Tamin'ny 21 Febroary, nosakanan'ny sampan-draharaham-panjakana lehibe ao Tiorka, ny Manampahefana misahana ny Teknolojikan'ny Fampahalalam-baovao sy ny fifandraisandavitra (BTK), ny fidirana amin'ny tranonkala malaza Web iray Ekşi Sözlük (Rakibolana masiaka), rakibolana hypertext mifototra amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo mpampiasa azy. Heverina ity fanapahankevitra ity ho toy ny dingana farany amin'ny fanivanan'ny fanjakana ireo votoaty anaty tambajotra izay heveriny ho fanalàm-baraka. Tamin'ny 7 Febroary, sehatra fampahalalam-baovao iray hafa malaza, Twitter no nosakanan'ny manampahefana vetivety noho ny antony mitovy amin'izany. Tsy nampahafantarina ny votoatiny mazava mikasika ilay fanakanana ny ekipan'ny mpamoaka lahatsoratra tao amin'ny Ekşi Sözlük. Tamin'ny volana Novambra 2022 no fotoana farany nameran‘ny BTK ny fidirana tamin'ireo sehatra fampahalalam-baovao sosialy, rehefa i Istanbul, renivohitr'i Tiorkia, nohozongozonin'ny vaovao mikasika ny fipoahana nahafaty olona marobe tao Istikal, teo amin'ilay lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra maro mpampiasa indrindra ao an-tanàna.
biraz önce @sozluk hakkında bir engelleme kararı olduğunu öğrendik, konuyu araştırıyoruz, bilgi edincikçe paylaşacağız. https://t.co/pduUQSU3ev pic.twitter.com/DZ854YRQbI
— Basak Purut (@basakpurut) 21 février 2023
Vao izao izahay no nampahafantarina ny fanapahankevitra hisakanana ny fidirana amin'ny @sozluk. Manao fanadihadiana mikasika ity fanapahankevitra ity izahay ary hizara vaovao bebe kokoa raha vao azo izany.https://t.co/pduUQSU3ev pic.twitter.com/DZ854YRQbI
— Basak Purut (@basakpurut) 21 Febroary 2023
Ekşi Sözlük ekibine haber verilmeden, gerekçesi açıklanmadan, herhangi bir yurt dışındaki web sitesiymiş gibi BTK tarafından Ekşi Sözlük platformunun erişime engellenmesi asla kabul edilemez. Düpedüz sansür bu @sozluk @basakpurut @esesci
— Yaman Akdeniz (@cyberrights) 21 février 2023
Tena tsy azo ekena ho an'ny BTK ny misakana ny fidirana amin'ny Ekşi Sözlük, sahala amin'ny hoe tranonkala Web vahiny izany, nefa tsy mampahafantatra ny ekipan'ny Ekşi Sözlük sy manome ny antony akory. Tena sivana rano iray @sozluk @basakpurut @esesci
Azon'ny BTK atao ny manakana ireo tranokala, tsy misy didim-pitsarana avy amin'ny tribonaly, araka ny andininy faha-8A amin'ilay volavolan-dalàna 5651 mampalahelo mikasika ny Aterineto. Ilay lalàna dia manome fahefana ilay sampana mpanaramaso mba hanakana ny fidirana amin'ny votoaty manokana rehefa mety hiteraka loza ho an'ny fiarovam-pirenena, ny filaminambahoaka, sy ny sisa. Na izany aza, arak'io lahatsoratra io ihany, tsy maintsy ampahafantatarina ny votoatin'ilay fanapahankevitra fanakanana ireo mpamatsy votoaty. Tsy izay no nitranga, araka ny voalazan'ny Filoha Tale Jeneralin'ny Ekşi Sözlük, Basak Purut. Tao anaty tafatafa iray niarahana tamin'ny mpanao gazety Fatih Portakal tamin'ny 22 Febroary, dia nilaza i Purut fa tsy nisy fifampiresahana mihitsy mikasika ilay fanakanana teo amin'ny BTK sy ny ekipan'ny tonian-dahatsoratry ny sehatra fampahalalam-baovao. Tsy nampahafantarin'ny BTK ny ekipa ihany koa ny votoaty nahatonga ity fanapahankevitra manokana ity.
Access to one of Turkey’s most popular social networks #eksisozluk @sozluk has been blocked by authorities,see its ceo @basakpurut’s tweet below. The site was crucial in calls for help in the aftermath of quakes. It’s a platform where all sorts of voices are heard. Pros and cons. https://t.co/Cp1RSqiTFA
— Cagil M. Kasapoglu (@CagilKasapoglu) February 21, 2023
Nosakanan'ny manampahefana ny fidirana amin'ny #eksisozluk @sozluk, iray amin'ireo tambajotra sosialy tena malaza indrindra ao Tiorkia, jereo eo ambany ny bitsiky ny tale jeneraly @basakpurut. Nandray anjara lehibe tamin'ireo antso vonjy taorian'ny horohorontany ilay tranonkala. Io no sehatra fampahalalam-baovao iray ahenoana an'ireo karazam-peo rehetra. Mpanohana sy mpanohitra.
