Nofoanana ny fetibe iray hafa any Torkia noho ny firongatry ny sivana

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana maro tsy tambo isaina no nofoanana tao Torkia noho ny sivana ataon'ny governemanta sy ny fomba fijery mandala ny nentin-drazana miha mahazo vahana. Nandray fanapahan-kevitra henjana mihitsy aza ireo mpikarakara fetibe sasany mba hanafoana hetsika taorian'ny faneren'ny fanjakana.

Izany no nitranga tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Antalya Golden Orange — fetiben'ny sarimihetsika malaza indrindra ao amin'ny firenena — izay nokasaina hatao teo anelanelan'ny 7–14 Oktobra. Ny andiany tamin'ity taona ity no ho fankalazana ny faha-60 taonan'ny festivaly. Raha mitranga ao Torkia ny ankamaroan-java-piseho, dia nanomboka tamin'ny sivana ny tantara — niatrika fanakianana amin'ny fampizoran-tantara ny sarimihetsika fanadihadiana mitondra ny lohateny hoe “Kanun Hukmu” (“Ny didim-panjakana” amin'ny teny Malagasy). Novoaboasan'ny filma ny fifampitifirana taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny taona 2016 raha nampiharina ny fahalatsahana an-katerena izay nitohy hatramin'ny volana Jona 2018.

Nokasaina havoaka amin'ny fetibe ilay lahatsary fanadihadiana saingy nesorin'ny mpikarakara ny fetibe tamin'ny 22 Septambra 2023, taorian'ny faneren'ny governemanta noho ny antony hoe mbola niatrika raharaha ara-pitsarana ny iray amin'ireo mpilalao ao amin'ny sarimihetsika. Saingy, tsy marina izany. Taorian'ny fanapahan-kevitry ny mpikarakara, nanakiana ny fanapahan-kevitry ny mpikarakara ny fetibe ny talen'ny sarimihetsika, Nejla Demirci, sy ireo mpanakanto tsy tambo isaina. Nilaza i Demirci fa “fialan-tsiny” sy “sivana mivantana” ny fanapahan-kevitra.

Nofoanana tao anatin'ny ady amin'ny sivana ny fetiben'ny sarimihetsika Antalya ao Torkia – ao anivon'ny adihevitra ny lahatsary fanadihadiana momba ‘Ny didim-panjakana’ (‘Kanun Hukmu’) 

Mahamenatra ny sivana amin'ny fetiben'ny sarimihetsika #AltinPortakal. Nesorina tsy ara-drariny avy amin'ny sokajy fanadihadiana tsara indrindra “Ny Didim-panjakana” horonantsary fanadihadiana mampiseho ny tifitra amin'ny vahoaka araka ny didim-panjakana taorian'ny fikasana fanonganam-panjakana tao Torkia

Nanambara ny fialany tamin'ny hetsika ireo tale sy mpamokatra horonantsary fanadihadiana sy sarimihetsika fohy hafa mifaninana amin'ny fetibe raha naneho ny firaisankinany tamin'i Demirci. Vokany, nanambara ireo mpamokatra sy talen’ny sarimihetsika 27 fa niala izy ireo.

Tao anatin'ny fanambarana iraisana tamin'ny 27 Septambra, nilaza ireo mpamokatra sarimihetsika hoe: “Heverinay fa ny fanesorana ny sarimihetsika… dia fandrahonana mivantana ny fahalalahana maneho hevitra ara-javakanto. Mino mafy izahay fa tsy azo ekena ho an'ny fetibe, izay an'ny fiaraha-monina, ny hilefitra amin'ny sivana. .”

Nitsikera ny fanilihana ny horonantsary fanadihadiana tsy ho ao anatin'ny fetibe ny Sendikan'ny Mpilalao sarimihetsika, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Sinema (Sine-Sen), ny Fikambanan'ny Mpanoratra Sinema (SİYAD), ary ny Sendikan'ny Mpanao Sarimihetsika Fanadihadiana.

