Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia

Mpiandry ondry any Mongolia mijery ny tendrombohitra. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Hazakazaka ho an'ny rahampitso | Fizarana faha-7 | Dzud: Ririnina mamono any Mongolia” tao amin'ny fantsona YouTube an'i Simon Mundy. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 24 Febroary, nanambara ny Vaomieram-panjakana misahana ny vonjy taitra (SEC) Mongol fa biby fiompy 2,9 tapitrisa no maty vokatry ny dzud ao amin'ny firenena. Loza voajanahary izay mateti-pitranga amin'ny ririnina noho ny rotsak'ora-panala be, ny rivotra mangatsiaka ary ny hatsiaka tafahoatra ny dzud ary mitarika fahafatesan'ny biby fiompy. Ny lehiben'ny ekipa vonjy taitra ao amin'ny SEC, natsangana hiatrika ny loza mitatao, no nizara fa niaina dzud ny 80 isanjaton'ny firenena.

Araka ny filazan'ny manampahefana, miaina ilay antsoin'ny Mongol hoe dzud tumur (vy) ny 21,8 isanjaton'ireo faritra voakasika. Mitranga ity karazana dzud ity rehefa arahin'ny hatsiaka mahery vaika ny hafanan'ny vanim-potoana iray tsy ara-boajanahary, ka mampifangaro tampoka ny ranomandry ary mivaingana tsy azo ibidibidiana eo ambonin'ny tany, ka tsy ahafahan'ny biby miditra ny kijana. Ny 78,2 isanjato ambiny dia miaina dzud tsagaan (fotsy), miavaka amin'ny oram-panala be izay mametra ny fidiran'ny biby amin'ny kijana sy ny fivezivezena.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny dzud any Mongolia.

https://www.youtube.com/watch?v=i07Bk4dtSwU

Tranga mahazatra any Mongolia ny dzud, ary misy karazana dzud maro. Ankoatra ny tsagaan sy tumur dzud, dia misy koa ny khar (mainty), khuiten (mangatsiaka), ary khavsarcan (mifangaro). Ny dzud Khar dia vokatry ny hatsiaka faratampony lava be. Ny dzud Khuiten fitambaran'ny rivotra mahery vaika sy ranomandry lalina. Mitranga ny dzud Khavsarcan rehefa misy ranomandry lalina misy fidinan'ny maripana tampoka, tsy niomanan'ny mpiandry omby sy ny biby.

Hitombo ny isan'ny biby maty raha mbola mitohy izao dzud izao. Efa mikasa ny manampahefana hanangona sy hanary ny fatiny amin'ny lohataona alohan'ny hahatongavany ho lo sy hiteraka aretina. Mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpiandry omby amin’ny fanomezana lasantsy sy mololo ary vilona ho azy ireo amin’izao fotoana izao ny hery rehetra, ary manazava/manadio ny lalana mba hahafahan’ny mpiandry omby mitondra ny biby fiompiny ho an-kijàna tsy dia tratry ny dzud. Mirotsaka an-tsehatra amin'ity iraka famonjena ity ny rehetra ao Mongolia; tamin'ny 24 Febroary dia nahatratra 1,6 lavitrisa MNT (473,000 dolara amerikana) ny sandan'ny fanomezana.

Mety hanampy ireo Mongol mpiompy ireo ezaka rehetra ireo hanamaivanana araka izay tratra ny fahavoazany amin'ity ririnina ity, saingy olana lehibe lavitra no miandry azy ireo amin'ny taona hoavy. Nitombo tao anatin'ny roapolo taona lasa izay na ny hamafin'ny dzud na ny fahamaroany, niteraka fahavoazana goavana ho an'ireo mpiandry mpifindrafindra monina, izay mandrafitra ny 40 isanjaton'ny mponina ary miankina amin'ny biby fiompiny hisakafoany sy ho fidiram-bola.

Araka ny firaketana ara-tantara, dia nisy dzud 15 tamin’ny taonjato faha-18, 31 tamin’ny taonjato faha-19, ary 43 tamin’ny taonjato faha-20. Araka izany, notombanana hitranga isaky ny valo ka hatramin'ny 12 taona ny dzud taloha. Amin'izao fotoana izao dia heverina fa hitranga isan-taona izy io. Vokatry ny fikorontanan'ny toetr'andro io fiovana io , izay miteraka fahavaratra mafana sy maina kokoa sy ririnina mafimafy kokoa any Mongolia, ka mahatonga fanangonan'ahitra be loatra noho ny fitomboan'isan'ny biby fiompy tsy nisy toy izany hatramin'ny fiandohan'ny andian-taona 1990s. 

Ity misy lahatsary YouTube momba ny antony mifandraika amin'ny fiovan'ny toetr'andro ao ambadiky ny dzud.

Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo. Fiantraikan'ny dzud ny fiakaran'ny tahan'ny fahantrana sy ny fifindra-monina anatiny, ankoatra ny hafa. Matetika ny mpiandry omby no mamoy ny biby fiompiny iray manontolo mandritra ny dzud, ka manery azy ireo hamoy ny fiainana any ambanivohitra ary mifindra any an-tanàna lehibe hitady asa. Ambonin'izany rehetra izany, miteraka ambana lehibe ho an'ny fomba fiaina mpifindrafindra monina tsy manampaharoa an'arivony taona ny fiverimberenan'ny dzud matetika sy mihamahery vaika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.