Tantara tamin'ny 05 Oktobra 2015
Mipongadra avy ao Toronto, Kanadà, ny dokambarotry ny aterineto ‘Halal’
Manondro ny tetikasa Antranoneto (intranet) nasionaly ao Iran ny aterineto 'Halal', saingy nampiasa ny voambolana ny dokambarotry ny rindrambaiko iray mifandraika amin'ny fikamban'ny ray amandrenin'ny mpianatra manao fihetsiketsehana manohitra ny fanabeazana ara-pananahana ao Ontario.
An-tanety Sa An-dranomasina? Fanapahan-kevitra Sarotra Ho An'ny Mpitsoa-ponenana Te Hiala Ao Torkia
Raha mandinika izay fomba hitantanana ireo mpitsoa-ponenana an-tapitrasany mitady trano i Torkia sy ny manodidina azy. Monina ao amin'ny toby ivelan'ny fiantsonan'ny fitateram-bahoaka ao Istanbul kosa i Amer Mohammad, Irakiana, miandry ny fandehanana ho any Eoropa.
Tsy Ny Mpitsoa-ponenana sy ny Polisy Ihany No Tsy Mifankahazo Ao Balkana
Raha momba ny mpitsoa-ponenana no resahina, mahomby kokoa amin'ny famelomana indray ny disadisa taloha ny fanapahan-kevitra vao haingana eo amin'ireo mpitondra vondrona Eoropeana fa tsy namaha ny krizy ankehitriny.
Tahotra Momba Ilay Siriana Injeniera Informatika Voafonja, Nafindra Ho Aminà Toerana Tsy Fantatra

Takian'ireo mpikatroka mafàna fo ny governemanta Siriana hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Bassel Khartabil (Safadi), taorian'ny nanesorana azy tao amin'ny fonja nisy azy ho any aminà toerana iray tsy fantatra, ny maraimben'ny 03 Oktobra teo.
Takian'Ilay Fanentanana #StopLumadKillings (AtsaharoNyFamonoanaLumad) Ny Hiarovana Ireo Foko Manohitra Fitrandrahana Ao Atsimon'i Filipina
" Izy ireo no mpitondra ireo fomba amam-panao nentin-drazana tsy manam-paharoa teo amintsika. Mpamono ny fanahin'ny vahoakantsika izay mpamono azy ireo."