Accra, renivohitr'i Ghana, no lasa ivon'ireo zavabita tsara indrindra tamin'ny fanatanjahantena afrikàna nandritra ny fanokafana ny Lalao Afrikàna faha-13 tamin'ny 8 Martsa. Ny fandraisana mafàna nataon'ny filoha Nana Akufo-Addo an'ireo atleta avy amina firenena afrikàna 54 no mariky ny fanahin'ny firaisankina sy fifaninanana izay mamaritra ity hetsika ara-panatanjahantena malaza sy ahitana taranja maro ity.
Na nisy fihemorana herintaona aza, tontosa ihany ilay hetsika, niaraka tamin'ny halehibe mendrika azy amin'ny maha-hetsika ara-panatanjahantena marolafy voalohany azy ao Afrika. Miaraka amin'ny tetibola eo anelanelan'ny 195–250 tapitrisa dôlara amerikàna, tsy nitsitsian'i Ghana vola ny fiantohana ny hampahomby ilay fifaninanana sy hahatonga azy ho tsy hay adinoina, izay nahasarika ny mpanaraka erantany.
Ireo Lalao dia natao ho sehatra iray tena ilaina ho an'ireo atleta mpankafy sy maniry ny ho lasa matianina, mba hanehoan-dry zareo ny talentany. Ankoatra izay dia nitàna toerana iray sarobidy ry zareo tamin'ny firosoana tamin'ny fampivoarana ireo fotodrafitrasa maoderina fanaovana fanatanjahantena manerana ny tanibe afrikàna, miaraka amin'ireo tantaram-pahombiazana any amin'ireo firenena toa an'i Maraoka sy Afrika Atsimo.
Maherin'ny 5.000 ireo atleta avy amina firenena afrikàna 54 no nandray anjara tamina taranja 29 samihafa tamin'ilay hetsika izay natao ny 8-24 Martsa. Ireo Lalao dia natao ihany koa ho sehatra iray hifantenana ireo atleta afrikàna handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2024 any Parisy amin'ny taranja badminton, ny hazakazaka am-bisikilety, ny tennis ambony latabatra, ny triathlon ary ny tolona.
@tv3gh_official Ireo zava-nisongadina tamin'ny Lalao Afrikàna faha-13 – Famaranana ny lalao baolina kitra tao amin'ny Accra Sports Stadium. #3Xtra ♬ original sound – TV3 Ghana
Fivoaran'ny Lalao Afrikàna
Tantara manankarena ny an'ny Lalao Afrikàna, efa hatrany amin'ilay andiany fanokafana tamin'ny 1965. Natao tao Brazzaville, Congo, 2.500 ireo atleta avy amina firenena afrikàna 30 no nandray anjara nifaninana tamin'ilay ho lasa fampisehoana ara-panatanjahantena marolafy ao amin'ilay tanibe.
Na teo aza ireo fanamby naharitra nateraky ny ady an-trano sy ny fahasarotan'ny fampitaovana teo anelanelan'ny 1969 sy 1987, dia naharitra ireo Lalao, nahatazona ny tsingerina isaky ny efatra taona nanaovana azy. “All Africa Games” no anarany tany am-piandohany, avy eo novàna anarana ho “African Games” tamin'ny 2015; nitafy lanja miavaka tao Brazzaville, izy nanamarika ny tsingerintaona volamenany, ilay hetsika tamin'izay taona izay.
Ny fanolorantenan'ny Firaisambe Afrikàna
Ny Aogositra 2018, ny Firaisambe Afrikàna dia nanasonia ny Memorandum of Agreement (MOA) nifanaovany tamin'ny Association of National Olympic Committees of Africa (ANOCA), ilay sampana nomena andraikitra hikarakara sy hitantana ny Lalao Afrikàna, miaraka amin'ny Association of African Sports Confederation (Fikambanan'ireo Kaonfederasiônan'ny Fanatanjahantena Afrikana).
Ny MOA nanipika ny tanjon'ireo Lalao, toy ny “fanatsaràna ny kalitao sy ny fahafaha-mifaninan'ireo lalao afrikàna sy ireo atelta mpandray anjara … fanatsaràna ny vola raisina, ny fiahiana ary ny resaka ara-barotr'ireo Lalao.” Fanampin'izany, ireo Lalao dia ho toy ny “fanomanana sy fifantenana izay hiatrika ireo Lalao Olaimpika sy ireo fifaninanana iraisampirenena hafa.”