Tamin'ny 23 Septambra, namoaka fanambarana ny mpitsara 20 ao amin'ny fetibe izay nanehoany ny “fahatairana” sy ny “alahelo” momba ny sivana, ary nampiany fa tsy hanao mpitsara izy ireo raha tsy averina amin'ny laoniny ilay sarimihetsika.

Nanery ireo mpikarakara ny fetibe hanova ny fanapahan-keviny ny fitomboan'ny fanohanana. Tamin'ny 28 septambra, niverina tamin'ny fomba ofisialy tao anatin'ny fandaharana fetibe ilay sarimihetsika. Nilaza ny talen'ny fetibe, Ahmet Boyacıoğlu hoe: “Tsy mbola mitohy ny fizotran'ny fitsarana mikasika ilay olona ao amin'ny horonantsary fanadihadiana… ka notapahana ny hevitra fa hampidirina ao anatin'ny fifantenana ny fifaninana ny horonantsary.”

Izany no nahatonga ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Fizahantany, anisan’ny mpanohana ny fetibe, hanaisotra ny fanohanany. Nankasitrahan'ny Minisitry ny Fitsarana, Yılmaz Tunç, ilay fanapahan-kevitra, ka nilaza izy hoe: “Tsy azo ekena mihitsy ny manao fampielezan-kevitra ho an'ny fikambanana mpampihorohoro amin'ny fetibe nentim-paharazana toy ny Golden Orange Film Festival.” Taorian’ny fanambaran’ny minisitera, dia nisintona ny fanohanany ihany koa ireo mpanohana ny fetibe.

Tamin'ny 28 Septambra, nisioka i Ahmet Boyacıoğlu fa nisy fanadihadiana natao momba azy noho ny resabe momba ny horonantsary fanadihadiana, ka nesoriny tao anatin'ny fandaharana ilay sarimihetsika.

Tamin'ny 29 Septambra, nanambara ny fanapahan-kevitra hanafoana ny fetibe manontolo ny ben'ny tanànan'i Antalya, Muhittin Böcek.

Ny fanonganam-panjakana 2016 sy ny tohiny

Koa nahoana ny antoko eo amin'ny fitondrana no tezitra mafy tamin'ilay sarimihetsika?

 Taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny taona 2016, nanenjika mafy ny fiarahamonim-pirenena ny manampahefana ao Tiorkia. Nilaza ny tompon'andraikitra fa tsy latsaky ny 218.000 ny olona voatazona noho ny voalaza fa mifandray amin'ny hetsika Gulen, izay antsoin'ny manampahefana Tiorka ho FETO (Fikambanana mpampihorohoro Fethullah Gulen).

Nanome hevitra efa notadiavin‘ny manampahefana ny fanonganam-panjakana mba tsy hanafoana fotsiny ny fitaomana Golenista manimba sy hananganana “Torkia Vaovao” ihany koa — fehezanteny nampiasain'ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan imbetsaka nanomboka teo. Tsy manome sehatra betsaka ho an'ny vina hafa momba ny hoavin'ny firenena ity “Torkia Vaovao” ity.

Nandritra izany fotoana izany, nivadika ho fitaovana fampiasan'ny fanjakana ny Hetsika Gulen, mamela azy ireo hanafoana ny fanoherana amin'ny endriny rehetra. Manomboka amin'ny miaramila sy ny akademia hatramin'ny tontolon'ny fandraharahana sy ny media, an'arivony no noraofina sy nosamborina tany Torkia — eny fa na dia ireo tsy misy ifandraisany amin'ny hetsika aza. Mitohy hatramin'izao fotoana izao ireo fisamborana ireo.

Nandritra ny roa taona, matihanina tsy tambo isaina no very asa, raha nihazakazaka ny orinasa mba hisoroka ny voka-dratsin'ny fanonganam-panjakana.

Raha ny momba ny fetiben'ny sarimihetsika, dia anisan'ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-javakanto tsy tambo isaina nofoanana ao Torkia izy ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.