Tamin'ny 2018, tao anatin'ny fifanaraham-piarahamiasa amin'i Rosia, noraisin'ny République Centrafricaine (RCA) ny andiana paramilitary rosiàna “Wagner“. Nitarika ho amin'ny hatezeran'i Frantsa io tranga io, izay nahita fa voatohintohina ny tombontsoany ary toherina ny heriny, nanamarika araka izany ny fiantombohan'ny krizy diplaomatika teo amin'i Bangui, renivohitr'i Centrafrique sy Parisy.
Tamin'izany fotoana izany i Frantsa dia nandrahona nibaribary ny hanapaka ny fifandraisana rehetra amin'ny firenen'i Faustin-Archange Touadéra, filoha amperinasa hatramin'ny Martsa 2016. RCA dia zanatany frantsay fahiny, izay nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny 13 Aogositra 1960, saingy vetivety foana dia niatrika fikorontanana ara-pôlitika marobe. Im-betsaka no nantsoina i Frantsa, toy ny nandritra ilay firotsahana an-tsehatra farany nataon'ny tafika frantsay, noho ny fangatahan'i François Bozizé (filoha ny 2003 hatramin'ny 2013) tao anatin'ilay hetsika Sangaris natao ny 5 Desambra hatramin'ny namela miaramila 130 tao amin'ilay firenena i Frantsa, tao anatin'ny nantsoina hoe iraka fampitaovana.
Tao anaty naoty iray tamin'ny Martsa 2018, izay naverin'ny Corbeau news Centrafrique (CNC) noraisina, tezitra mafy tamin'ny fomba fitondràna ireo olony tavela tao amin'ilay firenena i Parisy. Araka ny nambaran'ny CNC, nitarainan'i Parisy ireo fisavàna natao tamin'ireo fiaramanidiny. Tao anatin'ny lahatsorany, ny CNC nanoratra fa:
(…)ny fiaramanidin-dry zareo rehefa hipetraka eo amin'ny seranam-piaramanidina Mpoko ao Bangui dia toy ny menaka atondraka afo matetika no fijerin'ireo lehilahy mitam-piadiana azy, lehilahy fantatra ho toy ny Rosiàna mpikarama an'ady. (…) Zon'i Frantsa ny nampiantso ny masoivohony, ary avy amin'izany no nampiatoany ireo fifandraisana diplaomatika sy ara-barotra tamin'ny RCA.
Araka izany dia natsahatr'i Frantsa ny fanampiana ara-bola avy aminy ho an'i Centrafrique ary notapahany koa ny fifanarahana ara-tafika tamin'ilay firenena. Tamin'io, Parisy nanambara fa :
Im-betsaka ireo manampahefana tao Centrafrique no nandray fanapahankevitra tsy notanterahany akory, na teo amin'ny sehatra pôlitika manoloana ireo mpanohitra izany , na teo amin'ny fitondrantenany manoloana an'i Frantsa, izay lasibatry ny fampielezankevitra fanalàm-baràka nidadasika tao RCA. Tsy nisy nidiran'ireo Rosiàna io, fa ry zareo tao Centrafique mihitsy no mpiray tsikombakomba tamin'ilay fampielezankevitra.
Fiantombohan'ny famerenana indray
Taorian'ny fotoana nangatsiaka naharitra teo amin'ireo firenena roa tonta, tamin'ny Septambra 2023 dia niverina indray ny fifampiresahana diplaomatika. Araka izany, avy amin'ny fangatahan'i Frantsa, ny 13 Septambra 2023, nisy fihaonana iray natao tao Parisy, teo amin'ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy Faustin-Archange Touadéra. Ny adihevitra nifanaovan'ireo filoham-panjakana roa dia nanodidina ireo lohahevitra marobe, toy ny nampitsaharana ny fanohanana ara-bola avy amin'i Frantsa, ny fiandrianam-pirenena, ary ny fisian'ilay vondrona paramilitary Wagner ao Centrafrique. Teo amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), Touadéra nanoratra hoe :
Sur invitation de M. le #Président @EmmanuelMacron de la République Française j’ai été reçu à l’#Elysée pour une visite de travail.
