Maty nandritra ny fianjeran'ny voromby i Yevgeny Prigozhin. Fantatry ny Rosiana ve hoe iza moa izy?

Pikantsarin'ny pejy Russia Post article. Nahazoana alalana.

Tamin'ny 24 aogositra 2023, voalaza fa maty Yevgeny Prigozhin, lehiben'ny orinasa miaramila tsy miankina (PMC) Wagner, maty tamin'ny fianjerana mampiahiahy ny fiaramanidina nitondra azy roa volana katroka taorian'ny fikasany hikomy, ilay antsoina hoe “Diabe ho any Moskoa”. Nanoratra ho an'ny Russia Post i Vladimir Zvonovsky momba izay niheveran'ny Rosiana an'i Progizhin taorian'ny “fikomiany”. Nakan'ny Global Voices indray ny lahatsoratry ny RussiaPost voahitsy.

Tamin'ny fitsapan-kevitra natao tany Rosia, telo herinandro taorian'ny fikomiana nataon'i Yevgeny Prigozhin sy ny vondrona Wagner-ny, ny ampahatelon'ireo namaly (33 isanjato) ihany no nilaza fa nahafantatra momba ny “krizy ara-tafika nitranga tany Rosia tamin'ny 24 Jona.” Ny 40 isanjato hafa nilaza fa “naheno zavatra” momba ireo zava-nitranga ireo, fa ny ampahefany (27 isanjato) mahery kosa no tsy nahare na inona na inona momba izany. Raha ny fahitana azy dia tsy dia fantatra loatra tao amin'ny firenena ny zava-nitranga, araka ny filazan'ny nanontaniana sasany, fa mety ho nanamarika ny fiandohan'ny ady an-trano, nambaran'ny filoha Rosiana ampahibemaso.

Betsaka kokoa ny lehilahy (36 isanjato) noho ny vehivavy (30 isanjato) nahafantatra ny fikomiana, raha zara raha nahalala momba izany ny tanora (18 isanjato), na ny antsasany amin'ny ankapobeny. Nandritra izany fotoana izany, nahafantatra tsara izany ireo zokinjokiny (43 isanjato). Maneho taratra ny isan'ny Rosiana liana amin'ny toe-draharaha any ambava ady izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, apetraky ny Rosiana amin'ny toe-javatra ankapobeny amin'ny fifandonana amin'i Okraina ny zava-nitranga miaraka amin'ny vondrona Wagner .

Ny Televizionam-panjakana — ary tsy misy hafa any Rosia amin'izao fotoana izao — araka ny fitsapan-kevitra, no tena loharanom-baovao amin'ireo zava-mitranga lehibe ao amin'ny firenena ho an'ny ankamaroan'ny Rosiana. Na izany aza, ny 33 isanjaton'ny mpijery TV ihany no nahalala ny fikomiana, tapa-bolana taorian'ilay zava-nitranga. Nitombo be ny fahalalàna (39–46 isanjato) amin'ireo izay mahazo vaovao avy amin'ny fantsona YouTube, Rutube sy Telegram, .

Loharanom-baovao sy fihetsika manoloana an'i Prigozhin

Azo inoana fa tsy tian'ny mpitondra Rosiana holazaina amin'ny olom-pireneny amin'ny fahitalavitra ilay fikomiana. Na izany aza, raha noferan'ny Rosiana manampahefana  ny vaovaon'ny fikomiana, noho ny tahotra sao ho ratsy ny vokatr'izany, voavohan'ny Rosiana mora foana mihitsy ny olana amin'ny fahazoana vaovao mahaliana azy ireo.

Ireo izay minia mitady vaovaon'ny zava-mitranga dia tsy mijery fahitalavitra fa amin'ny loharanom-baovao tsy voasivana, mampiasa VPN mba hialana amin'ny sivana amin'ny aterineto. 40 isan-jato ny ampahan'ireo mpampiasa VPN izay nahafantatra ny zava-nitranga tamin'ny 24 Jona.

Manodidina ny ampahefatry ny Rosiana (22 isanjato) no nanana fomba fijery miabo an'i Yevgeny Prigozhin, tompon'ny PMC Wagner, fa saika ny atsasaky ny Rosiana kosa no tsy izany (47 isanjato). (Napetraka tamin'ireo namaly rehetra ny fanontaniana, fa tsy ireo izay mahafantatra momba ny fikomiana ihany.) Ny ampahatelony iray hafa (35 isanjato) dia tsy lavitra amin'ny manakaiky ny “mpahandron'i Potinina,” [izay niantsoana an'i Prigozhin]. Noho izany, ho an'ny mpanohana an'i Prigozhin ao Rosia, dia tsy mihoatra ny olona ny manohitra azy.

Araka ny efa nampoizina, betsaka kokoa ny fanohanan'ny lehilahy (27 isanjato) an'i Prigozhin noho ny fanohanan'ny vehivavy (18 isanjato); miiba fijery an'i Prigozhin kokoa ny vehivavy raha oharina amin'ny lehilahy (47 isanjato sy 38 isanjato, araka ny filaharany).

Nangonina nandritra ny fitsapan-kevitra nanerana ny firenena notontosain'ny Chronicles tamin'ny 4-9 Jolay 2023 ny angon-drakitra naseho, izay mahasolo tena ny vondrona ara-tsosialy, ara-politika ary ara-paritany lehibe rehetra amin'ny mponina ao Rosia mihoatra ny 17 taona.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.