Mampanahy ireo miozolomana ny fironana mamely ny fivavahana vao haingana nataon'i Ozbekistan

Olona mamonjy fivoriam-bavaka zoma eo ivelan'ny Moske Minor ao Tashkent. Sary avy amin'ny mpanoratra. Nahazoana alalana.

Tamin'ny 2 Febroary, lehilahy be volombava 10 farafahakeliny no nosamborin'ny polisy tao Tashkent renivohitr'i Ozbekistan, ary nentina tany amin'ny tobin'ny polisy, ka noterena hanaratra ny volombavany izy ireo raha tsy izany migadra. Tao amin’ny tsenan’i Malika, fivarotana kojakoja momba ny trano sy fitaovana elektronika no nisehoan’ity tranga ity, rehefa niverina tany amin’ny toeram-piasany ireo tompon’ny tranombarotra avy nanatrika vavaka Zoma tao amin’ny moske teo akaiky teo.

Nanasongadina ny Radio Free Europe/Radio Liberty amin'ny fiteny Ozbeka na Radio Ozodlik, izay nitatitra ity tantara ity, fa iray amin'ireo bemidina maromaro mpitranga an-taonany maro teny an-tsena izany. Araka ny filazan’ireo voasambotra nandritra ireo bemidina ireo, noterena hanaratra ny volombavany izy ireo noho ny antony ara-pivavahana. Ity no tranga farany amin'ny fironana mampiahiahy ampiharan'ny manampahefana Ozbeka fepetra manohitra ny fivavahana, manitsakitsaka ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny zo hanaraka ny fivavahany.

Tamin'ny volana Septambra 2023, voalaza fa nanakatona trano fisakafoana 10 tao Tashkent farafahakeliny ny manampahefana noho izy ireo nametraka ny tenany ho halal ary tsy nivarotra toaka tamin'ny mpanjifa. Nambaran’ny tompon’izy ireo fa nahazo filazana tsy ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitra izy ireo fa avela hisokatra indray raha manaiky hivarotra toaka. Nisy ihany koa ny tatitra fa mangataka amin'ireo tompona fivarotana izay mivarotra asa soratra, ranomanitra ary akanjo Silamo ny sampan-draharahan'ny fampiharan-dalàna mba hanova ny anarany Silamo amin'ny fivarotany sy hanala tarehintsoratra Arabo eo amin'ny varavarankely.

Nitranga ireo taoriana kelin'ny fivorian'ny (filankevitry ny?) governemanta natao tamin'ny fiandohan'ny Septambra 2023 miresaka momba ny “fitomboan'ny radikalisma ara-pivavahana” ao amin'ny firenena. Notarihin'ny Praiminisitra Abdulla Aripov izany ary nifantoka tamin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny fivavahana any am-piasana, ny fananana vehivavy maro hovadiana, mifototra amin'ny Sharia, ary ny fanatrehan'ny manampahefana ny hetsika ara-pivavahana. Namoaka fampitandremana farany i Aripov tamin'ny fivoriana ho an'ireo tompon'andraikitra, izay nilaza fa tsy afaka sady miasa no mampihatra ny fivavahana any amin'ny asam-panjakana ry zareo.

Tsy vao sambany no niatrika fanenjehana noho ny finoany ireo Silamo ao Ozbekistan, izay mandrafitra ny 94 isanjaton'ny mponina. Mampahatsiahy ny fitondran’Islam Karimov, filoha voalohany, izay naharitra nanomboka tamin'ny taona 1991 ka hatramin'ny nahafatesany tamin'ny taona 2016 izao fampiharana fepetra henjana vao haingana izao. Voamariky ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny fivavahana sy ny fisamborana araham-pampijaliana olom-pirenena noho ny fanehoana ampahibemaso ny fivavahany, izay nafangaro tamin'ny extremisme, ny fitondran'i Karimov. Izany toe-javatra izany no nametraka an'i Uzbekistan ho ao amin'ny sokajy maditra indrindra amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahana ara-pivavahana eto amin'izao tontolo izao, araka ny lisitry ny mpanitsakitsaka Fahalalahana Ara-pivavahana Iraisampirenena, nitoerany hatramin'ny taona 2020, ao amin'ny Vaomieran'i Etazonia.

Ity misy lahatsary YouTube misy tantaran'ireo sisam-paty tamin'ny famoretana ara-pivavahana natao nandritra ny fitondran'i Karimov.

Noho ny fanavaozana nataon'i Shavkat Mirziyoyev, filoha ankehitriny rehefa tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2016 no nanesorana an'i Ozbekistan tamin'ity lisitra mahatsiravina ity. Anisan'ny fivoarana tsara nitranga nanomboka teo ny fanakatonana ny fonjan'i Jaslyk malaza, izay nitazonana sy nampijaliana ireo gadra politika sy fivavahana ka namotsorana heloka sy nanafahana ireo voampanga ho nanao extremisme, ary nanesorana tao amin'ny “lisitra mainty”-n'ny sampam-piarovana anaran'olona 16 000 ahitana mpivavaka heverin'ny manam-pahefana ho mpitrifana.

Na izany aza, efa mahatratra ny tendrony sahady tsy misy fizahana fanovana ara-pitsarana sy araka andrim-panjakana ny fanavaozana ara-pivavahana. Na dia misy aza ny marimaritra iraisana fa tsara lavitra noho ny fitondran'i Mirziyoyev ny toe-pahalalahana ara-pivavahana, dia tsy azo lavina fa be ihany koa ny mila fanatsarana. Amin'io lafiny io, mampanahy ny miozolomana Ozbeka mailaka hampihatra ankalamanjàna ny fivavahany ny fibolisarana vao haingana farany teo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.