Nous avons avec le Président #MACRON échangé longuement sur les questions liées à la #coopération entre nos deux pays en vu de [..]
1/3 pic.twitter.com/zgCdhA0245
— Faustin-Archange Touadéra (@FA_Touadera) September 14, 2023
Avy amin'ny fangatahan'Atoa @EmmanuelMacron #Filohan'ny Repoblika Frantsay, dia noraisina tao amin'ny lapan'ny #Elysée aho, nanao fitsidihana narahana asa.
Nifanakalo hevitra elabe izahay sy ny filoha #MACRON momba ireo olana mifandray amin'ny #fiarahamiasan'ny firenena roa tonta mba [..]
1/3 pic.twitter.com/zgCdhA0245
— Faustin-Archange Touadéra (@FA_Touadera) 14 Septambra 2023
Ny 17 Aprily 2024 ny fihaonana manaraka eo amin'ireo filoha roa tonta. Amin'ity indray mitoraka ity no apetrak'i Macron sy Touadéra ny fototra ho an'ny fifandraisana vaovao eo amin'ny firenena roa tonta, amin'ny alàlan'ny fametrahana soridàlana. Araka ny fampitambaovao iray notanisain'ny Radio France Internationale (RFI), tanjon'ny lapan'ny Élysée ny :
(…) handray anjara amin'ny fampitoniana, fanamafisana ny firaisankinam-pirenena amin'ny ankapobeny araka izay tratra ary ny hanohana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sôsialy an'i Centrafrique.
Ao amin'ny kaontiny X, ny masoivohon'i Frantsa ao Centrafrique no mamoaka ity fanambaràna manaraka ity :
Le Président @EmmanuelMacron et son homologue #centrafricain, Faustin-Archange Touadéra, ont examiné les relations bilatérales et la situation régionale au Palais de @Elysee. Ils ont adopté une feuille de route pour renforcer les liens entre nos deux nations. @RCA_Renaissance pic.twitter.com/doIHG2yNLy
— La France à Bangui (@FranceBangui) April 17, 2024
Nodinihan'ny filoha @EmmanuelMacron sy ny filohan'i #centrafrique, Faustin-Archange Touadéra, tao amin'ny lapan'i @Elysee, ny fifandraisan'ny firenena roa tonta sy ny toedraharaha ao amin'ny faritra. Nandrafitra soridàlana iray ry zareo ho fanamafisana ny fifamatorana eo amin'ny firenentsika roa tonta. @RCA_Renaissance pic.twitter.com/doIHG2yNLy
— La France à Bangui (@FranceBangui) 17 Aprily 2024
Teo am-pivoahana tamin'io fihaonana io, nanazava i Touadéra fa tsy nisy velively fifandroritana teo amin'ny fireneny sy i Frantsa. Teo amin'ny fandraisampeon'ny France 24, notsindriany fa :
Tsy nandroaka Frantsay velively i RCA, izany koa dia anisan'ny vaovao diso naely na tsy fahazoan-dresaka. Nambaranay fa tamina fotoana iray voarfaritra, i Frantsa no nisintona ireo miaramila sangarista [ireo miaramila frantsay nandray anjara tamin'ny hetsika Sangaris], fa efa tsy any intsony izao ny resaka. Amin'izao fotoana izao, eo an-dàlana mijery ny sehatra azonay iarahana miasa izao izahay, ao anatin'ny fanajàna ny fiandrianam-pirenena.
