Tantara tamin'ny Tselatra sy Fitantanam-pitondrana
Anaty rindrina efatra: Feom-pandriampahalemana ao Azerbaijan voafafa
Loa-bava kely monja dia efa izakàna sandany mihoa-pampana, eo amin'ny fahafoizan-tena manokana sy eo amin'ny tsindry tsy mitsahatra atrehan-dry zareo.
Voarohirohy tamina resaka kolikoly ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Filoham-pirenen'i Azerbaijana
Misy tantara mampiahiahy ilay Hotely InterContinental ao Baku. Rehefa natao lavanty ny tany manodidina an'ilay hotely dia niniana nafenina tsotra izao ny antsipirihany momba ny adiresy sy ny haben'ilay tany.
Nankatoavin'ny parlemantan'i Kyrgyzstan ny fanovana ny sainam-pirenena
Fanazavana mampivandravandra no atolotry ny filoha amin'ny fanovana sainam-pirenena.
Filohan'i Kazakhstan teo aloha Namoaka boky tsiaro mampiady hevitra
Nohamafisin'i Nazarbayev ny tsaho efa hatry ny ela ary nekeny fa nanana fisakaizana ivelan'ny fanambadiana tamin'i Asel Isabayeva izy.
Nahazo sazy henjana ireo mpikambana avy amin'ilay tarika Bielôrosiàna nanao ireo hiran'ny hetsipanoherana tamin'ny 2020
"Tsy biby fiompy izahay, biby fiompy sy kanosa, vahoaka velona izahay, Bielôrosiàna izahay!" hoy ny hiran'ny "Tor Band". Ankehitriny, any am-ponja ireo mpikambana ao aminy, mizaka sazy henjana hatramin'ny sivy volana.
Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia
Vitsy ankehitriny ny vazimba teratany Sakhalin, antsoina hoe Nivkhs, Ainu, Uilta. Mampiseho ny iray amin'ireo tanàna efa ho faty, Rybnoe, izay misy ny Nivkhs ny fanadihadiana iray .
Nofoanana ny fetibe iray hafa any Torkia noho ny firongatry ny sivana
Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana maro tsy tambo isaina no nofoanana tao Torkia noho ny sivana ataon'ny governemanta sy ny fomba fijery mandala ny nentin-drazana mahazo vahana.
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .
Zoerzia, miatrika fanakianana momba ny mety ho famerenana ny sidina eo aminy sy Rosia
Hatramin'ny 2019 no voaràra ny sidian eo anelanelan'i Zeorzia sy Rosia, araka ny baikon'ny filoha Poutine. Taorian'ny Jona 2019 nitsidihan'i Sergey Gavrilov, Rosiàna mpanao lalàna, ny firenena. Nisy herisetra nipoaka taorian'izay
Maty nandritra ny fianjeran'ny voromby i Yevgeny Prigozhin. Fantatry ny Rosiana ve hoe iza moa izy?
Tamin'ny fitsapan-kevitra natao tany Rosia, telo herinandro taorian'ny fikomiana nataon'i Yevgeny Prigozhin sy ny vondrona Wagner-ny, ny ampahatelon'ireo namaly (33 isanjato) ihany no nilaza fa nahafantatra momba ny “krizy ara-tafika nitranga tany Rosia tamin'ny 24 Jona.”