Nahazo ivon-tsehatra tao amin'ny Eurovision 2024 ny adin'Israely amin'i Gaza

Tarika Irlandey Bambi-Thug manatontosa ny hirany “Doomsday Blue” tamin'ny andro voalohany amin'ny manasa-dalana Eurovision. Amin'ny fomba manala azy sy mbola tsy fanaon'ny maro no itadian'ny tarika, izay manavaka ireo fampisehoan'ny Eurovision. Sary avy amin'ny fantsoana ofisialin'ny Eurovision ao amin'ny YouTube.

Raha ahafantarana ny fifaninanan-kira Eurovision isan-taona ny rendrarendra sy ny fampilendalendana, matetika takonan'ny fampisehoana raitra dia raitra ny fifanolanana ara-politika ao amin'ny faritra sy ny fifanandrinana iraisampirenena.

“Notontosaina ny 7–11 mey, any Malmö, Soeda, ny fifaninanan-kira lehibe indrindra erantany” ary mitodika any Israely — mpandray anjara hatry ny ela amin'ny fifaninanana hira Eoropeana na dia eo aza ny halavirana ara-jeografika — ny maso rehetra amin'ity taona ity satria mandray anjara izy na dia eo aza ny fandripahana amelezana an'i Gaza.

Na dia manizingizina aza ny mpikarakara fa “hetsika tsy ara-politika” ny fifaninanan-kira Eurovision ary manana fitsipika mandrara ny mpandray anjara tsy hizara hiaka na tanjona ara-politika, dia tsy zava-baovao amin'ny Eurovision ny fikatrohana. Talohaloha tany, nampiasaina ny fifaninanana hisarihana ny saina amin'ny ady ataon'i Rosia amin'i Okraina, ny zon'ny LGBTQ+ sy ireo fahalalahana, ny elanelana amin'ny lahy sy ny vavy ary ny maro hafa. Maro amin'ireo mpifaninana, mpifidy, ary mpankafy no nampiasa ny lanonana ho sehatra iray hanehoana hafatra miafina ara-politika amin'ny hira, akanjo, na sehon-tsehatra.

Nandritra ireo herinandro mialoha ny hetsika, nivory tsy tapaka teo ivelan'ny lapan'ny tanànan'i Malmö ireo mpanao fihetsiketsehana, niantso ny mpikarakara mba hanameloka ny herisetran'Israely tao Gaza sy hampiato azy ireo amin'ny hetsika.

Mpanao hetsi-panoherana eo anoloan'ny lapan'ny tanànan'i Malmö tamin'ny tapaky ny volana avrily miantso ny hanaovana ankivy an'Israely. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube video.

Efa nanamafy ny fiarovana manodidina ny hetsika ny Soedoà mpikarakara hiomanana amin'ny hetsi-panoherana mifandraika amin'ny ady Israely-Gaza. Talohan'ny hetsika, nisy ny antso nielipatrana ho an'i Eden Golan, 20 taona, Israeliana mpifaninana tamin'ity taona ity, mba hiala an-daharana, sy ny antso hanao ankivy tanteraka ny hetsika raha mandray anjara i Golan. Nitsipaka ankitsirano i Golan ary nilaza tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Reuters hoe: “Tonga eto aho haneho ny feoko, hizara ny fitiavako, ny fanomezana avy amin'Andriamanitra ary manantena hahatonga ny olona hahatsapa zavatra ary hamela marika ao amin'ny fanahiny ka hampiraisin'ny hira.”

Tamin'ny voalohany i Golan nikasa hihira ôrizinaly mitondra ny lohateny hoe “October Rain” [Orana Oktobra] izay toa nanondro ny fanafihan'ny Hamas ireo tanànam-boanjo Israeliana tamin'ny 7 Oktobra. Noraisin'ny Sendikàn'ny Fampielezana Eoropeana ho miteraka olana io hira io ka novaina sy nomena lohateny hoe “Hurricane” avy eo.

