Tantara tamin'ny Tselatra sy Tantara
Mpikatroka iray nandika ny Minecraft, manga, sy Harry Potter avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny fiteny Chuvash
Nihamafy vao haingana ny fahalianana amin'ny fiteny indizeny any amin'ny repoblika sasany ao Rosia. Mipoitra amin'ny media sosialy isan-karazany ny vondrom-piarahamonina, manampy amin'ny fianarana ny fiteny sy mampiasa azy ireny amin'ny fiainana andavanandro.
Mihamivoatra ny nentin-drazana tsimanampaharoa hiraina mandritra ny Ramadany ao Azia Afovoany
Ny fitomboan-dazan'ny Jaramazan no mitondra azy ho any amin'ny trano fisakafoana, zaridainam-panjakana, lalana, ary birao, izay tanterahan'ny mpihira matihanina, ny ankizy madinika ary ny tanora.
Sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan mampihetsi-po sy mampiseho fifamatorana misy eo amin'ny reny iray sy ny zanany
Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika Ruslan Akun, ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Mampanahy ireo miozolomana ny fironana mamely ny fivavahana vao haingana nataon'i Ozbekistan
Tsy vao sambany ny miozolomana ao Ozbekistan, izay mandrafitra ny 94 isanjaton'ny mponina, no miatrika fanenjehana noho ny finoany.
Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan
Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboarimboarina sy nofaritan’ny governemantan'i Karimov tao Ozbekistan hoe “ekstremista”.
Ny zanakalahin'ny filohan'i Tajikistan no nampahomby ny ekipam-pirenena tamin'ny fiadiana ny amboara Aziatika
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'izay rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe "Orzu-2026" (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra
Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy.
Ao anaty fanadihadiana iray vaovao, Ozbekistan mankalaza ny hetsika reformista Jadid
Toa mbola haharitra ela ny fiverenan'ny Jadid eny amin'ny habaka natao ho an'ny daholobe, miaraka amin'ny governemanta mampiasa ny lova navelan'izy ireo ho fitaomam-panahy.