Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Brexit, Brexit Eny Rehetra Eny

Amin'ity herinandro ity izahay hitondra anao ho any Brezila, Rosia ary Tanzania. Nifampiresaka tamin'ny Tonian'ny Global Voices Karaiba Janine Mendes-Franco momba ny fihetseham-po nateraky ny Brexit ao amin'ny faritra misy azy izahay sy tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Arzu Geybulla momba ny hantsana sy ny tsy rariny ara-tsosialy mipetraka ao ambadiky ny haitraitra sy ny manjelanjelatra mitranga ao Azerbaijan.

Isaorana be dia be ny mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary ny tonia izay nanampy tamin'ny fanatontosana azy ity. Ity fizaran-tantara ity dia manasongadina ireo tantara avy amin'i Amanda LichtensteinKevin RothrockFernanda CanofreJanine Mendes-Franco ary Arzu Geybulla.

Amin'ity fizarana ny Herinandro tato amin'ny Global Voices ity izahay manasongadina ireo hira ao amin'ny Arisivan'ny Hira Maimaimpoana (Free Music Archive), ahitana ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar; It Always Rains in England avy amin'i Ergo PhizmizAnxiety avy amin'i Kai EngelCamera-Eye avy amin'i happiness in aeroplanes; Linger avy amin'i David Szesztay; ary False Note by VYVCH.

Ny sary nampiasaina ho hajia ao amin'ny SoundCloud dia sary-sy-soratra nifampizarana tao amin'ny media sosialy Karaibeana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.