Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia

Vehivavy Nivkh manasa lamba. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube Hermits of the Island Ykh-myth. Vazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta. Avy amin'ny fantsona YouTube, avy amin'ny fantsona YouTube Expedition an'i Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny.

Miorina eo anelanelan'ny Ranomasin'i Okhotsk eo atsinanany sy ny Ranomasin'i Japon any atsimo andrefana i Sakhalin, nosy lavitra any Pasifika Andrefana. Ity no nosy lehibe indrindra eo ambany fari-piadidian'i Rosia, anisan'ny faritr'i Sakhalin Oblast, ary mivelatra eo amin'ny 72.492 kilaometatra toradroa (27.989 maily toradroa). Olona 500.000 eo ho eo no monina ao amin'ilay nosy, ary Rosiana ny ankamaroany. Mbola misy amin'izao fotoana izao ny Vazimba teratany Sakhalin, fantatra amin'ny anarana hoe Nivkhs, Ainu, ary Uilta, na dia vitsy aza. Tamin'ny fomba nentim-paharazana, ny Nivkh dia mpanjono sy mpihaza ary niompy alika. Nanana fomba fiaina somary tia mifindrafindra monina (semi-nomadic) izy ireo, nijanona teo akaikin'ny morontsiraka nandritra ny fahavaratra ary mifindra an-tanety amin'ny alalan'ny riaka sy renirano nandritra ny ririnina hanjono salmon. Ahitana endritany tontolon'ala taiga ahitana orampanala amin'ny ririnina mangatsiaka sy fahavaratra mafana misy hazo eo ho eo ihany ny faritra ipetrahan'izy ireo. Noheverina fa ny Nivkh no mponina voalohany ao amin'ny faritra, avy amin'ny vondrona Neolithic izay nifindra niala ny faritr'i Transbaikal nandritra ny vanim-potoana Pleistocene Late (Pléistocène).

Afaka nifehy tanteraka ny tanin'ny Nivkh ny Fanjakana Rosiana tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-19. Nijaly mafy tamin'ny fanjanahantany ny Nivkh. Nametraka voanjo voasazy mafy ho ao Sakhalin ny Rosiana, izay niasa nanomboka ny taona 1857 ka hatramin’ny taona 1906. Nitondra mpanao heloka bevava  sy mpanao politika rosianina marobe tany an-tsesitany tao izy ireo. Vokany, nitombo be avy eo ny mponina Nivkh. Niasa ho mpiambina fonja izy ireo indraindray. Nandrava ny fiarahamonina Nivkh ny aretina toy ny nendra, pesta, ary gripa, nampidirin'ireo olona vao tonga ary niroborobo noho ny fahalotoan'ny fonja.

Nandritra ny fitondran'ny Sovietika, voatery niditra tao amin'ny vondron'orinasa lehibe momba ny fambolena sy ny indostria antsoina hoe kolkhoz ny Nivkh. Vetivety dia nahita fivelomana sy niasa ho vondrona voahilikilika teo anivon'ny mpiasa Rosiana manjaka ny Nivkh. Nanova tanteraka ny fomba fiainan'ny Nivkh ity rafitra iombonana ity, nitarika ny fanjavonan'ny fomba fiaina nentim-paharazana teo amin'ireo mpihaza sy mpioty nentim-paharazana.

Noraisin'ny mpitarika sovietika ho ohatra iray amin'ny kolontsaina nifindra haingana niala tamin'ny “Neolitika” ho “sosialista” ny Nivkh”. Nandrara ny fampiasana ny teny Nivkh tany an-tsekoly sy ny toerana ho an'ny daholobe izy ireo ary nampihatra ny teny Rosiana, izay nitarika ho amin'ny fanaovana ho Rosiana ny Nivkh.

