Hazakazaka arahin-tosika ny fihenan-tsandan'ny Lira Tiorka

Tangolika Lira Tiorka’ avy amin'i jeffdjevdet, ao amin'ny Flikr (CC BY 2.0)

“Türkiye no kintana mipongatra amin'ny rafi-toekarena manerantany izay vao narafitry ny ny valan'aretina indray,” hoy ny fanambaràn'ny filohan'i Torkia, Recep Tayyip Erdoğan, tamin'ny 8 desambra. Nitsontsorika — efa tsy voafehy intsony herinandro taty aoriana — ny fitsontsoriky ny sandan'ny lira (TRY), anaram-bolan'ny firenena, ary efa mahatratra 17 lira ny sandan'ny dolara amerikana. Ny fihenan'ny sandam-bola vao haingana indrindra dia taorian'ny nampihenan'ny banky foibe tiorka hatramin'ny ampahaefany tao anatin'ny efa-bolana ny zanabola.

Taorian'ny hetsika nataon'ny banky foibe, sy tao amin'ny heverina ho fikasana hampitombo ny fanohanana avy amin'ny mpifidy mpanohana azy, nanambara ny hampakatra hatramin'ny 50 isanjato ny karama farany ambany indrindra i Erdoğan. Ny karama ambany indrindra isam-bolana dia ho lasa TRY 4.250 (275 dolara US) amin'ny taona 2022. Ny karama farany ambany indrindra amin'izao fotoana izao moa dia TRY 2.826, tarehimarika izay avadika ho 380 dolara US raha tany amin'ny fanombohan'ny taona saingy nidaraboka ho 186 dolara US, miampy ny fitotongana hatramin'ny 51 isanjato ny lira, araka ny tatitra nataon'ny gazety an-jotra Gazete Duvar English. Tamin'ny 17 desambra, nihena 10 dolara US ny sandan'ny karama farany ambany indrindra araka ny Gazete Duvar English.

Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny The Guardian, nilaza i Gunay Akil, mponina iray ao Istanbul: “Lafovidy avokoa ny zavatra rehetra amin'izao fotoana izao, zara raha mahatonga iray volana izahay [ny karamanay]. Nifindra nankany amin'ny rafozako ny fianakaviako mba isorohana amin'ny fanofana trano.”

Nilaza ireo mpanadihady ara-toebola, fa noho ny fiakaran'ny fihevahevam-bola, izay vao nandingana ny 21 isanjato, zara raha hahazaka ny fidangan'ny vidin-javatra ny karama farany ambany hahazoana ireo entambarotra sy vokatra fototra. Maminany ny mpahay toekarena fa hitsambikina hatramin'ny 30 isanjato ny fihevahevam-bola amin'ny herintaona noho ny fiakaran'ny vidin'entana nohafarana avy any ivelany.

Nilaza i Marek Drimal ao amin'ny Societe Generale nandritra ny antsafa nifanaovany tamin'ny Reuters fa ny fitomboana “no hamelona kokoa ny tsindrim-piakaram-bidim-piainana, miampy ny fiantraikan'ny fahalemen'ny lira.”

Tamin'ny 17 desambra, “nitotongana 8,5 isanjato ny tondromariky ny Borsa Istanbul 100 tamin'io zoma io izay andro ratsy indrindra hatramin'ny volana marsa, izay niteraka fampiatoana herinjiro indroa misesy izay nampitsahatra ny varotra sy ifanakalozana,” araka ny nolazain'ny Wall Street Journal. ny androtr'io ihany, rodana 17 ny isan'ny lira vao mitovy sanda amin'ny folara US iray, isa ambany indrindra hatramin'izay.

Tamin'ny 18 desambra lasa teo, nandrisika ny governemantan'i Erdoğan ny vondron'orinasa lehibe indrindra ao Torkia, TUSIAD, “handao ny politikam-bola mifototra amin'ny taha ambany izay nahatonga ny fidarabohan'ny lira,” sy niantso “hiverenana any amin'ny fitsipiky ny hay toekarena.” Nanampy ny vondrona:

As a result of the instability we have been experiencing in recent times, it has become clear that goals under this economic programme that [are] being attempted will not be achieved.

Vokatry ny tsy-fahamarinan-toerana niainantsika tao ho ao, lasa miharihary ankehitriny fa tsy ho tratra ny tanjona amin'ity fandaharana ara-toekarena ity.

Tamin'ny alahady 19 desambra, namaly ny taratasy ho “famelezana ny governemanta” ny filoha Erdoğan ary nampiany fa “nandroso araka izay namaritanay azy ny politika ara-toekarenan'ny governemanta, ankoatra ny fihevaheva vonjimaika ny taham-pifanakalozana.”

Noho ny fahitan'ny Tiorka sasany ny fitotongan'ny volam-pirenena haingana dia haingana, dia niditra tao amin'ny Twitter ry zareo haneho ny loniloniny, mba hanamaivanana ny tsindry sasany amin'ny tokelaka marikivy.

Ny lira tiorka amin'izao fotoana izao

Banky Foibe Tiorka

Tamin'ny 19 desambra lasa teo, nandritra ny fanehoan-kevitra nandeha fahitalavitra, narovan‘ny filoha Erdoğan ny fanohizana ny (fanomezana) taha ambany araka ny tinakin'ny nas, voambolana arabo milaza ny fampianarana islamika. “Nampidininay ambany ny tahan-janabola. Aza manantena zavatra hafa avy amiko. Amin'ny maha-miozolomana ahy, izay rehetra takin'ny (fampianarana islamika) dia hotohizako,” nilaza izy fa nampanantena hampidina ho 4 isanjato ny tahan'ny fihevahevan'ny toekarena. Amin'izao fotoana izao ny tahan'ny fihevahevan'ny toekarena dia manodidina ny 21 isanjato ary maminany ny mpanadihady ara-toekarena fa hahatratra ny 30 isanjato izany amin'ny herintaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.