
Afisin'ny sarimihetsika “Beyish enenin tamanynda” (Ao ambany tongotry ny renim-pianakaviana ny lanitra). Pikantsary avy amin'ny horonantsary “Эрлан Андашев – Апа (“OST БЕЙИШ-ЭНЕНИН ТАМАНЫНДА”)” tao amin'ny fantsona Youtube an'i Erlan Andashev. Fampiasana ara-drariny.
Tamin'ny 1 Martsa, nisy sarimihetsika Kyrgyz vaovao antsoina hoe “Beyish enenin tamanynda” (Eo ambany tongotry ny renim-pianakaviana ny lanitra[paradisa]) navoaka voalohany tao amin'ny trano fijerena sarimihetsika ao Kyrgyzstan. Tantarain'ilay sarimihetsika i Adil 35 taona, izay nijanona teo amin'ny faha-8 taonany ny fitomboany ara-tsaina, sy ny reniny Raykhan, 75 taona. Asaina hanaraka ny dian'izy ireo ny mpijery satria mitarika ny reniny amin'ny sarety hitondra azy hiala ao Kyrgyzstan ho any Arabia Saodita mba hanao hajj, fivahiniana masina, any Lameka i Adil.
Ity ny sombin'ilay sarimihetsika ao amin'ny YouTube.
Notezain’ny reniny i Adil, izay niezaka niaro azy tamin’ny fanesoana tamin’ny filazana taminy fa anisan’ny olona tian’Andriamanitra izy ary ho any an-danitra. Rehefa nahafantatra tamin'ny iray tamin'ireo namany fa afaka mankany an-danitra ireo reny izay mitondra ny zanany ho any Lameka hanao hajj, dia nanapa-kevitra ny hanao izany i Adil mba hahazoana antoka fa afaka mankany an-danitra koa ny reniny ary hiaraka aminy ho any.
Mitety firenena maro ary mamakivaky ireo fanamby maro amin'ny dia an-tongotra sy ny fanampian'olon-tsy fantatra tsara fanahy ny dian'izy ireo maharitra ela sy mampidi-doza. Feno fotoana mahafinaritra ilay filma rehefa manampy tsy misy fitiavan-tena an'i Adil sy ny reniny ireo vahiny. Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika, Ruslan Akun, dia ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Ity misy lahatsary YouTube miaraka amin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny talen'ny sarimihetsika sy ireo mpiantsehatra fototra.
Mba hamerenana indray ny lalan'ny fivahiniana masina nandehanana an-tongotra, tany amin'ny firenena fito samy hafa no nakàna ny sarimihetsika: Kyrgyzstan, Ozbekistan, Kazakhstan, Azerbaijan, Torkia, Syria, ary Arabia Saodita, ka nahatonga azy io ho tetikasa sarimihetsika lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'i Kyrgyzstan amin'ny lafiny famokarana. Araka ny filazan'ilay mpiantsehatra fototra sady mpiara-manoratra ny rafi-tantara, Emil Esenaliev, zava-dehibe ny fandraisan'ny filohan'i Kyrgyzstan, Sadyr Japarov, anjara tamin'ny fandresena ireo sakana ara-pitantanana sy ara-pitaovana mifandraika amin'ny fanatanterahana ilay sarimihetsika tamin'ny toerana maro dia maro.
Tsy kisendrasendra ny fanohanan'i Japarov ny sarimihetsika ary mifanaraka amin'ny politikany midadasika kokoa amin'ny fampiroboroboana ny soatoavina nentim-paharazana. Tamin'ny taona 2022, ohatra, nanao sonia ny didim-panjakana “Momba ny Fomban-drazana Nasionaly” izy ary nangataka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka mba hanao asa fanentanana eo amin'ny mponina mba hanaparitahana ny fomban-drazana Kyrgyz, ao anatin'izany ny fomban-drazana manaja sy manompo (mikarakara) ny ray aman-dreny ao anatin'ny fahanterany, izay ampiroboroboin'ilay sarimihetsika.
Nanohana ny sarimihetsika ihany koa ireo mpitondra fivavahana Islamika ao Kyrgyzstan tamin'ny nahatongavany hijery ny fampisehoana azy voalohany ary nihira fiderana azy taorian'izay. Azo heverina ho toy ny fampiroboroboana ny finoana silamo ilay sarimihetsika, satria miompana amin'ny iray amin'ireo andry (dimy ao aminy), ny hajj, ary mindrana ny anarany avy amin'ny tenin'ny Mpaminany Mohammed, izay nilaza fa eo ambanin'ny tongotry ny renim-pianakaviana ny paradisa. Tsy isalasalana fa taratry ny anjara asa miha lehibe kokoa noraisin'ny finoana silamo teo amin'ny fiarahamonina Kyrgyz hatramin'ny nahazoan'ny firenena fahaleovantena tamin'ny taona 1991, taorian'ny firodanan'ny Firaisana Sovietika izany. Ohatra, nitombo ny isan'ny moskea tao amin'ny firenena raha 39 ny isany tamin'ny taona 1991 ary lasa 2.669 tamin'ny taona 2020.
Amin'ny fikasana handika ilay filma ho amin'ny fiteny dimy hafa sy handefa azy amin'ny trano fijerena sinemà any amin'ny firenena telo hafa farafahakeliny, izay hatramin'izao no zava-bita lehibe indrindra vitan'ny indostrian'ny sarimihetsika Kyrgyz teo amin'ny tantara maoderina ao amin'ny firenena. Na izany aza, dia mbola lavitry ny haavo tsy mbola nisy toy izany tratran'ity sehatrasa ity teo anelanelan'ny taona 1960 sy 1970 ary nahazoany ny anaram-bositra sahaza hoe “Zava-mahatalanjona Kyrgyz” izany
Ity misy lahatsary YouTube momba ny fahombiazan'ny indostrian'ny sarimihetsika Kyrgyz teo anelanelan'ny taona 1960 sy 1970.
Amin'izany lafiny izany, manaraka ny dian'ireo filma Kyrgyz lehibe tamin'ny vanim-potoana lasa izay nalaza tany an-dafin'i Kyrgyzstan ny filma vao haingana indrindra an'i Ruslan Akun, nahazo vola an-jatony tapitrisa dolara tany amin'ny fijerena sarimihetsika no sady voatsonga hifaninana amin'ny Oscar mihitsy koa.