Azo antoka fa ny fitomboan'ireo fihaonana eo amin'ny firenena roa tonta tao anatin'nyf otoana fohy dia manamafy ny fahavononana hiainga indray amina fototra tsara. Na izany aza, mbola ho hita ao amin'ilay firenena ihany i Rosia. Ireo Rosiàna mpampianatra naparitaka ao amin'ilay firenena dia misahana ny fampiofànana ireo andian-tafika mitam-piadiana ao Centrafrique (Farca). Ny hafa miantoka ny fiarovana an'i Faustin-Archange Touadéra.
Fikirakiràna iray mitondra lohateny hoe : Touadéra-Macron : rehefa nanokanan'i Centrafrique fotoana ny akoholahy frantsay sy ny bera rosiàna, nosoratan'i Damien Glez, safiotra frantsay-borkinabe mpanao sary sy mpanoratra matoandahatsoratra ho an'ny gazetiboky Jeune Afrique, no manazava ny lalaon'i Touadéra manoloana ireo firenena roa matanjaka. Tao anatin'ny famoahany, nanoratra i Damien Glez hoe:
Mpisavalàlana amin'ny fiarahana miasa amin'ireo mpikarama an'adin'ny orinasa paramilitary Wagner, mety ho labaoratoara ho an'ny fiaraha-mitoetran'ny Frantsay sy Rosiàna i Centrafrique ato ho ato.
Lavidavitra kokoa ao anatin'io famoahany io ihany, maneho hevitra ilay mpamoaka matoandahatsoratra, amina tsindrimpeo maneso :
Araka ny lahateny ôfisialy nambaran'i Bangui, mbola fikasàn'ilay firenena ny hitazona ny fifandraisany amin'i Frantsa izay tany aloha be tany, dia midika ihany koa fipetrahan'ireo miaramila maro. Ambany fitsimbinan'i Kremlin, araka izany , ny filohan'ny RCA Faustin-Archange Touadéra dia manokana fotoana ho an'ny osy frantsay sy ny laisoa rosiàna. Na ny akoholahy sy ny bera, raha ny marina kokoa.
Ety anaty aterineto
Heverin'ny sasany amin'ireo mpampiasa aterineto ao Centrafrique fa tsy hisy vokany ny fiverenan'ny fifampiresahana eo amin'ny firenena roa tonta. Ho an'ireo fanehoankevitra sasany, Mety hanao hadisoana i Touadéra tamin'ny fiverenany tamin'ilay fanapahankeviny, taorian'ny nanamarihany ny fiafaran'ny fisian'ny Frantsay tao Afrika, no sady niantso an'i Rosia.
Ao amin'ny tambajotra X, misy mpampiasa aterineto maneho hevitra amin'ilay fanambaràna izay, raha nyfilazany, dia fialàna bàla ho an'i Frantsa mba hiverenany ao amin'ilay firenena:
C'est un prétexte pour revenir en Centrafrique 🇨🇫. @FA_Touadera est averti ! Nous acceptons les partenariats bilatérales mais pas de supériorité dans les accords. Or connaissant Paris 🇨🇵… je préfère me taire et observer la suite.
— AGÈ VI (@stephMHD229) April 17, 2024
Fika iray io hiverenana ao Centrafrique 🇨🇫. efa nampitandremina i @FA_Touadera ! Ekenay ny fiarahamiasan'ny firenena roa tonta, saingy tsy misy hihevi-tena ho ambony ao anatin'ireo fifanarahana. Kanefa fantatra tsara raha i Parisy 🇨🇵… Aleoko mangina sy mitazana ny tohiny.
— AGÈ VI (@stephMHD229) 17 Aprily 2024
Tamin'ny fiandohan'ny Febroary 2024, RCA nanambara ny fananganana ny toby miaramila rosiàna iray ao amin'ny firenena, izy santatra ho an'i Maosko any Afrika.
Amin'izao fotoana toa iverenan'ny fifandraisan'ny roa tonta izao, inona no ho filalaon'i Parisy manoloana an'i Maosko ao amin'ny firenena iray izay mahay milalao tanjaka iray hifanandrina amin'ny iray hafa?