Tantara tamin'ny Tselatra sy Foko sy Fiaviana
Mpikatroka iray nandika ny Minecraft, manga, sy Harry Potter avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny fiteny Chuvash
Nihamafy vao haingana ny fahalianana amin'ny fiteny indizeny any amin'ny repoblika sasany ao Rosia. Mipoitra amin'ny media sosialy isan-karazany ny vondrom-piarahamonina, manampy amin'ny fianarana ny fiteny sy mampiasa azy ireny amin'ny fiainana andavanandro.
Tanora fiaviana Miozolomana nanavotra olona mihoatra ny zato nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Moskoa
Islam Khalilov, dimy ambin'ny folo taona, miasa tapakandro amin'ny maha-mpiandry toeram-pisoloana akanjo, nahatarika olona mihoatra ny zato hivoaka ny Crocus Concert Hall nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.
Valibontan'ny Britanika mpanao gazety Myriam Francois manoloana ny fandarohana baomba ny Houthi sy ny adin'ny Ranomasina Mena
Nanakiana mafy ny hevitra “adala” nandaroka baomba ny Houthis tokony ho natao alohaloha kokoa noho ny antony ara-toekarena tao amin'ny fandaharan'ny Sky News i Myriam Francois, britanika malaza mpanao gazety sady mpanangona tahirin-kevitra.
Nihena be ny isan'ny vazimba teratany ao amin'ny nosy Sakhalin any Rosia
Vitsy ankehitriny ny vazimba teratany Sakhalin, antsoina hoe Nivkhs, Ainu, Uilta. Mampiseho ny iray amin'ireo tanàna efa ho faty, Rybnoe, izay misy ny Nivkhs ny fanadihadiana iray .
Voasivana ao Rosia ny sarimihetsika Yakut ‘Aita’
Ny antony notononin'ny Roskomnadzor dia noho ny fiezahan'ilay sarimihetsika 'handrava ny fitsipiky ny mahairay ny vahoaka ao Rosia'.
Maneho ny heviny amin'ny lalàna vaovao momba ny teny ao Kyrgyzstan ireo diplaomaty Rosiana, mampahatsiahy ny fanjanahantany taloha
Ampahany manan-danja amin'ny maha- mariky ny firenena ny fiteny Kyrgyz. Zava-dehibe amin'ny fahaveloman'ny vahoaka Kyrgyz amin'ny maha-vondrona foko misaraka azy sy Kyrgyzstan amin'ny maha-firenena azy izy.
Ny tantaran'ireo Koreana ao Kyrgyzstan izay niova ho miozolomana
Ny fiovam-pon'izy ireo dia vokatry ny fanasilamoana indray an'i Kyrgyzstan , izay nanomboka tamin'ny taona 1991 taorian'ny nahazoan'i Kyrgyzstan fahaleovantena.
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.
Lavin'i Moldavia ny hampiasa fiteny iray narafitry ny pôlitika ara-kolontsaina sôvietika
Tany am-piandohan'ny pôlitika ara-kolontsaina sôvietika no nandrafetana ny fiteny môldavy. Ankehitriny, novàn'ny parlemanta ho "Romàna" ny anarany satria fiteny roa azo lazaina ho mitovy tanteraka ireo