Nantenain'ny vaomieran'ny Firaisambe Afrikàna ihany koa ny hampiroborobo ny firindràna sy ny fampivondronana asa ho ao anatin'ilay hetsika ara-panatanjahantena afrikàna, tamin'ny fiantohana fa ireo Lalao dia ho “banja malalaka ho an'ireo atleta mendrika indrindra ao amin'ny tanibe — amin'ny maha-mariky ny firaisankina sy ny fiarahamiasa azy. Teo ambany fiahian'ny Sekretarià-n'ny Filankevitra ho an'ny Fanatanjahantena ao anivon’ny Firaisambe Afrikana, ny Firaisambe Afrikàna dia nanohana ny firotsahan'i Ghana hampiantrano ireo Lalao, nanome anarana ny 2024 ho “Taonan'i Afrika ho an'ny Famirapiratana ara-Panatanjahantena.”
Taninketsan'ny mpandresy
Tena vimiaina ho an'ireo ho tompondaka any aoriana, ireo Lalao dia manome vintana ho an'ireo atleta vao misandratra mba hanana topimaso amin'ny sehatra manerantany sy izay takian'izany.
Ohatra, ilay atleta kameroney mpilalao atletisma, Françoise Mbango Etone, nahazo ny medaly volamenany voalohany nandritra ireo Lalao Afrikàna 1999 tao Johannesburg, Afrika Atsimo. Avy eo izy nahazo medaly volamena ôlaimpika roa, nanamontsana ihany koa ny zavabita tsara indrindra tamin'ny “triple saut” sokajy vehivavy. Mbola vao 19 taona ilay Afrikàna Tatsimo mpilomano, Chad Le Clos, fony izy nifaninana nandritra ny Lalao Afrikàna 2011 tao Maputo, Mozambika, nahazo medaly volamena dimy tamin'io hetsika io. Herintaona taorian'izay, nahazo medaly volamena iray izy tamin'ny sokajy “papillon” 200 metatra nandritra ireo Lalao Ôlaimpika 2012 tao Lôndra. Nitohy avy eo ny famirapiràtany tamin'ny dingana nolalovany, tamin'ny nandrombahany medaly 16 nandritra ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany, volamena fito nandritra ny Lalaon'ny Commonwealth ary volafotsy tamin'ireo fifaninanana hafa. Tamin'ny Lalao Afrikàna 2011 tao Maputo i Julius Yego avy ao Kenya no nahazo ny medaly volamenany voalohany tamin'ny sokajy fanipazana lefona. Vitan'i “Mr. YouTube,” araka ny anara-malaza iantsoana azy, ny nampiasa ireo Lalao ho vimiaina hitondra azy amin'ny sehatra iray maha-atleta tsy mihazakazaka kanefa mahomby avy ao Kenya sy Afrika ary nanoratra zavabita tsara indrindra iray ho an'i Afrika.
Toa an'i Mbango, Le Clos sy Yego voalaza etsy ambony, marobe ireo atleta afrikàna nivoaka avy tamin'ny tsy fantatra nankany amin'ny fahalehibeazany taorian'ny nampivoaran-dry zareo ny fahaizamanaony sy nakàny traikefa tamin'ireo Lalao Afrikàna, ary tsy tara tamin'izany ny Lalao tamin'ity taona ity.
Natomboky ny Lalao ihany koa ny fampidirana ny cricket sy ny haiady mifangaro, ity farany izay natao ho toy ny fanatanjahantena fampisehoana fotsiny. Midika izany fa tsy misy medaly natao horombahana. Ny haiady mifangaro dia toa ho ampidirina ho isan'ireo taranja amin'ny Lalao Ôlaimpika amin'ny manaraka.
