
Sary aseho natao amin'ny singa Canva Pro.
Ny krizin’ny toetr'andro no fantoky ny Andro maneran-tany ho amin’ny fahalalahan-gazety marihana isaky ny 3 mey isan-taona amin'ity taona 2024 ity. Ny 2 ka hatramin'ny 4 Mey, manatontosa ny kaoferansa faha-31-n'ny fahalalahan-gazety, izay tontosaina ao Shily amin'izao fotoana izao ny UNESCO (Fikambanan'ny Firenena Mikambana ara-panabeazana, siantifika ary kolontsaina), hatokana ho amin'ny halehiben'ny fahalalahana maneho hevitra manoloana ny firotsahan‘ny krizy ara-tontolo iainana maneran-tany amin'izao fotoana izao ny fifanakalozan-kevitra.
Mitombina tsara ity lohahevitra ity ho an'ireo Fanjakana Nosy Kely Andalam-Pandrosoana (SIDS) tahaka an'i Karaiba, izay matetika voalohany mahatsapa [mg] ny voka-dratsin'ny krizin'ny toetr'andro amin'ny alàlan'ny toe-javatra toy ny maripana ambony kokoa, ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina [mg] ary ireo fisehoan-javatra ratsy amin'ny toetr'andro [mg], na dia ny kely indrindra amin'ny famoahana etona mangeja hafanana maneran-tany aza no andraisan-dry zareo anjara.
Amin'ny fanamarihana fa “mifampitolona amin'ny krizim-piovan'ny toetr'andro ao Karaiba izahay,” ary “mitana anjara toerana lehibe amin'ny fitaterana ny olana ara-tontolo iainana sy izay mety ho vahaolana ny fampahalalam-baovao”, nanolo-kevitra ny fanambaràna iray navoakan'ny Association of Caribbean Media Workers ( ACM na Fikambanan'ny Mpiasan'ny Fampitam-baovao Karaibeana) hoe: “Tonga ny fotoana hanasongadinan'ny media isam-paritra ny fiantraikan'ny krizy ara-tontolo iainana any amin'ny firenentsika tsirairay avy, indrindra ny fiantraikany eo amin'ireo niangarana ara-tsosialy sy ara-toekarena.”
Nanentana ny mpiasan'ny media ihany koa ny fanambaràn'ny ACM mba hampiasan'ny mpiasan'ny media ny fahalalahana maneho hevitra amim-pahamatorana, “ary tsy hiditra amin'ny famoaham-baovao tsy marina sy ny fandisoam-baovao.” Voalazany ihany koa fa asongadin'ny lohahevitry ny taona 2024 ny “filàna fanofanana manokana ny mpanao gazety amin'ny siansan'ny fifandraisana mba hanatsaran'ireo mpikirakira bebe kokoa ireo tatitra amin'ny siansan'ny fiovan'ny toetr'andro ho an'ireo karaza-mpihaino.”
Nihaika ireo governemantam-paritra, FTMF-ONG ary ireo sampan-draharaha iraisampirenena ihany koa ny fikambanana mba hanampy amin'ny fanomezana ny “fitaovana tena ilaina hanohanana tatitra mateza momba ny tontolo iainana amin'ny alàlan'ny songadina, fanadihadiana ary tatitra mamaky bantsilana”, ary nanazava hoe “fonenantsika ny planeta, ary mila mikojakoja azy isika.”
Naneho fihetseham-po tahaka izany koa ireo sampan-gazetim-paritra sy birao hafa fampitam-baovao. Nanambara, ohatra, ny fikambanan-gazety ao Grenada fa hanangana “programam-panazarana feno ho fanamafisana ny asa fanaovan-gazety ara-tontolo iainana sy hampateza azy” mba “hampitao talenta sy ireo fahalalàna ilain'ny mpiasan'ny media hitatitra amim-pahombiazana ny olana ara-tontolo iainana ary hisolovava hisian'ny fitantanana-fikojakojana ara-tontolo iainana. “
Mandritra izany fotoana izany ny Media Institute of the Caribbean (MIC) nandranty rohy manan-danja: “Marihan'ny androany ny antso ho an'ireo mitantara ny fikorontanana sy ny famoizana, tsy ho re fotsiny fa hohenoina rehefa mamoaka sy mizara ny fiantraikan'ny toetr'andro sy ireo ambana mitatao amin'ny tontolonjavamiaina amin'ny planetantsika. Tsy maintsy asitrika ao anatin'ny odidin'ny halehiben'ny Fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoana torohay ny lohahevitry ny amin'ity taona ity.”
Ao anatin'izany zotra izany ihany, nolazainy, navoakany ny “tamberin'ny lalàna vaovao fahalalahan'ny fidirana amin'ny torohay ao amin'ny faritra manavatsava an'i Karaiba manonona ireo faritra mety ho amorain'ny fanitsiana kokoa ny fidirana amin'ny torohay ka hanangana rafi-pangaraharàna nohatsaraina mifandraika amin'ireo raharaha rehetra miompana amin'ny tombontsoam-bahoaka. Ho mpitari-dalana izy io ho an'ireo firenen'i Karaiba tsy manana lalàna toy izany.”
