Hany Azo Raisina?
Malaza eny anivon'ireo bilaogera ny AT noho ny haratsian'ny tolotra omeny sy ireo fahatapahana matetika. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, navoakan'i Katharine Ganly ny hatezeran'ilay tanora bilaogera, Houda, avy ao Sidi Bel Abbès.
Meksika: Mpampiasa Twitter Nalaina Am-bavany Noho Ny Bitsika Nahabe Resaka
Nampanantsoina ny Meksikàna iray mpampiasa Twitter amin'ny solonanarana @mareoflores mba hanazava bitsika iray nalefany talohan'ny loza nanjo ny angidimby nitondra ny Sekreteran'ny Atitany tao Meksika, bitsika toy ny efa 'naminany' ny fahafatesany. Mitatitra ireo fanehoankevitra voalohany tao amin'ny Twitter i Miguel Angel Guevara.
Libanona, Araka Ny Fomba Fijerin'ny Bilaogeran-tsary Iraniana Iray
Mpaka sary matihanina Iraniana sady bilaogeran-tsary nipetraka sy niasa tao Libanona nanomboka tamin'ny taona 2009 i Mohmmad Reza Hassani . Lasa loharanom-baovao nahitana raharaha mifandray amin'i Iran ao Libanona ny bilaogin-tsariny taorian'ny fitsidihan'ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad ny fampirantiana sy ny fampisehoana mozika Iraniana
Nanakana Ny Fampitam-baovao Tsy Miankina I Azerbaijan (Ary Miaiky Izany)
"Izany no zavatra iray efa navelantsika ary nalain'izy ireo ihany koa. Enga anie Andriamanitra hanafay azy ireo. Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanapim-bava ny olona izy ireo"
Maniry Hanomboka Ny Fandikàna Ny Fiteninao Amin'ny Informatika Ve Ianao ?
Torohevitra roa ambin'ny folo ho an'ny rindrambaiko fandikàna teny maimaimpoana ho an'ireo vitsy an'isa sy fiteny indizena.
Mahita Fitoviana Mampiahiahy Amin'i Maduro ao Venezoelà sy ilay Maniry ho Filoha ny ao Meksika
"Tsy mahagaga raha mbola mino an'i AMLO ny olona, raha misy ireo mbola matoky an'i Nicolás Maduro ao Venezoelà, feno olona mora ambakaina eny rehetra eny."
Meksika: Ny Fanaovan-gazetin'ny Fiarahamonina Ao Amin'ny Helodranon'i California
Tetikasa fanaovan-gazety ho an'ny olon-tsotra antsoina hoe Su Mar (Ny Ranomasimbenao) dia mikendry hanome fitaovana ho an'ny olom-pirenena mba hitatitra momba ny olana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao amin'ny faritra Helodranon'i California ao Meksika.
Thailandy: Fiadiana ho An'ny Fahavelomana sy Fahaiza-mamorona Mandritra ny Tondradrano
Mihatsara ny toe-draharaha ao Thailandy satria efa misintona ny rano tondraka, saingy ny taham-pafatesana izao no efa nahatratra nihoatra ny 600. Ny loza voajanaharin'ny tondradrano tao Thailandy no ratsy indrindra tao anatin'ny dimy taona lasa fa nampiseho ihany koa ireo toetra mahay mamorona nanànan'ny olona raha niaritra ny tondradrano izy ireo.
Makedonia: Hira Adaladala Manao Politika
Rehefa avy nitatitra lohahevitra momba ireo hira amin'ny dokam-barotra mahatsikaiky ao Makedonia ny GVO, nipoitra tao amin'ny habaka Masedoniana ireo ohatra vitsivitsy maromaro. Ny tena voaresaka dia ny hira fanevan'ny Tanora Sosialista [MKD], sampan'ny tanora ao amin'ny Antoko Sosialista Makedonia.