Zoerzia, miatrika fanakianana momba ny mety ho famerenana ny sidina eo aminy sy Rosia

Saripika an'i John McArthur. Fampiasàna malalaka miaraka amin'ny lisansa Unsplash.

Araka ny lazain'i Levan Davitashvili, minisitry ny toekarena zeorziàna, hatramin'ny nisian'ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia tao Okraina tamin'ny Febroary 2022, dia 200.000 eo ho eo ireo teratany rosiàna no tonga tao Zeorzia. Saingy tsy ny rehetra no nanapaka hevitra hitoetra, hoy ilay minisitra tao anaty antsafa iray tamin'ny Desambra 2022, nifanaovany tamin'ilay sehatra zeorziàna mpampahalala vaovao Interpressnews. Tamin'ireo tonga, 60.000 no nijanona, raha ny hafa kosa nampiasa an'i Zeorzia ho toy ny toeram-pandalovana fotsiny ihany, ka nandeha nipetraka any amina firenena hafa. Azo heverina ho noho io sata maha-toeram-pandalovana azy io, dia misy mitatitra ankehitriny hoe “lasa ho toy ny fantsom-pifandraisana mety tsara ho an'i Rosia sy ny any ivelany” ilay firenena.

Tsy hoe fiarabe mpitatitra entana ihany no miampita mandalo ao Zeorzia. Tamin'ny taona lasa, tafakatra hatramin'ny 2 lavitrisa dôlara ny fandefasana vola rosiàna nankao Zeorzia.  Robla rosiàna no vola miditra mankao Zeorzia, izay avy eo avadika ho dôlara ary averina any Rosia, toerana ivarotana azy ireny eny amin'ny risoriso, hoy ny tatitry ny JamNews. Izany rehetra izany dia nahazoan'i Zeorzia dera avy amin'i Rosia. Ny 18 Janoary, raha niteny nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety ny minisitry ny raharaha ivelany ao Rosia, Sergei Lavrov, dia naneho fanantenana fa hiverina ihany koa ireo sidina eo amin'ny tany roa tonta, faniriana iray izay tsy ela dia noraisin'ny antoko Georgian Dream izay eo amin'ny fitondrana.

Fanehoankevitra sy kiana avy amin'ny vahoaka

Nianjeran'ny kiana avy amin'ny vahoaka ny Georgian Dream noho ilay fijoroany lefaka amin'i Rosia, indrindra fa avy amin'ny filoha zeorziàna Salome Zurabishvili, izay nilaza, hoe “tsy takatry ny saina” ilay fiheverana hamerina ny sidina. Ny filoha dia nanainga ihany koa ny governemanta amperinasa mba “hijery amin'ny fomba matotra ny fitobahan'ireo teratany rosiàna miditra ao Zeorzia sy ny fiantraikan'izany ara-tsôsialy sy ara-pôlitika,” fa tsy ny resaka famerenana sidina fotsiny.

Badri Japaridze, sekretera jeneralin'ny antoko Lelo avy amin'ny lafy fanoherana, nilaza tamin'ny mpanao gazety fa ireo fanamarihan'i Lavrov momba ny governemanta zeorziàna dia azo itarafana hoe manohitra ny eorôpeana ny pôlitikan'ny antoko Georgian Dream ary “atao fotsiny hanomezana fahafahampo ireo manampahefana avy amin'ny Federasiôna Rosiàna.”

Nampita ny hafatry ny filoha Zurabishvili koa ireo mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra. “Tsy hoe fotsiny mifanohitra amin'ny fifandraisana stratejikantsika amin'i Okraina sy ny tontolo Tandrefana io, fa koa dingana iray manohitra ny tombontsoam-pirenena,” hoy ilay mpikambana avy amin'ny antoko United National Movement, Khatia Dekanoidze.

Ny mpanorina ny antoko pôlitika iray hafa, Strategy Builder, Giorgi Vashadze, nilaza ilay fiderana tsy ela akory avy amin'i Rosia ho manamarika fifanarahana iray an-dàlana eo amin'i Rosia sy Zeorzia, izay mety ho vidian'i Zeorzia lafo amin'ny firotsahany ho isan'ny mpikambana anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna. “Mametraka sazy amintsika i Rosia nefa tsy nisy akory fifampihantsiana, dia ankehitriny, esoriny ireny sazy ireny, midika izany fa nisy zavatra hafa nitranga ve tao? Inona no nitranga? Fifanarahana iray, ary raha toa ka mpandray anjara tao anatiny i Zeorzia, dia ho afoiny ny faniriany hahazo ny sata maha-kandidà azy. Izany no antony anirian'i Rosia, [Irakli] Kobakhidze [mpitondra tenin'ny Georgian Dream] sy [Bidzina] Ivanishvili [praiminisitra fahiny] hamerina ireny sidina ireny, mba hahazoantsika ny fandàvana farany,” hoy i Vashadze tamin'ireo mpanao gazety.

Ny ambasady amerikàna ao Zeorzia nilaza fa, “aleon'ny ankamaroan'ireo Zeorziàna mandre hoe nanàla ny andian-tafiny tao Abkhazia sy Tskhinvali i Rosia, ary farany manaraka antsakany sy andavany izay andraikiny araky ny fifanarahana tamin'ny 2008 — fa tsy hoe sidina mivantana.”