Mandritra izany fotoana izany, misy ireo mpifaninana sasany mampiasa ny sehatra hanehoana ny firaisankinany amin'ny Palestiniana. Nanao Keffiyah (fitafiana Palestiniana nentim-paharazana) teo amin'ny hato-tanany nandritra ny fampisehoana nataony hanoherana ny fandraisan'Israely anjara i Eric Saade, 33 taona, mpifaninan'i Soeda taona 2024 manana fiaviana Palestiniana, nahazo dera avy amin'ny mpankafy izy sy fanakianana avy amin'ireo mpamokatra ny fampisehoana. Namoaka fanambaràna i Ebba Adielsson, Mpiadidy Mpanatontosa ao amin'ny Eurovision, taorian'izay, nilaza hoe: “Fantatr'i Eric Saade tsara ny fitsipika mihatra rehefa mijoro eo amin'ny sehatry ny fifaninanana hira Eurovision. Mihevitra izahay fa mampalahelo fa nampiasa ny fandraisany anjara tamin'izao fomba izao izy. “

Ho olomanga hatrany ianao eric saade

Nandritra ny fifaninanana savaranonando ilay Palestiniana mpihira Bashar Murad no voafidy hisolo tena an'i Islandy tamin'ny hetsika, na dia nihintsana talohan'ny famaranana aza izy. Nampiasa ny fotoanany teo amin'ny sehatra izy hanairana ny amin'ny fahorian'ny Palestiniana ary vetivety dia lasa tian'ny mpankafy. Niara-niasa tamin'ny mpifaninana aminy teo aloha tao Islandy ihany koa izy, ny tarikaHatari, izay saika nihintsana nandritra ny fifaninanana Eurovision 2017 noho ny fanambaràna ara-politika nataony momba ny fibodoan'i Israely an'i Palestina. Namoaka hira maro mifandraika amin'ny fanafahana Palestiniana ny Hatari.

Raha nahazo jiro maitso (nahazo alalana) ny fandraisan'i Israely anjara, dia tsy navela handray anjara tamin'ny fifaninanana Eurovision i Belarosia nanomboka tamin'ny taona 2021 noho ny famoretana nataon'ny fanjakana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny firaketana fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Voarara i Rosia nandritra ny roa taona farany hatramin'ny nanafihany an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022.

Raha niresaka momba ny fandraràna an'i Rosia tamin'ny Desambra 2022, nilaza i Martin Österdahl, mpiadidy mpanaramason'ny Eurovision fa sarotra ny fandraràna saingy nampiany hoe: “Rehefa milaza izahay fa tsy miditra politika, ny tokony hijoroanay mandrakariva dia ny soatoavina fototra sy faratampon'ny demaokrasia.”

Ny Okrainiana mpihira Alyona Alyona miantsehatra amin'ny Eurovision, miaraka amin'ny effets speciaux mampahatsiahy baomba miraraka amboniny. Sary avy amin'ny pika Youtube

Hatramin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra tamin'ny taona 2022, nampiasa ny fifaninanana Eurovision i Okraina mba handraofana fanohanam-bahoaka anaty ady ifanaovana amin'i Rosia. Nandresy tamin'ny fifaninanana i Okraina tamin'ny taona 2022 ary lasa hiram-pirenena tsy ofisialin'ny firenena ny hira nahazo fandresena, “Heart of Steel”. Tamin'ny herintaona ireo Okrainiana mpifaninana nisafidy hira iray manoritsoritra ny horohoro tsapan'ny olom-pirenena nandritra ny ady, raha toa kosa nampiasa sary sy effets spéciaux i Alyona Alyona sy i Jerry Heil, mpifaninana tamin'ity taona ity, manondro ny balafomanga Rosiana sy ireo Okrainiana maty.

Alyona Alyona sy Jerry Heil mihira amin'ny lahatsarin'ny Okrainiana mandry nandritra ny fampisehoana nataon'ny tamin'ny 7 Mey 2024. Sary avy amin'ny pikantsary YouTube.

Niteraka resabe sy antso hanaovana ankivy ny Eurovision amin'ity taona ity ilay antsoina hoe fampiharana fampiatoana tsy amin'ny hitsiny.

Ataovy ankivy ny Eurovision fa tsy misy antony tokony hidiran'i Israely amin'ny fifaninanana raha nahintsanao i Rosia

Mbola voarara tsy handray anjara amin'ny fifaninanana hira Eurovision noho ny fanafihana an'i Okraina i Rosia. Voarara ny saina Palestiniana mba tsy hidiran'ny politika ny fifaninanana.

Saingy tsy vitan'ny mandray anjara fotsiny ny fanjakana Israeliana tsy Eoropeana, izay manatanteraka fandripahana foko any Gaza amin'izao fotoana izao. Ny sainany dia…

Jereo eto ambany ny lahatsary manontolo tamin'ny fampisehoana manasa-dalana Eurovision.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.