Kinendrin'ny Rindrantsompatra Nohamafisina ny Fitaovana Mac-n'ireo Iraniana Mpikatroka

Manana viriosy vaovao mikendry ny solosaina Apple ireo mpijirika Iraniana ahiana ho tohanan'ny fanjakana ary mikendry ireo mpisera mpiaro ny zo sivily sy ny zon'olombelona. Sary avy ao amin'ny Flickr, lisansa Creative Commons.
Navoaka voalohany tao amin'ny tranonkalan'ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona any Iran ity tatitra ity .
Hatramin'ny faramparany teo, ireo mpisera Iraniana mifantoka amin'ny zo sivily sy ny zon'olombelona ao amin'ny rafi-piasana Windows sy Android no marefo indrindra amin'ny fanafihana fisovohana izay azo inoana fa avy any amin'ny governemanta Iraniana. Saingy efa manomboka misy fiantraikany eo amin'ny mpiseran'ny Apple ihany koa izy ireo ankehitriny, amin'ny alàlan'ny fampiasana rindrantsompatra (rindrambaiko manapotika na manimba ny rafitra solosaina) izay mikendry ireo fitaovana Apple an'ireo mpisera, araka ny tati-baovao avy amin'ny mpikaroka Aterineto ao Iran Collin Anderson sy ny mpikaroka eo amin'ny lafiny fiarovana Claudio Guarnieri.
Nilaza tamin'ny Fanentanana i Anderson, mpiara-mitantana ny tranonkala Iran Threats, fa mikendry ny solosain'ireo mpikatroky ny zo sivily ireo mpijirika amin'ny alàlan'ny rindrantsompatra dika mitovy amin'ny MacDownloader voalamina , izay nampiasaina hamelezana fotodrafitrasa indostrialy teo alohaloha teo. Natao hangalarana ny tenimiafin'ny solosain'ireo lasibatra ny MacDownloader amin'ny fisintonana azy ireo amin'ny alàlan'ny boaty sandoka izay manasa ny tompon'ny kaonty mba hanome na hanova ny tenimiafiny.
Milaza amin'ny antsipirihany ny dingana ny fanambarana navoakan'ny Iran Threats tamin'ny 6 Febroary 2017 :
A macOS malware agent, named MacDownloader, was observed in the wild as targeting the defense industrial base, and reported elsewhere to have been used against a human rights advocate. MacDownloader strangely attempts to pose as both an installer for Adobe Flash, as well as the Bitdefender Adware Removal Tool, in order to extract system information and copies of OS X keychain databases. Based on observations on infrastructure, and the state of the code, we believe these incidents represent the first attempts to deploy the agent, and features such as persistence do not appear to work. Instead, MacDownloader is a simple exfiltration agent, with broader ambitions.
Nisy singa rindrantsompatra macOS, antsoina hoe MacDownloader, tsikaritra nirenireny teny am-pikendrena ireo tobim-piarovana indostrialy, ary hita eny rehetra eny ho nampiasaina hamelezana ireo mpiaro ny zon'olombelona. Miezaka miseho amin'ny endrika hafahafa ilay MacDownloader, izay sady miseho ho fametrahana Adobe Flash no Fitaovana Fanalana Rindrandokambarotra Bitdefender, mba hangalana ny alahidin-dahatahirin'ny rafitra fampahalalana sy ny kopia OS X. Mihevitra izahay araka ny fanamarihana natao tamin'ny fotodrafitrasa sy ny toetry ny kaody fa izao no andrana voalohany hanapariahana ilay singa, ary nisongadina fa tsy nahomby ilay fikirizana. Hita fa singam-pamoahana antsokosoko, nanana nofinofy goavangoavana fotsiny ilay Ny MacDownloader.
Mety ho afaka maka ny tenimiafin'ny fitaovana hafa toy ny mailaka, tranonkala, rindrambaiko sy rindrambainga ireo mpijirika raha vao mahazo ny torohain'ny alahidy OSX ary miditra amin'ny fomba virtoaly ao amin'ny angona rehetra voatahirin'ny mpisera ao anaty solosaina sy an-tserasera .
“Ny ahiako dia maro ny olona no hiova ho Mac (Apple) satria manahy amin'ny rindrantsompatra sy ny olana ara-piarovana izy ireo (mieritreritra fa tsara fiarovana kokoa ny Mac), kanefa tsy hamaha ny olana ny fanaovana izany irery ,” hoy i Anderson, monina ao Washington, DC, tamin'ny Fanentanana Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran. “Koa izany no mahatonga ity tatitra ity ho zava-dehibe : mampahafantatra ireo mpiseran'ny Mac izy fa mbola tokony ho mailo hatrany izy ireo.”
Voafetra sy voasivana amin'ny fomba henjana ao Iran ireo fampiasa Aterineto sy media sosialy, sady mijery ny endriky ny fahalalahan'ny aterineto rehetra ho toy ny loza mitatao amin'ny fahamasinan'ny Repoblika Islamika ireo hiringiriny ao amin'ny governemanta. Nampiseho ny fikarohana fa tsy mitsahatra ny mandefa fanentanana fijirihana iadiana amin'ireo mpikatroky ny zo sivily sy ny zon'olombelona ary ireo fikambanana mba hanakorontanana na hampitahorana azy ireo ka hitsahatra amin'ny fikatrohan'izy ireo am-pilaminana ireo mpijirika Iraniana, izay matetika tarihin'ireo hiringiriny ao amin'ny governemantan'ny firenena.
Inona no azon'ny mpisera atao mba hiarovan-tena amin'ny rindrantsompatra ?
Miteny amintsika i Anderson:
There’s no simple remedy, and the best protection is to be skeptical about the software that one downloads, and to be cautious about the emails they receive. As we show in the report, antivirus software typically relies on having detected a piece of malware before flagging it as malicious….Since the Iranian attacks are targeting a small population (rights activists), the detection rate by those products is low. Antivirus is not sufficient in protecting against targeted attacks.
Tsy misy ny fanafana tsotra, fa ny fahamailona manoloana ny rindrambaiko mpitroka no fiarovana tsara indrindra, sy mitandrina amin'ny mailaka voaray. Araka ny nasehonay tao amin'ny tatitra, matetika miantehitra amin'ny efa nahatrarana rindrantsompatra iray alohan'ny hanondroana azy io ho mampidi-doza ny rindrambaiko antiviriosy… Koa satria olona vitsy ireo Iraniana (mpikatroka mpiaro ny zo) kinendry, dia ambany ny tahan-tsikaritra avy amin'ireo vokatra ireo. Tsy ampy ny antiviriosy fotsiny raha vao misy atao lasibatra manokana amin'ny fanafihana.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...