Navotsotry ny Manampahefana Iraniana Tamin'ny Vola Onitra ny vadin'i Arash Sadeghi Taorian'ny Fitokonany Tsy Nihinan-kanina Nandritra ny 71 Andro

A photo of Golrokh Irajee, the wife of Arash Sadeghe

Sarin'i Golrokh Iraee, noafahana rehefa nandoa onitra taorian'ny fanerena avy amin'ny vadiny nanao fitokonana tsy nihinan-kanina nadritra ny 71 andro. Sary avy amin'ny ICHRI.

Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Fanentanana Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona ao Iran ny dika voalohany amin'ity lahatsoratra ity.

Nomena fahafahana vonjimaika avy any am-ponja i Golrokh Ebrahimi Iraee  tamin'ny andro faha 71 nanaovan'ny vadiny , Arash Sadeghi, fitokonana tsy nihinan-kanina, ary nampanantenana azy fandinihana indray ny didim-pitsarana avy amin'ny Fitsarana. Voaheloka i Iraee rehefa avy nisava ny tranony ny Mpiambina Revolisionera ao Iran nitady porofo hanenjehana ny vadiny izay mpikatroky ny zo sivily izay efa tany am-ponja hatramin'ny martsa 2016. Nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina i Sadeghi  ho fanoherana ny fisamborana ny vadiny .

“Nanaiky ny Lefitry ny Mpampanoa Lalàna [Tehran] Atoa Hajilou fa tsy natao araka ny tokony ho izy ny raharaha nitsarana ahy, kanefa nilaza izy fa mety haharitra ny famerenana izany ,” hoy i Iraee nilaza tamin'ny Fanentanana ny Zon'Olombelona tao Iran tamin'ny andro voalohany nanafahana azy vonjimaika tao amin'ny Fonjan'ny Evin  tamin'ny 3 Janoary 2017.

“Milaza ny lalàna fa raha misy didim-pitsarana tsy ara-drariny natao, dia tokony ho noafahana ny voampanga mandrapahatonga ny famoahana didy vaovao. Nomena fahafahana vonjimaika aho na dia tsy nangataka izany aza. Kanefa ratsy ny toe-pahasalaman'i Arash , ka nanaiky aho noho izany . “

Voaheloka higadra an-tranomaizina enintaona i Iraee tamin'ny volana Martsa 2016 noho ny “fitenenan-dratsy ny masina” sy ny “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana” tamin'ny fanoratana tantara hafahafa izay mbola tsy navoakany akory sy ny lahatsorany “vitsy” tao amin'ny Facebook . Mikasika ny vehivavy  tezitra iray nandoro ny Korany rehefa avy nijery sarimihetsika momba ny fitoraham-bato ao Iran izany tantara izany, ary nosoratany tao amin'ny kahie izay noraofin'ny fanjakana tatỳ aoriana nandritra ny fisavana ny tranony nataon'ny Mpiambina Revolisionera.

Nomena fahafahana vonjimaika izy rehefa avy nandoa onitra 500 tapitrisa tomans (eo ho eo amin'ny 155.000 dolara Amerikana). Nilaza tamin'ny Fanentanana izy fa voatendry hamerina hijery ny raharaha momba azy ny Sampana faha-33 ao amin'ny Fitsarana Tampony.

“Nomena efatra andro fialan-tsasatra aho ary tsy maintsy miverina any am-ponja amin'ny 7 Janoary.” hoy izy. “Kanefa tokony navela halalaka aho aho mandra-pahavoadiniky ny fitsarana ny raharaha mikasika ahy satria efa nanaiky ny Fitsarana fa tsy nety ny didim-pitsarana azoko .”

Toa hita fa nanery ny fitsarana hihemotra amin'ny fomba fijery hentitra mahazatra fanaony ny ahiahin'ny olona momba ny ain'i Sadeghi izay tandindomin-doza ary migadra 15 taona an-tranomaizina noho ny fikatrohany am-pilaminana manokana tao amin'ny media sosialy .

Mila fitsaboana maika i Sadeghi 

Nilaza tamin'ny Fanentanana ny Zon'Olombelona ao Iran i Iraee fa rehefa tsy nisakafo nandritra ny 71 andro,  dia zara raha afaka mandeha ny vadiny, mandoa rà, ary mijaly amin'ny olan'ny aretin'ny voa , tsinay ary ny havokavoka .

Tamin'ny 3 Janoary , nilaza tamin'ny Fanentanana izy fa : ” namoaka ny fahazoan-dalana mamela an'i Arash mba hafindra toerana any amin'ny hopitaly ny biraon'ny mpampanoa lalàna, kanefa mbola mikarakara azy any am-ponja ny mpiasan'ny toeram-pitsaboana amin'izao amin'ny 8 ora alina izao, na dia mila entina maika any amin'ny hopitaly aza izy, “hoy izy.

“Rehefa nitsidika an'i Arash tany am-ponja aho, dia nangataka azy mba hampitsahatra ny fitokonana tsy mihinan-kanina,” hoy izy nanampy teny. “Natahotra aho noho ny fahasalamany, saingy nomeko azy ny fanapahan-kevitra  … Niezaka ny tsy hamela ny fihetseham-po hiseho amin'izay ezaka kasainy hatao aho.”

Tamin'ny 20 Desambra 2016, lasa lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny tenirohy #SaveArash, nahitana mpandray anjara mihoatra ny dimy hetsy naneho ny ahiahiny indrindra sy naneho fanohanana manoloana ny manjo an'i Sadeghi .

Nosamborin'ny mpiasan'ny foiben'ny Mpiambina Revolisionera avy ao Sarallah niaraka tamin'ny vadiny sy ny namany Navid Kamran ary Behnam Mousivand tao amin'ny fivarotan-taratasy izay an'izy mpivady tao Tehran i Sadeghi tamin'ny 6 Septambra 2014.

Voampanga ho “namory olona sy niray tsikombakomba mamely ny filaminam-pirenena,” “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana,” “fampielezana lainga an-tserasera,” ary “faniratsirana ny mpanorina ny Repoblika Islamika” i Sadeghi noho ny fikatrohany ny zo sivily am-pilaminana. Nanomboka  ny saziny 15 taona an-tranomaizina izy tamin'ny Jona 2016.

Vakio ato sy ato ny tatitra bebe kokoa momba ny raharaha hita ao amin'ny ICHRI sy ny Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.