— Cagil M. Kasapoglu (@CagilKasapoglu) 21 Febroary 2023
24 taona lasa izay no noforonina ny Ekşi Sözlük. Na misy hoe “rakibolana” aza ny lohateniny, dia tsy rakibolana amin'ny dikany mahazatra izany, satria tsy voatery hizara vaovao tsara petraka ireo mpandray anjara, fa ireo mpampiasa no tena mametraka fanehoan-kevitra mikasika ireo lohahevitra, manomboka amin'ny politika ka hatramin'ny siansa sy ny olana hafa tsy dia misy dikany. 32 hatramin'ny 33 tapitrisa isanandro no isan'ny mpitsidika ilay tranonkalany, hoy ny fanazavan'i Purut tao anatin'ny tafatafa nifanaovana tamin'ny Portakal. “Tamin'ny lasa, nisy ireo fangatahana hamafàna votoaty manokana, izay nankatoavinay hatrany”, hoy ny nambaran'i Purut tao anaty tafatafa.
Tamin'ny taona 2000, natsangan’ ny governemanta ny Manmpahefana hisahanany Fifandraisan-davitra, “mba hanatontosana ny andraikitra fifehezana sy fanarahamaso ny sehatry ny fifandraisana elektronika”. Tamin'ny taona 2008 nohavaozina ny firafitr'ilay masoivoho ary nomena anarana vaovao : Manampahefana amin'ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fifandraisana. Miankina amin'ny Minisiteran'ny Fitaterana sy Fotodrafitrasa izy io.
Tamin'ny 2016, taorian'ny fikasana fanonganam-panjakana tsy nahomby, nakaton‘i Tiorkia ny Departemantan'ny Fifandraisan-davitra sy ny Serasera (TİB) – ilay tena mpanivana aterineto tao Tiorkia, ary namerina ny fahefany rehetra ho an'ny BTK.
Tamin'ny taona 2005 no noforonina ny TİB mba famondronana, “miainga avy amina vondrona tokana, ny fanarahamaso ny fifandraisana sy ny fanatanterahana ny didy ho fipaingorana ireo fifandraisana voalazan'ny Lalàna laharana 2559 (Lalàna mikasika ny adidy sy ny fahefan'ny pôlisy), n° 2803 (lalàna momba ny fandrindràna, ny adidy sy fahefan'ny zandary), laharana 2937 (Lalàna mikasika ny asan'ny sampam-pitsikilovam-panjakana sy ny fikambanana nasiônaly misahana ny fitsikilovana), ary ny laharana 5271 (Lalàna mikasika ny ady heloka ).”
Taorian'ny nolazaina fa fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny 2016 dia nanamafy ny manampahefana fa “ny TİB dia nampiasaina ho ho toy ny toerana ifamezivezen'ny FETÖ [Fikambanana mpampihorohoro Fethullah Gülen], mba hanaraha-maso sy hanaovana fihainoana elektronika.”
Araka izay, miaraka amin'ireo fahefany vaovao, ny BTK dia nila tamin'ny maha-rafi-pandrindràna azy ka lasa maanampahefana nomena fahefana fanarahamaso izay ahitana “ny fahefana handray izay fepetra rehetra heveriny fa ilaina amin'ny fitazonana” ny filaminam-pirenena sy ny filaminam-bahoaka ; hisorohana ny heloka bevava ; hiaro ny fahasalamam-bahoaka sy ny fitondrantenam-bahoaka ; na miaro ny zo sy ny fahalalahana” ary mampahafantatra an'ireo mpandraharaha, ny mpanome fidirana aterineto, ny ivontoeran'ny angondrakitra, ireo mpampiantrano sy mpamatsy votoaty an'ireny fepetra voalaza ireny, izay tsy maintsy mandray fepetra ao anatin'ny adiny roa.
Any Tiorkia, manodidina ny roapolo ireo sampana manana fahefana hanivana votoaty amin'ny tambajotra. Zava-panao mahazatra ny fanivànana tanteraka na amin'ny ampahany ireo tranonkala fampahalalam-baovao. Tamin'ny 2007, nampiditra lalàna malaza iray mampalahelo, laharana faha-5651, i Tiorkia, antsoina hoe volavolan-dalàna momba ny Aterineto. Nasiam-panitsiana ilay volavolan-dalàna tamin'ny 2014, 2015 ary 2020, ary mamela ny manampahefana hanivana ny fidirana amin'ireo tranonkala Web isankarazany, URL an'olon-tsotra, kaonty Twitter, bitsika, lahatsary YouTube sy votoaty Facebook. Fanampin'izay, fantsona fahitalavitra marobe no mety hitaty onitra goavana, taorian'ny fivorian'ny Filankevitra ambony misahana n y onjampeo sy ny fahitalavitra (RTÜK) ilay mpanivana lehibe ao Tiorkia, izay tokony ho natao tamin'ny 22 Febroary. Araka ny voalazan'ny mpanao gazety Fatih Portakal, fara-fahakeliny fantsona efatra, Tele 1, Fox TV, Haber Turk sy Halk TV, no mety handoa onitra.