Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan  

 

Sarin'i Habibullo, izay tafavoaka velona tamin'ny famoretana ary nandany 21 taona an-tranomaizina. Pikantsary tao amin'ny fantsona YouTube Oxus Society for Central Asian Affairs. Azo ampiasaina.

Fanadihadiana iray mifantoka amin'ny tantaran'ireo tafavoaka velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan antsoina hoe “Oqlanmagan – The Unexonerated” no navoakan’ny Oxus Society for Central Asian Affairs tao amin'ny YouTube tamin'ny 26 janoary. Mitantara ireo olona niharan'ny famoretana ara-pivavahana nandritra ny fitondran'ny filoha voalohany tao Ozbekistan, Islam Karimov, izay nitondra nanomboka tamin'ny 1991 ka hatramin'ny nahafatesany tamin'ny taona 2016 ity fanadihadiana maharitra 27 minitra ity. Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'ny olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboamboarina sy nosokajian'ny governemanta Karimov ho “ekstremista”.

Ity ny horonantsary fanadihadiana “Oqlanmagan — the Unexonorated.”

Nanomboka izany famoretana izany taoriana kelin'ny nahazoan'ny firenena fahaleovantena tamin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991, izay nahitan'i Ozbekistan ireo hetsika isankarazany teo an-toerana mikendry ny hamelomana indray ny mari-panondroany nasionaly sy ara-pivavahana taorian'ny fitondrana Sovietika tsy mino an'Andriamanitra efa ho 70 taona. Hitan'i Karimov ho fandrahonana ho an’ny fitondrany ireo vondrona mpanohana ny demaokrasia sy fivavahana ireo. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 ny famoretana ara-politika tamin'ny  fandraràna ny antoko politika mpanohitra roa, Erk (Fahavononana) sy Birlik (Firaisankina), sy ny fisamborana mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona an'arivony.

Nandany 11 taona sy tapany an-tranomaizina noho ny asany amin'ny maha-mpikatroka ny zon'olombelona azy i Azamjon Farmanov, izay nasongadina tao amin'ilay sarimihetsika. Mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Zon'Olombelona ao Ozbekistan izy ary nitarika ny sampana tao amin’ny faritra Syrdarya afovoantany. Tahaka ny sisa amin'ireo gadra politika sy noho ny fivavahana, nanefa ny saziny tao amin'ny Fonja Jaslyk i Farmanov, izay nofaritany ho “fonja faran’izay tsy mifaditrovana sy manao herisetra indrindra” noho ny fampijaliana ankapobe sy ny endrika hafa amin’ny fampijaliana tsimifaditrovana.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny fonjan'i Jaslyk.

Nanomboka ny famoretana ara-pivavahana taorian'ny fivoriana nalaza ratsy nataon’i Karimov tamin'ireo antokom-pivavahana tao amin'ny tanàna atsinanan'i Namangan tamin'ny taona 1991, izay nanalan’ny vahoaka nifanitsa-kitro baraka azy izay nitaky ny hanovana ny tranoben'ny Antoko Kaomonista ho moske ary mba ho lasa Fanjakana Islamika i Ozbekistan. Olona miisa 70 mahery no voasambotra avy hatrany taorian’ny fivoriana.

Tany am-piandohan'ny taompolo 1990, lasa foiben'ny fifohazana ara-pivavahana i Namangan sy ireo tanàndehibe hafa ao amin'ny Lohasahan'i Ferghana any atsinanan'i Ozbekistan, niadian'ireo antokom-pivavahana eo an-toerana anjara toerana lehibe kokoa ara-pivavahana amin'ny fiainana andavanandro. Vondrona iray antsoina hoe Adolat (Rariny) tamin’izany no nivadika ho Hetsika Islamika tao Uzbekistan (IMU), fikambanana nitombo ho mpampihorohoro tany an-toerana.

Nahatratra ny faratampony ny famoretana ara-pivavahana tamin’ny taona 1998 sy ny manaraka. Tamin'io taona io, nanambàra ny fijoroany ny IMU ary nanambàra ny tanjony hanongana ny fitondran'i Karimov tao Ozbekistan. Ho setrin'izany, nolanian'i Ozbekistan ny Lalàna momba ny fahalalahan'ny feon'ny fieritreretana sy ny fikambanana ara-pivavahana ary nampiriny tao amin’ny Fehezan-dalànan'ny Heloka Bevava ny Andininy faha-159 (fiezahana hanongana lamina ara-dalàmpanorenana), izay fitaovana ara-pitsarana roa nampiasaina betsaka nandritra ny fanenjehana ireo olom-pirenena an'aliny.

Habibullo, featured in the film, spent more than 21 years in prison after being convicted of being a member of Hizb ut-Tahrir, a non-violent Islamic political organization that is banned in Uzbekistan. He shares that he was subjected to torture by the police for six days to force him to confess. During Karimov’s crackdown, Uzbekistan’s conviction rates and rates of prosecution based solely on confession were among the highest in the world. Habibullo notes meeting prisoners convicted of extremism, who had never prayed once in their lives but confessed under torture.

Nigadra 21 taona mahery i Habibullo, hita tao amin'ilay sarimihetsika, rehefa voaheloka ho mpikambana tao amin'ny Hizb ut-Tahrir, fikambanana ara-politika Islamika tsy manaoisy herisetra norarana tao Ozbekistan. Nozarainy fa niharan’ny fampijalian'ny polisy nandritra ny enina andro izy mba hanerena azy hibaboka. Nandritra ny famoretana natao tamin'i Karimov, ny tahan'ny fanamelohana sy ny fanenjehana any Ozbekistan araka ny fiaiken-keloka no isan'ny ambony indrindra eran-tany. Nanamarika i Habibullo fa nihaona tamin'ireo voafonja voaheloka noho ny ekstremisma, izay tsy mbola nivavaka teo amin'ny fiainany fa niaiky ny heloka vitany tamin'ny fampijaliana.

Niharihary ampahany ny halehiben'ny famoretana rehefa tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2016 ny filohan'i Ozbekistan ankehitriny, Shavkat Mirziyoyev. Nanomboka tamin'ny 2017, Miozolomana maherin'ny 18.000 izay voaheloka noho ny ekstremisma no nahena ny saziny na nesorina tao amin'ilay antsoina hoe lisitra mainty misy ny anaran'ireo izay voaheloka tamin’ny ekstremisma. Na izany aza, tsy nisy nafahan’ny manampahefana madiodio na dia iray aza, ka nanasongadina ny fitohizan'ny tsy rariny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.