06 Marsa 2011

Tantara tamin'ny 06 Marsa 2011

Bahrain: Rehefa Manohitra Ireo Mpiondana Teknolojia

Tamin'ny Sabotsy nisy vondrona manampahaizana amin'ny Teknolojia nanao fihaonambe ho fanoherana ny governemanta ary nitondràna sorabaventy amin'ny fomba sy fitenin'ireo "mpiondana". Teny an-toerana ilay mpandefa bitsika, Jalal Al-Jazeeri @JTheIslander, izay sady mpiondana rahateo ihany koa ka nandefa tamin'ny alalan'ny bitsika an'ireto sary ireto izay maneho ny sasany amin'ireo asa famoronana tena mahaliana.

Serbia: Fanehoan-kevitra Momba ny Valan-dresak'i Gaddafi Tao Amin'ny Pink TV

Nanao resadresaka teo amin'ny 8 minitra teo tamin'ny telefaona ho an'ny fahitalavitra Serba TV Pink ny filoha Libiana Muammar Al Gaddafi tamin'ny 28 Febroary, nilazany fa i Libia dia tahaka ireny firenena "tena mandry fahalemana tanteraka" ireny. Ireo fanehoan-kevitry ny Serba eo anivon'ny aterineto sy tany anaty fampielezam-baovaom-pirenena ka ahitàna fanekena tanteraka sy fanohanana ny tantaran'i Gaddafi.

Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

  06 Marsa 2011

Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.

Fahalalahana miteny ve ny famporisihana hamono tena?

GV Mpisolovava  06 Marsa 2011

Misy tranga iray mivoatra any Minnesota izay mahatonga ny fanontaniana hoe inona ny fahalalahana miteny. Ilay mpitsabo taloha William Melchert-Dinkel, 48 taona, avy any Faribault dia voapanga niaraka tamina lehibe roa ho namporisika, nanome toro-hevitra na nanampy ny hafa hamono tena. Kanefa nilaza ilay mpahay lalàna misolo vava azy ireo, tao amin'ny aterineto, fa fahalalahana miteny ny toro-hevitra nataon'ny olona soloiny vava.

Bahrain: Diabe Roa Samihafa Ho an'ny Firaisam-pirenena

Nitohy ny tolona am-pilaminana tany Bahrain tamin'ny Talata raha nikarakara fihaonamben'ny Firaisam-pirenena ny fito tamin'ireo vondrona mpanohitra goavana, manomboka any Salmaniya sy ny faritr'i Seef mankany amin'ny Fiodinana Pearl (Lulu). Amin'ny Alarobia, hisy fihaonambe iray hafa hokarakarain'ny vondrona antsoina hoe Fihaonamben'ny Firaisam-pirenena, miaraka amin'ny ny fangatahany manokana.

Libya: Fanantenana lehibe ny Fahafahana zoma

It's already Friday in Libya, and emotions are running high, as more protests are planned after Friday prayers in the capital Tripoli to oust dictator Muammar Al Gaddafi. Libyans are calling Friday's protests as the Friday of Liberation, in the hope that it will see the end of Gaddafi's regime. Both Tunisia's Zein El Abideen Ben Ali and Egypt's Hosni Mubarak's reigns ended on Fridays, after popular uprisings.

Holandey-Iraniana maty novonoina tany Iran

Novonoin-ko faty tany Iran ny Holandey-Iraniana Zahra Bahrami taorian'ny nahitana fa meloka mikasika ny heloka mikasika ny rongony izy ary nomelohin-ko faty ny 2 Janoary. Nogadraina i Zahra Bahrami ny 27 Desambra 2009 raha toa izy ka nanatrika ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta araka ny vaovao voaray.