Fahefana ny fahalalàna, hoy ny voalazany, raha tonga ny fotoana “hiatrehan'olona an-tapitrisany ny fiantraikan'ny fahaverezan'ny tontolo iainana sy ny fahasimban'ny fiainany.” Hitan'ny MIC ny fifandraisana mivantana eo amin'io fahalalàna io sy ny fisoloambava ataony “hahazoa-miditra kokoa amin'ny torohay ahafahan'ny olona miomana tsara kokoa amin'ny fiatrehana ny fanambiny amin'ny alàlan'ny fandraisana fanapahan-kevitra.”
Naka fotoana ihany koa ny fikambanana hanome voninahitra “ireo mpanao gazety mikiry manohitra ireo hafahafa rehetra hihazonana ny tantarany ho lohalaharana amin'ny lohahevitra ifampidinihana maneran-tany” ary nandrisika “ireo mpiaro ny tontolo iainana, fikambanana fiarahamonim-pirenena ary mpisehatra tsy miankina izay miasa hitondra fiovana.”
Nanapa-kevitra anefa ny Fikambanan'ny Media ao Trinidad sy Tobago (MATT) hampihasikasina toerana hafa. Nanamarika ny MATT fa nampanatevin-daharana ireo mitovy asa aminy eto amin'ny glaoby haneho firaisankina ho any amin'ny gazety afaka, hisaona ireo mpanao gazety “maty novonoina tamin'ny taona 2023, tranga tsy mbola nisy toy izany hatramin'izay — anisan'izany ny isan'ireo maty am-perinasa sy ao anaty vava ady ao Gaza — ary hiantso fiarovana bebe kokoa ho an'ny mpiasan'ny fampitam-baovao rehetra.”
Nampitamberina ny iraka nampanaovina azy “hiaro ny fahalalahan-gazety sy ny Fahefana Fahefatra araka ny voarakitra ao amin'ny lalàmpanorenan'i [Trinidad sy Tobago]”, nanome toky ny MATT fa “hitandrina hatrany amin'ny anaran'ny mpanao gazety, amin'ny fahatakarana fa miankina amin'ny fampitam-baovao malalaka sy mahitsy ny demaokrasia matanjaka.”
Nitatitra ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ) fa anisan'ny nahafaty olona indrindra ho an'ny mpanao gazety tao anatin'ny folo taona ny taona 2023, ary maro tamin'ireo niharam-boina no Palestiniana nitatitra ny adin’Israely tamin'i Gaza tao anatin'ny fepetra tsy hita novisavisaina. Ankona ny Federasiona Iraisampirenen'ny Mpanao Gazety (IFJ) amin'ny taha avon'ny fahafatesan'ny mpanao gazety (mihoatra ny 10 isanjato) sy ny nanakanana ny mpanao gazety vahiny tsy ho any amin'ny Lemak'i Gaza nanomboka tamin'ny Oktobra 2023.
Ao anatin'izao odidina izao, nilaza ny MATT fa manohana ny “fihetsiky ny IFJ hanendry ny mpikambana ao aminy, ny Sendikan'ny Palestiniana Mpanao Gazety (PJS), ho amin'ny lokan'ny Fahalalahan-Gazety manerantany UNESCO/Guillermo Cano ho an'ny taona 2024 ho fomba hanomezana voninahitra ny mpanao gazety rehetra ao Gaza.”
Nambara avy eo fa voatonona ho mpandresy amin'ny lokan'ny taona 2024 ireo Palestiniana mpanao gazety mitantara an'i Gaza.
Tamin'ny 2 Mey, nanatevin-daharana ireo firenena Karaiba maro hafa nankatoa amin'ny fomba ofisialy ny Fanjakan'i Palestina i Trinidad sy Tobago.
Niaiky ny Tondrom-pahalalahan-gazety Manerantany, mivoaka isan-taona isaky ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan-gazety fa iharan'ny tsindry ara-politika mafy ny mpanao gazety maneran-tany: “Rahonan'olona tokony ho mpiantoka azy indrindra ny fahalalahan-gazety maneran-tany — dia ny manampahefana ara-politika. [ …] Ity fikarohana ity dia mifototra amin'ny zava-misy fa, amin'ireo tondro dimy ampiarahana hametrahan-daharana, ny tondro ara-politika no nilatsaka indrindra, andraketana fihintsanan-taha hatramin'ny 7,6 isa.”
Raha nisy ireo mpanao gazety ara-paritra sasany nanolo-tena tamin'ny anjara andraikiny hiarovana ny planeta, ny hafa toy ny an'i MATT kosa niray hina tamin'ireo mpanao gazety namany, “nampitombo ny fanoloran-tenany tamin'ny fanaovana ireo eo amin'ny fahefana hanao ny tamberin'andraikiny, […] mitoetra ho sisan'ireo mpitondratenin'ny tsy manam-peo sy mifahatra mafy ho andrin’ny demaokrasia”.