Tamin'ny taona 1962, nafindran'ny manam-pahefana Sovietika ny vondrom-piarahamonina Nivkh maro, ka nampihena ny isam-ponenan'ny Sakhalin ho 13 raha 82 izany tamin'ny taona 1986. Nohamafisina tamin'ny alalan'ny fanafoanana ny vondrona kolkhoz, izay nianteheran'ny Nivkh fatratra io fanavaozana io. Ny fanakatonana ireo fotodrafitrasa tohanan'ny fanjakana toy ny sekoly na ny mpamokatra herinaratra matetika no nahatonga ny olona hafindra any amin'ny faritra voatendrin'ny governemanta.

Taorian'ny firodanan'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991, dia rava ny vondrona kolkhoz. Noho izany, niatrika fitomboam-pahantrana ny vondrom-piarahamonina Nivkh.

Namorona fanadihadiana momba an'i Sakhalin, izay azo jerena ao amin'ny YouTube ihany koa, izay mamaritra ny fiainan'ny Nivkhs amin'izao fotoana i Yulia Kortneva.

Ao amin'ity lahatsary fanadihadiana voalohany ity, izay nalain'i Kortneva samirery ary nahazo mpijery manodidina ny 180.000 teo ho eo, nankany Rybnoe izy, iray amin'ireo tanàna efa ho faty, izay nonenan'ny ankamaroan'ny Nivkhs indrindra.

Ireo trano vitsivitsy ao an-tanàna izay mbola misy mponina. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Hermits of the island Ykh-myth. Vazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta. Avy amin'ny  fantsona YouTube l Expedition of Yulia Korneva. Nampiasaina ara-drariny.

Azon'ny angidim-by nidirana ny tanàna rehefa ririnina, ary zara raha tonga izy ireo. Fomba iray hafa hidirana ao ny motoneige (snowmobile) amin'ny ranomandry eo amin'ny helodrano, sangy maharitra adiny telo ao anatin'ny hatsiaka mamirifiry ity dia 52 kilometatra miala ao amin'ny tanàna akaiky indrindra azo aleha ity.

YouTube channel. Fair use. Nankany Rybnoe tamin'ny alalan'ny motoneige tamin'ny ririnina ny tale. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Mermits of the Island Ykh-myth. Vazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta.” Avy amin'ny fantsona YouTube Expedition of Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny.

Ny jono no fiveloman’ny olona; zara raha misy jiro sy rano mandeha.

Ny jono no fiveloman'ny olona ao Rybnoe. Pikantsary avy amin'ny horonan-tsary YouTube “Hermits of the island Ykh-myth. Vazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta.” Avy amin'ny  fantsona YouTube Expedition of Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny. 

Niompy alika ny Nivkhs araka ny nentin-drazana, mbola manao izany koa ny sasany ankehitriny.

Vehivavy Nivkh miaraka amin'ny alika kely. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Mermits of the island Ykh-myth. IVazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta.” Avy amin'ny  fantsona YouTube Expedition of Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny. 

Nasehon'ny iray tamin'ireo Nivkh zokiny monina ao an-tanàna tamin'i Kortneva ny sarin'ny kilasiny tany an-tsekoly , izay Nivkh ny ankamaroan'ny mpianatra.

Sarin'ny kilasin'ny sekoly am-polony taona maro lasa izay. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Mermits of the island Ykh-myth. IVazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta.” Avy amin'ny  fantsona YouTube Expedition of Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny. 

Amin’izao fotoana izao dia betsaka ireo misotro ronono mipetraka ao an-tanàna, ary tsy azo atao intsony ny misoratra anarana hoe mipetraka ao.

Lehilahy efa misotro ronono monina ao Rybnoe. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube “Mermits of the island Ykh-myth. IVazimba teratany Sakhalin: Nivkhs sy Uilta.” Avy amin'ny  fantsona YouTube Expedition of Yulia Korneva. Fampiasana ara-drariny. 

Ny fanisam-bahoaka farany dia nanombatombana fa nihena ny isan'ny Nikhs ao Sakhalin: raha olona 5.287 no milaza fa Nikhs tao Sakhalin tamin'ny taona 2002, dia 3.842 ihany no niantso ny tenany ho anisan'io vondrona io tamin'ny taona 2021.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.