Tsy nangina ihany koa i Okraina nanoloana ilay olana. Ny mpitondra teny avy amin'ny ministeran'ny raharaha ivelany ao Okraina, Oleg Nikolenko, tsy nisalasala nivantambantana, niampanga ny antokon'ny mpitondra ho tsy “misy firaisankina”, sy “tsy mendrika ara-pôlitika”. Tao anaty antsafa iray ho an'ny media Okrainiana, i Andrii Kasianov, “chargé d’affaires” n-dry zareo Okrainiàna ao Zeorzia, tsy nanilika ny ny mety ho famoahana ireo teratany Okrainiàna monina ao Zeorzia raha toa ka miverina ireo sidina eo amin'i Rosia zy Zeorzia. Ilay antsafa dia nitarika hatrany amin'ny fakàna am-bavany an'i Kasianov nanoloana ny minisiteran'ny raharaha ivelany ao Zeorzia, raha ilay mpikambana avy amin'ny antokon'ny mpitondra ao Zeorzia kosa, Irakli Kobakhidze, namaritra ireo fanehoankevitr'ilay diplaomaty ho toy ny “tombantombana mahamenatra.”

Hatramin'ny 2019 no voarara ireo sidina eo anelanelan'i Zeorzia sy Rosia, didy avy amin'ny filoha Poutine, taorian'ny fitsidihana an'ilay firenena tamin'ny Jona 2019 nataon'ilay Rosiàna mpanao lalàna, Sergey Gavrilov. Nisy andiana mpanao hetsipanoherana nameno ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi renivohitra, tamin'ny fotoana indrindra niomanan'i Gavrilov handray fitenenana nanoloana ireo mpanao lalàna avy any amin'ireo firenena Ôrtôdôksa Kristiàna teny amin'ny sezan'ny mpitarika fivoriana. Nipoaka araka izany ny fifandonana teo amin'ny pôlisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana. Nihoatra ny 200 ireo olona naratra.

Na eo aza ny kiana, resy lahatra ny antoko eo amin'ny fitondrana, Georgian Dream, fa hitondra tombontsoa ny famerenana ireo sidina, indrindra ho an'ireo Zeorziàna monina ao Rosia, izay tsy voatery hitady làlana hafa hodiana an-tanindrazana. Ny Firenena Mikambana nanombana fa eo ho eo amin'ny 450.000 ireo teratany zeorziàna nipetraka ao Rosia tamin'ny 2020. “Fantatrareo fa nisy teritery ny sidina mandeha amina zotra tokana. Voasazy i Zeorzia. Raha nandray io fepetra io tamin'ny toerany ry zareo, tsy hitako izay olana amin'izany. Ny mifanohitra amin'izany, mety ho tsara ho an'ny firenentsika izany. Mety ho tsara io raha jerena ny hoe mahatratra hatramin'ny iray tapitrisa ireo mpiray tanindrazana amintsika no monina ao Rosia ka ny sidina mivantana dia hanampy azy ireo hiampita,” hoy ny sekretera jeneralin'ny antoko Georgian Dream, ben'ny tanàna ao Tbilisi, Kakha Kaladze, araka ny notateri'ny Interpressnews.ge.

Ny antoko eo amin'ny fitondrana dia nanasokajy ihany koa ho vaovao diso ilay lahatsoratry ny New York Times izay nanome antsipirihany momba ny fitaterana entana mankao Rosia mandalo an'i Zeorzia. Voatanisa ao ihany koa ny tantara milaza amin'ny antsipirihany ny fomba ahatongavan'ireo entana any Rosia mandalo amin'ireo làlambe an-tendrombohitra ao Zeorzia, na tsy ambara mivantana aza, ao anatin'ny antsafa iray nifanaovan'ny filohan'ny kaomisiôna eorôpeàna, Ursula von der Leyen, sy ilay lehiben'ny mpanolotra vaovao iraisampirenena ao amin'ny CNN, Anchor Christiane Amanpour. “Raha nanondrana vokatra voaràra ho any Rosia i Zeorzia, mety nitombo be tsy araka ny noheverina ny fanondranana avy ao Zeorzia nankany Rosia tamin'ny 2022,” hoy ny nosoratan'ny mpitarika ny Georgian Dream, Irakli Kobakhidze, tao amin'ny pejiny  Facebook.

Tetsy andaniny, ireo manampahefana Zeorziàna dia  nanao fanambaràna hoe efa nandray fepetra hiantohana ny fampiharana ireo fepetra iraisampirenena ry zareo mahakasika ireo entana taterina mamakivaky an'i Zeorzia. Raha nandray fitenenana nandritra ny hetsika natokana ho an'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fadintseranana, ny minisitry ny vola, Lasha Khutsishvili, niteny hoe nisy vaomiera najoro eo anivon'ny fadintseranana, fotoana fohy taorian'ny nametrahana ireo sazy iraisampirenena natao an'i Rosia. “Raharaha nihoatra ny 1.000 isa teo anivon'ny fadintseranana no nofoanana hatramin'ny fotoana nampanan-kery ireo sazy. Ankoatra izay, mihoatra ny 500 ireo tranga anananay rehefa nampitandremana mialoha ireo mpandraharaha hoe raha  manantanterka ireny hetsika voatanisa ireny dia mety voahitsakitsaka ny sazy irasampirenena napetraka. Araka izany dia tsy natao intsony ireny raharaha ireny. Miaramiasa akaiky amin'ireo mpandraharaha izahay mba hampahafantarana azy ireo mialoha izay mandrafitra ny fanitsakitsahana ireo fandraràna,” hoy i Khutsishvili nanamarika.

Noho ny tsy fisian'ny fanambaràna nataony sy ny fanakianana matotra dia niatrika fanakianana ampahibemaso ny governemanta amperinasa ao Zeorzia taorian'ny fananihambohitra nataon'i Rosia tao Okraina. Tsy niditra ihany koa izy nanatevina laharana ny lisitr'ireo firenena sy mpiaradia nanasazy an'i Rosia, raha ny praiminisitra zeorziàna, Irakli Gharibashvili, aza tonga mihitsy hatrany amin'ny fanakianana ny famatsiana fitaovam-piadiana an'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.