Ny fijerin'ny daholobe ny andiany natao tamin'ity taona ity
Tsy hoe nizotra tsy nisy sakantsakana akory ireo Lalao Afrikàna izay vao avy nofaranana tao Accra, Ghana. Nahemotra avy any amin'ny Septambra 2023 ho ny Martsa 2024 noho ny fifandroritana momba ny zo ara-barotra, mbola nisedra fanamby fanampiny koa ilay hetsika noho ny toedraharaha ara-toekarena nisy an'i Ghana, niseho tamin'ny alàlan'ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny fihenàn'ny sandam-bola. Tsy fahombiazana no vokatra hitan'ny toekarena ghaneàna, miaraka amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana nahatratra efa ho 40 % tamin'ny 2023, ary 20% amin'izao fotoana izao, fony tena resy be ny cedi Ghaneàna tamin'iny Martsa iny, nampihena ny tahirimbola ivelan'ilay firenena, izay nambaran'i Bloomberg Africa ho ny “vola fahatelo ratsy vokatra indrindra tao Afrika“. Niantraika tamin'ny vidin-tsakafo sy ny fandaniana niatrehana ny Lalao ny vidim-piainana midangana be. Ireo fandaniana goavana tsy maintsy natao ary ny toeran'ny toekarena dia nitarika ireo mpanakiana hanontany raha toa ka ilaina tokoa ny handraisana ireo Lalao.
Ny fanakianana avy amin'ny sehatra sasany, indrindra fa ny an'ilay filohan'i Ghana fahiny, John Mahama, dia manipika ny zava-tsarotra sy ireo fifanoherana manodidina ny fampiantranoana hetsika goavana tahàka izany manoloana ireo fanamby ara-toekarena. Ilay Ghaneàna mpahay toekarena, Daniel Anem Ameteye, dia nanamarika fa tsy fotoana tokony handraisana ireo Lalao izao, tamin'ny filazàna fa, “… [T]sy fahamalinana ny handraisana ireo Lalao.”
Marobe ireo mpanao gazety sy manampahaizana no nizara ihany koa ny fahatsapan-dry zareo tao amin'ny X (Twitter taloha). Muftawu Nabila, mpanoratra momba ny fanatanjahantena no sady fakankevitra ho an'ireo media, nilaza fa:
“It's not the first time we have hosted major events like this,” Ghanaian sports journalist Muftawu Abdulai said.
“Maintenance has always been our problem.
“If we can maintain these facilities, then the benefits will really come to Ghanaian sports.”https://t.co/7t2lWPLlCO
— Muftawu Nabila Abdulai (@Muftawu_Nabila) March 14, 2024
“Tsy vao voalohany akory izao isika no mampiantrano hetsika goavana be tahàka io,” hoy ilay Ghaneàna mpanao gazety ara-panatanjahantena, Muftawu Abdulai.
“Ny fikolokoloana no tena olantsika mandrakariva”.
“Raha vitantsika ny mikolokolo ireny fotodrafitrasa ireny, dia tena hahazo tombony marina ny fanatanjahantena ghaneàna.”https://t.co/7t2lWPLlCO
— Muftawu Nabila Abdulai (@Muftawu_Nabila) 14 Martsa 2024
Gary Al-Smith nanoratra lahatsoratra iray lavabe namintinany ireo fanamby, ny fandresena ary ireo hirika tsy vita nohararaotina tamin'ireo Lalao:
I enjoyed covering the #AfricanGames a bit too much.
From apparently being a member of Team Negative Stories to following feats of incredible physical prowess by the athletes, it's been fun. I'd like to shout out my Five Heroes of the #AfricanGames2023.
🏅 𝗧𝗵𝗲 𝗽𝗲𝗼𝗽𝗹𝗲… pic.twitter.com/juEkdDzj9G
— Gary Al-Smith (@garyalsmith) March 25, 2024
Toa tiako loatra ny mandrakotra ireo #LalaoAfrikàna
Na amin'ny toa maha-mpikambana iray anatin'ny Team Negative Stories ka hatramin'ny fanarahana ireo ezaka ara-batana tsy mampino nataon'ireo atleta, dia nahafinaritra ilay izy. Tiako hokiakiahana ireo Maherifo Dimy-ko tamin'ireo #LalaoAfrikàna2023.
🏅 𝗧𝗵𝗲 𝗽𝗲𝗼𝗽𝗹𝗲… pic.twitter.com/juEkdDzj9G
— Gary Al-Smith (@garyalsmith) 25 MArtsa 2024
Na teo aza ireo fanamby natrehana, dia nijoro ho fanilo iray ho an'ny fifaninanana ara-panatanjahantena afrikàna ireo Lalao tao Accra ary fampahatsiahivana ny fanolorantena tsy azo nohozongozonina avy amin'ilay tanibe mba hampivoatra ireo talenta sy hampiroborobo ny firaisankina amin'ny alàlan'ny fanatanjahantena.