Ao Iràna, Avy any am-Ponja ka Hatramin'ny Fandroahana Noho ny Nanoratany Vazivazy tao amin'ny Facebook

Sarin'ny “Fonjakely Fanao Ohatra” ao Iràna, avy amin'i Babak Farroki. Sary nalaina tao amin'ny Flickr ary nampiasàna ny CC By 2.0.

Ny dika voalohany tamin'ity lahatsoratra ity dia navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny  Fanentanana Iraisampirenana ho an'ny Zon'Olombelona ao Iràna.

Taorian'ny nahavitany ny sazy dimy taona tany am-ponja tao Iràna noho ny vazivazy momba ny fivavahana navoakany tao amin'ny Facebook, voatery nanao sesitany ny tenany ao anatin'ny fireneny ihany i Soheil Babadi. Any aminà vondrom-piarahamonina iray lavitra, ahitàna olona 35.000 ao Beshagard any Hormozgan, faritany amorontsiraka any atsimon'ny firenena, ilay injeniera mpikirakira solosaina no tsy maintsy mandany ny roa taona hoavy. Any amin'ny tendrony atsimon'ny firenena no misy an'i Beshagard, alaina ora 20 eo ho eo amin'ny fiarakodia raha avy ao amin'ny tanàna nahaterahan'i Babadi, any avaratra.

“Volazan'ireo antontan-taratasin'ny fitsaràna fa efa tamin'ny Jolay 2015 no tokony nifarana ny sazin'i Soheil, saingy na teo aza ny ezaka samihafa nataonay, dia tsy nafahana izy,” hoy ny loharanom-baovao. “Farany, i Soheil izy tenany no nitory ny mpitsara ary dia navelan-dry zareo izy handeha (hiaina an-tsesitany).”

Tao anaty taratasy iray misokatra mitondra ny datin'ny 7 Septambra 2013, nilaza i Babadi fa nampijaliana izy nandritry ny fakàna am-bavany nataon'ireo Mpiambina Revolisionera Islamika (IRGC).

“Tamin'ny May 2011, nandefa hatsikana fohy niisa folo tao amin'ny pejy Facebook iray antsoina hoe ‘Fanentanana ho Fampahatsiahivana ireo Shiita momba ny Imam Naghi’ aho, tsy nampiasàko teny manafintohina na kely aza,” hoy ilay taratasy. “Taona iray taty aoriana, nosamborin'ny Fikambanana Mpitsikilon'ny IRGC aho, tsy nisy didy fampisamborana, ary notànana tany amin'ny Efitrano 2-A, ilay fonja manokan'ny IRGC, dia nodarohana sy nalaina am-bavany nandritry ny 24 ora.”

“Avy eo nisy olona antsoina hoe Ghena’atkar (avy amin'ny Rantsana faha-3 ao amin'ny Fitsaràna momba ny Filaminana) namaky ny vesatra ofisialy niampangana ahy, tafiditra tamin'izany ny ‘fanompàna ny Mpaminany Mohammad,’ ‘fanompàna ny masina,’ ‘fivoriana sy tsikombakomba,’ ‘fanompàna ny mpitarika faratampony,’ ‘fampielezankevitra manohitra ny fanjakàna,’ ‘fikambanana anaty vondrona mpiketrika fanonganam-fanjakàna’ ‘ary fanaovana zavatra manohintohina ny filaminan'ny firenena’—ireo rehetra ireo noho ny nanoratana vazivazy folo tao amin'ny Facebook,” hoy izy nanampy.

Notohizany : “Sady notampenana ny masoko no natao teny anjoron-trano aho nalaina am-bavany. Notadiavin'ilay mpitandro filaminana hiaiky ireo vesatra anenjehana ahy aho, ary rehefa nandà dia nodarohany mafy. Tsy nitsahatra niharan'ny tsindry ara-tsaina aho satria nitsofohan'ireo mpitandro filaminana hatramin'ny fiainako manokana ary nezahany ny niampanga ahy ho nanao firaisana ara-nofo taminà namana sy havana, eny fa hatramin'ny zaobaviko aza, ary hatramin'ny filazana ahy ho niray tamin'i Mostafa, iray amin'ireo lehilahy namako. Saingy tsy vitan'izy ireo ny nampiaky ahy ka dia natokany monina nandritry ny 225 andro aho.”

Soheil Babadi mihaona amin'ny fianakaviany taorian'ny nandaozany ny fonja tao Tehran. Manomboka miaina an-tsesitany ao anatiny izy ankehitriny. Sary avy amin'ny Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'Olombelona ao Iràna, ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezandàlana.

Ny 28 Janoary 2016 i Babadi no nalaina tao amin'ny Fonja Rajaee Shahr ao Karaj ho entina any amin'ny toerana iray fitazonan'ny polisy ka notànana tany nandritry ny andro telo, talohan'ny namindràna azy ho any Beshagard hamita ny ambin'ny saziny.

Voasambotra tamin'ny 2012 i Babadi taorian'ny namoahany lahatsoratra tao amin'ny Facebook, izay namazivazy momba ireo olana politika sy ara-pinoana nafantoka tamin'i Ali al-Naghi—ilay Imam fahafolo araka ny lazain'ireo Silamo Shiita. Ilay pejy, izay manana mpankafy manodidina ny 33.000 eo, dia nahazo laza taorian'ny niparitahan'ilay hira “Naghi” nataon'ilay mpanakanto mpihira, Shahin Najafi, tany ampiandohan'ny May 2012 tany, ary raha kely indrindra dia teolojiana roa zokiolona no namoaka fatwas nitaky ny hamonoana an'i Najafi noho ny faniratsiràna an'i Naghi.

Voalohany dia nampangaina i Babadi ho “niteny ratsy ny masina indrindra” sy “nanompa ny Filoha  [Mahmoud Ahmadinejad],” ary nohelohina sazy famonjàna dimy taona sy tapany, miampy vely karavasy 74 ary sesitany mandritry ny roa taona any an-tanànan'i Beshagard akaikin'ny seranana any atsimon'i Bandar Abbas.

Tamin'ny fitsaràna faharoa tamin'ny Septambra 2015, nohelohin'ny mpitsara Mohammad Moghisseh avy amin'ny Rantsana faha-28 ao amin'ny Fitsaràna Revolisionera i Babadi hamita sazy fito taona an-tranomaizina fanampiny noho ny “fivoriana sy fanaovana tsikombakomba hanohintohina ny filaminam-pirenena” ary “fitenenana ratsy ny mpitarika faratampony”  Tsy maintsy mbola hamoaka didy ihany koa ny Rantsana faha-26 ao amin'ny Fitsaràna Fampakarana didy momba ny fandravàna didy napetraka momba ny sazin'i Babadi.

Jereo ato ny lahatsoratra tany aloha navoakan'ny Fanentanana momba ny raharaha Babadi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.